KOZEBA
(Kozèba) [mety hidika hoe Mpandainga].
Toerana tany Joda, nonenan’ny taranak’i Sela zanakalahin’i Joda. (1Ta 4:21, 22) Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i Kozeba ihany ilay Akziba (“Keziba” ao amin’ny Baiboly sasany) resahin’ny Genesisy 38:5 sy Josoa 15:44. Misy àry milaza azy io ho i Tell el-Beida (Horvat Lavnin), 5 km any andrefana atsimoandrefan’i Adolama. Toa anisan’ireo “mpanefy tanimanga” resahin’ny 1 Tantara 4:23 ny lehilahy tao Kozeba.—Jereo AKZIBA No. 1.