MPAHITA FAHITANA
Olona nahazo na nihambo ho nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra momba ny zava-miafina na ny hoavy. Ny teny hebreo hoe hôzeh, izay avy amin’ny hoe hazah (“mahita; fahitana”), no nadika hoe “mpahita fahitana.” Ilazana fahazoana fahitana ny hoe hazah sy ireo teny avy aminy.—No 24:4; Is 1:1; 21:2; 22:1; Ezk 13:7; Da 8:1; jereo MPAHITA.
Nisy sandoka ireo mpahita fahitana, ka notoherin’Andriamanitra. (Is 29:10; Mi 3:7) Nisy kosa nirahin’i Jehovah sy niteny tamin’ny anarany. (2Mp 17:13; 2Ta 33:18) Nantsoina hoe “mpahita fahitana” i Hemana, Ido, Hanany, Gada, Asafa, Jedotona, ary Amosa. (1Ta 25:5; 2Ta 12:15; 19:2; 29:25, 30; 35:15; Am 7:12) Nisy koa, toa an’i Gada sy Ido, nanoratra an’izay fahitana hitany na zavatra hafa. (1Ta 29:29; 2Ta 9:29; 33:19) Tsy ny mpaminanin’i Jehovah rehetra no mpahita fahitana. “Mpahita fahitana ho an’i Davida” sady “mpaminany” anefa i Gada, satria toa tao amin’ny fahitana indraindray no nanomezan’Andriamanitra azy toromarika na torohevitra ho an’i Davida Mpanjaka.—2Sa 24:11; 1Ta 21:9.