Mankasitraka ny Fandaminan’i Jehovah ve Ianao?
“Izao no lazain’i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro”. — ISAIA 66:1.
1, 2. a) Inona no porofo hita maso ahafahanao milaza fa manana fandaminana i Jehovah? b) Aiza i Jehovah no mipetraka?
MINO ve ianao fa manana fandaminana i Jehovah? Raha izany no izy, nahoana ianao no mino izany? Mety hamaly ianao hoe: ‘Manana Efitrano Fanjakana izahay. Manana kongregasiona voalamina tsara, misy fitambaran-doholona, izahay. Manana mpiandraikitra ny fizaran-tany voatendry ara-dalàna izahay, ary mitsidika anay tsy tapaka izy. Manatrika fivoriambe voalamina izahay. Manana sampan’ny Fikambanana Watch Tower izahay eto amin’ny taninay. Azo antoka fa izany rehetra izany, sy ny maro hafa koa, dia manaporofo fa manana fandaminana miasa i Jehovah.’
2 Porofon’ny fisian’ny fandaminana iray ireo lafin-javatra ireo. Raha ny eto an-tany ihany anefa no hitantsika sy ekentsika, dia mbola tsy tena takatsika amin’ny fomba feno ny atao hoe fandaminan’i Jehovah. Nilaza tamin’i Isaia i Jehovah fa fitoeran-tongony fotsiny ny tany, fa ny lanitra no seza fiandrianany. (Isaia 66:1). “Lanitra” inona moa no nasian’i Jehovah firesahana tamin’izany? Ny habakabaka manodidina antsika ve? Ny any ambony tsy taka-maso any ve? Sa karazam-piainana hafa? Miresaka ny amin’ny ‘fonenan’ny fahamasinan’i Jehovah sy ny voninahiny’ i Isaia, ary ny mpanao salamo dia milazalaza io lanitra io ho “fonenan[’i Jehovah]”. Ilay “lanitra” voalaza ao amin’ny Isaia 66:1, araka izany, dia manondro ilay faritra ara-panahy tsy hita maso, izay itanan’i Jehovah ny toerana fara tampony, na ambony indrindra. — Isaia 63:15; Salamo 33:13, 14.
3. Ahoana no ahafahantsika mandresy ny fisalasalana?
3 Tsy maintsy mijery ny any an-danitra isika, noho izany, raha tena maniry hahatakatra sy hankasitraka ny atao hoe fandaminan’i Jehovah. Eo anefa no ipetrahan’ny olana, ho an’ny sasany. Tsy hita maso ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, koa ahoana no ahafantarantsika fa tena misy tokoa izy io? Mety hisy fotoana hampisalasala ny sasany aza, ka hanontaniany tena hoe: ‘Ahoana moa no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’izany?’ Ahoana tokoa no ahafahan’ny finoana mandresy ny fisalasalana? Ny fomba roa lehibe indrindra ahafahana manao izany, dia ny filofosana manao fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, mbamin’ny fandraisana anjara amin’izy ireny. Ho hitantsika amin’izay fa hampisinda ny fisalasalantsika ny fahazavan’ny fahamarinana. Nisy mpanompon’Andriamanitra hafa koa nanana fisalasalana. Andeha hodinihintsika ny amin’ilay mpanompon’i Elisa, fony notafihin’ny mpanjakan’i Syria ny Isiraely. — Ampitahao amin’ny Jaona 20:24-29; Jakoba 1:5-8.
Olona iray nahita ny tafiky ny lanitra
4, 5. a) Zava-manahirana inona no nananan’ilay mpanompon’i Elisa? b) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Elisa?
4 Nandefa andian-tafika lehibe tany Dotana ny mpanjakan’i Syria, nandritra ny alina, mba hisambotra an’i Elisa. Rehefa nifoha maraina ilay mpanompon’i Elisa ka nivoaka, angamba mba hahazoana rivotra madio teo amin’ny tafon’ilay trano marin-tampona, nisy azy ireo tany Moyen-Orient, dia akory ny hatairany! Tafika syriana iray manontolo, nitondra soavaly sy kalesy fitondra miady, no nanemitra ny tanàna, ka niandry teo mba hisambotra ilay mpaminanin’Andriamanitra. Niantsoantso an’i Elisa ilay mpanompo, ka nanao hoe: “Indrisy tompoko! Ahoana no ataontsika?” Miharihary fa sady tony no feno fiekena tanteraka i Elisa raha namaly hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Tsy maintsy nanontany tena ilay mpanompo hoe: ‘Aiza izany? Tsy hitako izany!’ Indraindray dia mety ho izany koa ny zava-manahirana antsika — tsy fahitana amin’ny mason’ny fahazoana hevi-javatra, na tsy fahatsinjovana, ireo tafiky ny lanitra. — 2 Mpanjaka 6:8-16; Efesiana 1:18.
5 Nivavaka i Elisa mba hahiratan’ny mason’ilay mpanompony. Inona no nitranga avy eo? “Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” (2 Mpanjaka 6:17). Eny, nahita ny tafiky ny lanitra izy, izany hoe, tafik’anjely izay niandry teo mba hiaro ilay mpanompon’Andriamanitra. Takany izao ny antony nahatonga an’i Elisa ho feno toky.
6. Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ny atao hoe fandaminan’i Jehovah any an-danitra?
6 Moa ve isika indraindray manan-java-manahirana eo amin’ny fahitana, toy ilay mpanompon’i Elisa? Moa ve isika mirona tsy hahita afa-tsy ny lafiny hita maso amin’ireo tarehin-javatra mandrahona antsika na mandrahona ny asa kristianina any amin’ny tany sasany? Raha izany no izy, moa ve isika afaka manantena ny hahazo fahitana manokana mba hahaizantsika hahataka-javatra eo amin’ny lafiny ara-panahy? Tsia, satria, isika dia manan-javatra izay tsy mba nananan’ilay mpanompon’i Elisa — boky iray manontolo mirakitra fahitana maro, dia ny Baiboly, izay afaka manome antsika fahaiza-mahatakatra ny atao hoe fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Manome foto-pitsipika mpitari-dalana koa io Teny ara-tsindrimandry io mba hanitsiana ny fisainantsika sy ny fomba fiainantsika. Tsy maintsy miezaka hikatsaka fahaiza-manavaka sy hamboly fankasitrahana ny fandaharana ataon’i Jehovah anefa isika. Ary azontsika atao izany, amin’ny alalan’ny fianarana manokana, omban’ny vavaka sy ny fisaintsainana. — Romana 12:12; Filipiana 4:6; 2 Timoty 3:15-17.
Fianarana hahatakatra hevi-javatra
7. a) Zava-manahirana inona no mety hananan’ny sasany, eo amin’ny fianarana manokana ny Baiboly? b) Nahoana no mendrika ny hanaovana ezaka ny fianarana manokana?
7 Ny fianarana manokana dia tsy voatery ho zavatra mahafinaritra ho an’ny olona maro, toy ireo tsy mba finaritra mihitsy tamin’ny fianarana tany an-tsekoly, na tsy mba nandia fianarana mihitsy. Raha irintsika anefa ny hahita sy hankasitraka ny fandaminan’i Jehovah amin’ny mason’ny fahazoantsika hevi-javatra, dia tsy maintsy mamboly faniriana hianatra isika. Ho afaka hankafy sakafo matsiro ve isika, raha tsy nisy fikarakarana natao? Rehefa mety ho lehiben’ny mpahandro na mpikarakara sakafo dia hilaza aminao fa asa be dia be no ilaina amin’ny fikarakarana sakafo fy. Na dia izany aza anefa, dia mety ho lany ao anatin’ny antsasak’adiny, na latsaka izany aza, izy io. Ireo soa entin’ny fianarana manokana kosa, etsy an-danin’izany, dia mety haharitra mandritra ny androm-piainana. Afaka ny hanjary ho zavatra iray ankafizintsika ny fianarana manokana, rehefa hitantsika ny fandrosoana vitantsika. Marina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly raha nilaza izy fa tokony hitandrina ny tenantsika sy ny fampianarantsika isika, ary tokony hilofo hatrany amin’ny famakian-teny ampahibemaso. Ilaina ny ezaka mitohy, kanefa dia haharitra mandrakizay ireo soa azo. — 1 Timoty 4:13-16.
8. Manoro hevitra ny hananana fihetsika manao ahoana ny Ohabolana?
8 Nilaza toy izao ny lehilahy hendry iray tamin’ny andro fahiny: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — Ohabolana 2:1-5.
9. a) Manao ahoana ny hasarobidin’ny volamena raha ampitahaina amin’ny “fahalalana an’Andriamanitra”? b) Fitaovana inona avy no ilaintsika hananana mba hahazoana fahalalana araka ny marina?
9 Takatrao ve hoe eo amin’iza no mipetraka ny andraikitra? Ny hoe ‘raha toa ianao ka’ no ambentinteny ao. Ary mariho ilay teny hoe: ‘Raha mikatsaka azy, toy ny fikatsaka harena afenina ianao.’ Eritrereto ny amin’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany izay, nandritra ny taonjato maro, dia nihady volafotsy sy volamena tany Afrika Atsimo, Bolivia, Meksika, sy tany an-tany hafa. Niasa mafy izy ireo, tamin’ny fampiasana lapika sy lapelina, mba hamongarana ny vato hahazoana ireo metaly sarobidy. Sarobidy loatra tamin’izy ireo ny volamena, hany ka tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray tany Kalifornia, any Etazonia, dia nihady tionelina nirefy 591 kilaometatra izy ireo, ka nahatratra iray kilaometatra sy sasany teo ho eo ny halaliny mijidina — mba hahitana volamena fotsiny. Azonao hanina anefa ve ny volamena? Azo sotroina ve? Hahatana ny ainao any an’efitra ve izy io raha matin’ny hanoanana sy ny hetaheta ianao? Tsia, eo amin’ny lafiny ara-bola fotsiny no maha sarobidy azy io ary miankina amin’izay itiavan’ny tsirairay azy koa ny hasarobidiny, ka tsy mitsaha-miova, araka ny hita taratra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na izany aza, dia efa nisy olona maty ho an’ny volamena. Manao ahoana kosa ny ezaka tokony hataontsika mba hahazoana volamena ara-panahy, dia “ny fahalalana an’Andriamanitra”? Eritrereto ange e: Fahalalana an’ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, sy ny fandaminany, ary ny fikasany! Afaka mampiasa lapika sy lapelina ara-panahy isika amin’io lafiny io. Izany dia ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, izay afaka manampy antsika hihady ao amin’ny Tenin’i Jehovah ka hahay hanavaka ny hevitr’izy io. — Joba 28:12-19.
Fihadiana mba hahatakarana hevi-dalina
10. Inona no hitan’i Daniela tamin’ny fahitana iray?
10 Andeha isika hihady eo amin’ny lafiny ara-panahy mba hanombohana hahazo ilay fahalalana momba ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Mba hahatakarana hevi-dalina fototra iray, dia andeha hojerentsika ny fahitana azon’i Daniela, mahakasika ny Fahagola eo ambonin’ny seza fiandrianany. Hoy no nosoratan’i Daniela: “Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.” (Daniela 7:9, 10). Iza moa ireo arivoarivo nanompo an’i Jehovah ireo? Ireo fakan-teny eny amin’ny sisim-pejy amin’ny New World Translation (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao), izay ampiasaina ho toy ny “lapika” sy “lapelina”, dia mitarika antsika ho amin’ny loharanon-kevitra toy ny Salamo 68:17 sy ny Hebreo 1:14. Eny, tsy iza akory ireo manompo ireo fa anjely any an-danitra!
11. Amin’ny ahoana no afaka manampy antsika hahatakatra ny tenin’i Elisa ny fahitana azon’i Daniela?
11 Tsy milaza ny fitantaran’i Daniela fa hitany avokoa ireo anjely mahatoky rehetra eo ambany fahefan’Andriamanitra. Mety ho mbola misy an-tapitrisany maro hafa. Azo antoka anefa fa takatsika izao ny antony nahafahan’i Elisa nilaza hoe: “Ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Na dia notohanan’ny demonia, anjely tsy nahatoky, aza, ny tafiky ny mpanjakan’i Syria, dia vitsy an’isa izy ireo raha oharina amin’ny tafik’i Jehovah any an-danitra! — Salamo 34:7; 91:11.
12. Ahoana no ahafahanao mahafanta-javatra misimisy kokoa momba ny anjely?
12 Angamba ianao ta hahafantatra misimisy kokoa momba ireo anjely ireo, toy ny anjara asany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ohatra. Rehefa zohina ny hevitr’ilay teny grika niavian’ny hoe anjely, dia hitantsika fa mpitondra hafatra izy ireo, satria midika koa hoe “mpitondra hafatra” ilay teny. Be lavitra noho izany anefa ny asan’izy ireo. Mba hahafantarana ny amin’izany anefa, dia tsy maintsy mihady ianao. Raha manana ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible ianao, dia azonao atao ny mianatra ilay lahatsoratra hoe “Ange” (Anjely), na, azonao atao ny mijery lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, mahakasika ny anjely. Ho gaga ianao hahita ny habetsahan’ny zavatra azonao ianarana momba ireny mpanompon’Andriamanitra any an-danitra ireny, ka hanjary hankasitraka ny fanohanan’izy ireny. (Apokalypsy 14:6, 7). Ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra anefa, dia natao noho ny zava-kendrena manokana ny zavaboary ara-panahy sasany.
Izay hitan’i Isaia
13, 14. Inona no hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana, ary nanao ahoana ny akon’izany teo aminy?
13 Andeha isika izao hihady ao amin’ny fahitana azon’i Isaia. Rehefa mamaky ny toko fahenina, andininy voalohany ka hatramin’ny fahafito, ianao, dia tokony ho talanjona. Nilaza i Isaia fa ‘nahita an’i Jehovah nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana’ izy ary “nisy serafima nitsangana teo amboniny”. Nanambara ny voninahitr’i Jehovah izy ireo, ka nanandratra ny fahamasinany. Tokony hisy akony eo aminao na dia ny famakiana fotsiny izany fitantarana izany aza. Nanao ahoana ny fihetsik’i Isaia? “Hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko.” Talanjona tokoa izy tamin’io fahitana io! Ary ianao?
14 Ahoana àry nahatantesan’i Isaia an’io fahitana be voninahitra io? Nohazavainy fa nisy serafima tonga namonjy azy ka nilaza hoe: “Afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.” (Isaia 6:7). Afaka natoky ny famindram-pon’Andriamanitra sy nihaino tsara ny tenin’i Jehovah i Isaia. Tsy ho tianao àry ve ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’ireny zavaboary ara-panahy ambony ireny? Inona àry no tsy maintsy ataonao? Mihady mba hahazoana fanazavana bebe kokoa. Ny fitaovana iray tokony hampiasaina dia ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower, amin’ny fizahana ireo loharanom-panazavana maro tondroiny.
Inona no hitan’i Ezekiela?
15. Inona no manondro fa azo ianteherana ilay fahitana azon’i Ezekiela?
15 Andeha isika hijery karazana zavaboary ara-panahy hafa iray. I Ezekiela dia nanana tombontsoa nahazo fahitana mampientanentana, fony izy mbola babo tany Babylona. Sokafy ao amin’ny Ezekiela toko voalohany, eo amin’ireo andininy telo voalohany, ny Baibolinao. Ahoana no iantombohan’ilay fitantarana? Moa ve izy milaza hoe: ‘Indray andro, hono, tany amin’ny toerana lavitra iray (...)’? Tsia, tsy angano lazaina fa nitranga tamin’ny fotoana iray tsy tena nisy izy io. Hoy ny ambaran’ny andininy voalohany: “Ary tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahatelo-polo, raha teo amin’ny babo teo amoron’ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho.” Inona no voamarikao momba io andininy io? Manome daty araka ny marina sy toerana voafaritra tsara izy io. Ireo tsipiriany ireo dia manondro ny taona fahadimy nahababo an’i Joiakina Mpanjaka, tamin’ny taona 613 al.f.i.
16. Inona no hitan’i Ezekiela?
16 Teo amin’i Ezekiela ny tanan’i Jehovah, ary nanomboka nahita fahitana nahatahotra izy, dia i Jehovah eo ambony seza fiandrianana, ao anaty kalesy makadiry iray any an-danitra, izay nanana kodiarana goavana feno maso. Ny tsipiriany mahaliana antsika eto dia ny fisian’ny zavaboary efatra, izay mijoro eo anilan’ny kodiarana iray avy ny tsirairay aminy. “Ny fijery azy dia hoatra ny endrik’olona. Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy. (...) Ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; ary tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra.” — Ezekiela 1:5, 6, 10.
17. Sary mampiseho inona ireo tarehy efatra ananan’ireo kerobima?
17 Inona ireo zavamananaina efatra ireo? I Ezekiela mihitsy no milaza amintsika fa kerobima izy ireo. (Ezekiela 10:1-3, 14). Nahoana izy ireo no manana tarehy efatra? Mba hampisehoana ireo toetra miavaka efatra ananan’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana. Ny tarehin’ny voromahery dia sary mampiseho fahendrena mahatsinjo lavitra. (Joba 39:27-29). Inona no asehon’ilay tarehin’omby? Matanjaka dia matanjaka tokoa ny tenda sy ny vozon’ny omby miady iray, ka, araka ny fantatra, dia vitany ny mampisidina ny soavaly iray mbamin’ny mpitaingina azy. Azo antoka fa sary mampiseho ny hery tsy manam-petra ananan’i Jehovah ilay omby. Ny liona dia ampiasaina ho sary mampiseho ny fanaovana ny rariny amin-kerim-po. Farany, ny tarehin’olona dia sary tena mety mba hampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra, satria ny olombelona irery ihany no hany zavaboary eto an-tany misaina rehefa mampiseho io toetra io. — Matio 22:37, 39; 1 Jaona 4:8.
18. Ahoana no ampitomboan’ny apostoly Jaona ny fahatakarantsika ny atao hoe fandaminana any an-danitra?
18 Eo koa ireo fahitana hafa izay afaka manampy antsika hahatakatra amin’ny fomba feno ilay tarehin-javatra. Anisan’izany ny fahitan’i Jaona, voatantara ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Toa an’i Ezekiela, dia nahita an’i Jehovah teo ambony seza fiandrianana be voninahitra iray izy, otronin’ny kerobima maro. Inona no ataon’ireo kerobima? Mamerina ilay fanambarana ataon’ny serafima, voalazan’ny Isaia toko fahenina, izy ireo, ka manao hoe: “Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.” (Apokalypsy 4:6-8). Nahita zanak’ondry iray teo anilan’ny seza fiandrianana koa i Jaona. Mety ho sary mampiseho an’iza izy io? I Jesosy Kristy, Zanak’ondrin’Andriamanitra. — Apokalypsy 5:13, 14.
19. Inona no takatrao momba ny fandaminan’i Jehovah, tamin’itỳ fianarana itỳ?
19 Inona àry no takatsika, tamin’ny alalan’ireo fahitana ireo? Izao: Mitana ny toerana ambony indrindra ao amin’ilay fandaminana any an-danitra i Jehovah Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany, miaraka amin’ny Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy, izay ny Teny, na Logos. Avy eo isika dia nahita tafik’anjely any an-danitra, ka anisan’izany ny serafima sy ny kerobima. Izy ireo dia anisan’ny fandaminana goavana iray tafaray, izay manatanteraka ny fikasan’i Jehovah. Ary iray amin’ireny fikasana ireny ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, amin’izao fotoan’ny farany izao. — Marka 13:10; Jaona 1:1-3; Apokalypsy 14:6, 7.
20. Inona ny fanontaniana hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Farany, dia eo ireo Vavolombelon’i Jehovah eto an-tany, izay mivory any amin’ny Efitrano Fanjakanany, mba hianatra ny fomba anaovana ny sitrapon’ilay Tompo Manam-piandrianana. Takatsika tokoa izao fa ny momba antsika dia be noho ny momba an’i Satana sy ny fahavalon’ny fahamarinana. Ny fanontaniana mbola mila hovaliana dia hoe: Inona no ifandraisan’ilay fandaminana any an-danitra sy ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana? Handinika izany, mbamin’ny raharaha hafa koa, ny lahatsoratra manaraka.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Mba hankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah, inona no tsy maintsy takatsika?
◻ Tarehin-javatra nanao ahoana no hitan’ilay mpanompon’i Elisa, ary ahoana no nampaherezan’ilay mpaminany azy?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny fianarana manokana?
◻ Ahoana no nanomezan’i Daniela sy i Isaia ary i Ezekiela tsipiriany momba ilay fandaminana any an-danitra?
[Sary, pejy 13]
Ny soa entin’ny fianarana manokana dia manan-tombo be lavitra noho ny an’ny sakafo niangaliana fatratra
[Sary, pejy 15]
Fahitana ireo tafiky ny lanitra no namalian’i Jehovah ny vavak’i Elisa