-
Beri-shebaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lasa fomba fiteny ny hoe “hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba” (Mpts 20:1), na “hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana” (1Ta 21:2; 2Ta 30:5) mba hilazana ny halavan’ny Tany Nampanantenaina, ka i Beri-sheba no iantsoana ny farany atsimo. Rehefa nizara roa ny fanjakana, dia mbola niantsoana ny faritra atsimo indrindra tamin’ny fanjakan’ny Joda ny hoe Beri-sheba. Manamarina izany ny fitenenana hoe “hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba” (2Mp 23:8) sy hoe “hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima” (izay sisin-tanin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra). (2Ta 19:4) Voalaza fa nonina hatrany Beri-sheba ka “hatrany amin’ny lohasahan’i Hinoma” ireo anisan’ny fokon’i Joda, izay nody an-tanindrazana taorian’ny sesitany.—Ne 11:27, 30.
Raha ny marina dia mbola nisy tanàna hafa anisan’ny Tany Nampanantenaina tany atsimon’i Beri-sheba, toy ny tany avaratr’i Dana ihany. Teo amin’ny sisin-tany voajanahary anefa no nisy an’i Dana sy Beri-sheba. Teo am-pototr’ireo tendrombohitr’i Joda, teo amin’ny sisin’ny tany efitra, ohatra, no nisy an’i Beri-sheba. Tanàna nalaza tany Joda, toa an’i Jerosalema sy Hebrona, koa izy io satria tsy ory rano sady fihaonan-dalana. Ampy rano tsara tao raha nampitahaina tamin’ny manodidina, ka nety tamin’ny fambolena sy fiompiana ary nisy toerana feno ahitra firaofan’ny andiam-biby. Maro koa ny lalana nihaona tao: Ny “Lalan’ny Lavadrano”, izay avy tany Ejipta, ary nandalo tao Kadesi-barnea; ny lalana fandehanan’ireo mpivaro-mandeha nitaingina rameva avy any amin’ny “Fanjakan’ny Zavamaniry Mani-pofona” tany amin’ny Saikinosin’i Arabia rehefa ho any Filistia na ho any Joda; ny lalana niainga avy tao Eziona-gebera, teo amin’ny tendron’ny Hoalan’i ʽAkaba, izay namakivaky an’i Araba, ary nivily niankandrefana nanaraka ny fiakarana Akrabima; ny sampanan’ny lalambe iray avy tany Gaza, eo amin’ny tany Lemaky ny Filistinina, izay nivily nianatsimoatsinanana. Nampitohy an’i Beri-sheba tamin’ny tanàna hafa tany Joda koa ny lalana iray nianavaratratsinanana, izay nananika ny lembalemban’ireo tendrombohitr’i Joda, ary nankany Jerosalema sy ireo tanàna tany avaratra kokoa.—Ge 22:19.
-
-
VavahadyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milaza ny 2 Mpanjaka 23:8 fa nisy “toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna. Eo ankavia no misy an’io vavahadin’i Josoa io, raha miditra eo am-bavahadin’ny tanàna ny olona.” Vavahady tao anaty tanàna io “vavahadin’i Josoa” io, fa tsy teo amin’ny mandan’ny tanàna. Io no vavahady nankao amin’ny tranon’ny governora, ary teo ankavian’izay olona niditra teo am-bavahadin’ny tanàna izy io.
-
-
GebaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tanànan’i Benjamina nomena ny Kehatita, ary anisan’ireo tanàna 13 nomena ny mpisorona. (Js 18:21, 24; 21:17, 19; 1Ta 6:54, 60) Toa tany akaikin’ny sisin-tany avaratra tao amin’ny fanjakan’ny Joda no nisy an’i Geba, matoa nisy ilay fitenenana hoe “hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba.” (2Mp 23:8) Maro no milaza an’i Geba ho ny tanàna kelin’i Jabaʽ efa ho 9 km any avaratra avaratratsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema. Misy lohasaha latsaka an-deboka be eo anelanelan’i Geba sy ilay toerana voalaza fa nisy an’i Mikmasy fahiny. Ahitana havoana roa koa eo amin’io lohasaha io, ka be vato sy mideza ny tehezan’izy ireo. Ireo angamba no Bozeza sy Sene izay “harambato miendrika nify”, ka ny iray “tandrifin’i Mikmasy” fa ny iray kosa “tandrifin’i Geba.”—1Sa 14:4, 5.
-