MESA
(Mèsa).
1. Lahimatoan’i “Kaleba zanakalahin’i Hezrona”, avy amin’ny fokon’i Joda. I Mesa no rain’i Zifa, na nanorina azy io.—1Ta 2:18, 42.
2. Mpanjakan’i Moaba niara-belona tamin’i Josafata mpanjakan’ny Joda sy Ahaba sy Ahazia ary Jorama izay samy mpanjakan’ny Israely. Teo ambany fifehezan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra ny Moabita ka nandoa hetra tamin’i Ahaba Mpanjaka: Zanak’ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbola tsy nohetezana, izay nahazoana volonondry tena tsara. Nikomy tamin’i Ahazia mpanjakan’ny Israely i Mesa rehefa maty i Ahaba. Maty anefa i Ahazia raha vao nanjaka kelikely, ka i Jorama rahalahiny no nandimby azy. Notarihin’i Jorama hanafika an’i Moaba i Josafata mpanjakan’ny Joda sy ny mpanjakan’i Edoma, mba hanerena an’i Mesa hanaiky azy indray. Tany atsimon’ny Ranomasina Maty no nalehan’ireo mpanafika, saingy saro-dalana tany ary lany ny ranon’izy ireo. Nanome toky anefa i Elisa mpaminany fa raha asiana tatatra ilay lohasaha falehan-driaka, dia hofenoin’i Jehovah rano ireo tatatra.—2Mp 1:1; 3:4-19.
Nitranga tokoa izany, ary mena sahala amin’ny ra no fahitan’ny Moabita an’ilay rano notarafin’ny masoandro vao maraina. Nisy tany mena angamba ireo tatatra vao nohadina. Nihevitra àry izy ireo fa nifamely ireo tafiky ny Israely sy Joda ary Edoma. Fantany mantsy fa nifampialona ny Israely sy Joda. Tsy dia tian’ny Edomita koa ny Jodianina, izay niray dina tamin’ny Israely tamin’ity indray mitoraka ity.—2Mp 3:20-23; ampit. 2Ta 20:10, 11, 24, 25.
Nihevitra ny Moabita fa nifandringana ny fahavalony, ka niantsoantso izy ireo hoe: “Andao haka babo, ry Moaba ô!” Niditra tao an-tobin’ny Israely àry izy ireo, nefa efa nandrasan’ny mpanafika ka vaky nandositra. Nanenjika azy ireo ny Israelita, nandrava ny tanànany, nanampina ny loharanony, ary nameno vato ny taniny, mandra-pahatongany tany Kira-haresa (Kiran’i Moaba).—2Mp 3:23-25.
Efa ho tratra i Mesa Mpanjaka, ka nitondra 700 lahy mpitan-tsabatra hanavatsava ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma (nihevitra izy angamba fa ny Edomita no mora noresena indrindra). Tsy nahomby anefa izy. “Farany, dia nalain’ny mpanjakan’i Moaba ny zanany lahimatoa, izay tokony hanjaka handimby azy, ka natolony ho fanatitra dorana teo ambony manda.”—2Mp 3:26, 27.
Eken’ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa ny zanany lahy no natolotr’i Mesa ho sorona ho an’i Kemosy andriamaniny. Misy anefa milaza fa ny zanakalahin’ny mpanjakan’i Edoma no nobaboin’i Mesa, ka nataony sorona. Porofon’izany, hono, ny voalazan’ny Amosa 2:1 hoe “nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma” i Moaba “mba hahazoana sokay.” Mety ho izay ny hevitr’ilay andininy, raha jerena ny fitsipi-pitenenana hebreo. Toa tsy mitombina anefa izany. Mbola tsy nisy porofo mihitsy mantsy hoe nanolotra ny fahavalony ho sorona ho an’ny andriamaniny ny Moabita sy ny Amonita, izay nonina teny akaikin’i Israely. Fanaony kosa ny nanolotra ny zanany ho sorona dorana mba hampitonena ny andriamaniny. (De 12:30, 31; Mi 6:6, 7) Tsy mahagaga àry raha nanao izany i Mesa mpivavaka tamin’i Kemosy, rehefa hitany fa ho resy izy.
Ilay Vato Moabita. Hita tany Dhiban (Dibona) ilay Vato Moabita, tamin’ny 1868. Eken’ny maro fa i Mesa no nampanoratra azy io, ary zava-nitranga niarakaraka tamin’izay voatantara ao amin’ny Mpanjaka Faharoa toko fahatelo no resahiny. Nilaza i Mesa ao fa nofehezin’ny Israely nandritra ny 40 taona izy. Fahatsiarovana ny nialany tamin’ny ziogan’ny Israely àry, hono, ilay Vato. Voaresaka ao koa ireo toerana azon’i Mesa (Medeba, Atarota, Nebo, ary Jahaza), sy ireo tanàna sy lalambe namboariny. Nirehareha noho ny fandreseny izy, anisan’izany ny nandreseny ny Israely. I Kemosy andriamaniny, hono, no nanampy azy tamin’izany rehetra izany. Fantatr’i Mesa koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely, satria ahitana ny Litera Efatra ny andalana faha-18. Toy izao no fireharehan’i Mesa: “Nalaiko tao ireo [fanak’i] Iaveh, ka notaritaritiko nankeo anatrehan’i Kemosy.” (SARY, Boky 1, p. 946) Mazava ho azy fa tsy noresahiny ny fahareseny sy ny nanaovany sorona ny zanany. Hoy Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (Mey/Jona 1986, p. 57): “Natao ho fampielezan-kevitra sy fanindrahindrana ny andriamanitra sy ny mpanjakan’ny firenena iray, ireo soratra amin’ny tsangambato na rindrin’ny tempoly. Tsy mahagaga àry raha tsy noresahin’i Mesa mihitsy ilay fanafihana tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany, dia ilay nanafihan’ireo mpanjakan’ny Israely sy Joda ary Edoma ny taniny.”
3. [Heb.: Mehshaʼ]. Zanakalahin’i Saharaima sy Hodesy vadiny. Lasa lohan’ny fianakaviambe tao amin’ny fokon’i Benjamina i Mesa.—1Ta 8:1, 8-10.
4. [Heb.: Meshaʼ]. Anisan’ny sisin-tanin’ilay faritra nonenan’ny taranak’i Joktana. (Ge 10:29, 30) Nosoratana hoe Masse izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Misy àry mihevitra fa fomba hafa anoratana ny hoe “Masa” ny Mesa. Masa no anaran’ny razamben’ny Ismaelita izay toa nanorim-ponenana tany Arabia.—Ge 25:13, 14.