-
AbielaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Zanakalahin’i Zerora, ary taranak’i Bekorata sy taranak’i Afia, avy amin’ny fokon’i Benjamina. Rehefa ampitahaina ny 1 Tantara 8:29-33; 9:35-39 sy ny 1 Samoela 9:1, 2; 14:50, 51, dia toa i Abiela ihany ilay “Jeiela” ao amin’ny bokin’ny Tantara. Voalaza ao mantsy fa i Jeiela dia rain’i Nera. Io Nera io no lasa rain’i Kisy, rain’i Saoly. Resahin’ny 1 Samoela 14:50, 51 koa anefa hoe i Abiela (Jeiela) no rain’i Nera. Lazain’ny bokin’ny Tantara fa nanan-janakalahy sivy i Jeiela (Abiela), ka anisan’izany i Kisy. Dadatoan’ilay zanak’i Nera izay nantsoina koa hoe Kisy àry io Kisy zanak’i Abiela io.
Raha olona iray ihany i Abiela sy Jeiela, dia tokony ho toy izao ny tetirazany:
Rehefa milaza àry ny 1 Samoela 9:1 fa “zanak’i Abiela” i Kisy (ilay rain’i Saoly), dia toa zafikelin’i Abiela no tiany holazaina. Fahita matetika ao amin’ny Baiboly ny toy izany, rehefa misy taranaka iray na maromaro iniana esorina ao amin’ny tetirazana. (Lazain’ny 1 Samoela 10:21, ohatra, fa anisan’ny “fianakavian’ny Matrita” i Kisy sy Saoly. Tsy hita intsony anefa ny anarana hoe Matrỳ, na ao amin’ireo andinin-teny dinihintsika ato, na any amin’ny andinin-teny hafa.)
Hentitra tsara ny filazan’ny 1 Tantara (8:33; 9:39) hoe i Nera no tena ray niteraka an’ilay Kisy rain’i Saoly, ary io no mazava kokoa amin’ireo fitantarana roa ireo.—Jereo KISY No. 2 sy 3.
-
-
BalaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
[6, 7: Tompo].
-
-
IsbosetaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ISBOSETA
(Isbòsèta) [midika hoe “Lehilahin’ny Henatra”].
Faralahin’i Saoly Mpanjaka sady mpandimby azy, ary antsoina koa hoe Esbala (“Lehilahin’i Bala”) ao amin’ny tetirazana. (1Ta 8:33; 9:39) Ny 2 Samoela 2:10 kosa manao hoe Isboseta, satria novana ho “boseta” ilay hoe “bala.” Nadika hoe “zava-mahamenatra” (TV) na “mampahamenatra” (Prot.) ny hoe bôshet (heb.) ao amin’ny Jeremia 3:24. Miara-miseho ao amin’ny andininy roa hafa ny hoe baʽal sy bôshet ary mitovy ihany ny heviny, ka manazava ny dikan’ny iray ny iray. (Je 11:13; Ho 9:10) Nosoloana hoe “boseta”, na endriny hafa aminy, koa ny hoe “bala” amin’ny anarana sasany. Novana hoe “Jerobeseta”, ohatra, ny hoe “Jerobala” (2Sa 11:21; Mpts 6:32), ary “Mefiboseta” ny hoe “Meri-bala”, izay anaran’ny zana-drahalahin’i Isboseta.—2Sa 4:4; 1Ta 8:34; 9:40.
Tsy tena fantatra ny antony nisian’ny anarana roa toy izany, na ny nanovana ilay anarana. Mety ho nomena anarana faharoa ny olona iray, hoy ny manam-pahaizana sasany, rehefa lasa i Bala irery ihany, izay andriamanitry ny fahavokarana nivavahan’ny Kananita, no nantsoina tamin’ny anarana iombonana hoe “bala” (tompo). Misy hoe Bala-perazima (“Tompon’ny Famakiana Laharana”) koa anefa ao amin’ilay Samoela Faharoa miresaka an’i Isboseta. Io no niantsoan’i Davida Mpanjaka ny toerana nitrangan’ny ady iray, ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah Tompo, satria hoy izy: ‘I Jehovah efa namaky ny laharan’ny fahavaloko.’ (2Sa 5:20) Ny hafa indray milaza fa ny hoe Isboseta dia mety ho fambara fa hahamenatra ny fomba hahafatesany, ary ho ratsy fiafara ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Saoly.
-