KENANIA
(Kenanìa) [mety hidika hoe Nataon’i Jehovah Mafy Orina].
1. Levita niara-belona tamin’i Davida Mpanjaka. Lehilahy mahay “i Kenania mpiadidy teo amin’ny Levita mpilanja ny Vata” masina. Tsara toerana àry izy mba hanoro an’ireo Levita hafa ny fomba tokony hitondrana ilay Vata.—1Ta 15:22, 25-27.
2. Kehatita anisan’ny fianakaviamben’i Jizara. I Kenania sy ireo zanany lahy no notendrena hisahana ny “andraikitra tany ivelan’ny tranon’Andriamanitra”, izany hoe nanao ny asan’ny mpitsara sy mpiadidy. Nisy 6000 ireo mpitsara sy mpiadidy ireo tamin’ny fotoana nanisan’i Davida ny Levita. (1Ta 26:29; 23:1-4, 12) Ny Kehatita no nitondra ny fitaovana tao amin’ny toerana masina tamin’ny andron’i Mosesy, ka mety ho izy ihany ilay Kenania No. 1.—No 4:4, 5, 15.