ADNA
(Adnà) [Fahafinaretana].
1. Manamboninahitra mahery fo tao amin’ny fokon’i Manase, izay nivadika tamin’i Saoly ka niaraka tamin’ny tafik’i Davida tany Ziklaga. Niara-niady tamin’i Davida izy rehefa nanenjika an’ireo Amalekita mpandroba, izay nandravarava ny tobin’i Davida tany Ziklaga. Lasa lehiben’ny tafik’i Davida izy.—1Ta 12:20, 21; 1Sa 30:1, 2, 17-19.
2. Jeneraly avy amin’ny fokon’i Joda, izay tao amin’ny tafik’i Josafata Mpanjaka. Miaramila matanjaka sy mahery fo 300 000 no teo ambany fiadidiany, niampy an’ireo 480 000 teo ambany fahefan’ny jeneraly Johanana sy Amasia, izay samy nanompo ny mpanjaka tao Jerosalema.—2Ta 17:13-16, 19.
3. Israelita taranaky ny fianakaviamben’i Pahata-moaba. Anisan’ireo nanaiky handroaka ny vadiny tsy Israelita izy, nandritra ilay asa fanadiovana nasain’i Ezra mpisorona natao.—Ezr 10:30, 44.
4. Mpisorona anisan’ny fianakaviamben’i Harima, tamin’ny andron’i Joiakima Mpisoronabe sy Nehemia ary Ezra mpisorona.—Ne 12:12-15, 26.