LALA-MITAFO
Tsy ampiasaina amin’ny resaka tranon’olona ny hoe lala-mitafo (ʼehlam na ʼolam) ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy hay raha nisy lala-mitafo ny tranon’ny Israelita na tsia. Ny fantatra dia hoe nisy tokotany anatiny ny trano sasany efa rava hitan’ny mpikaroka tao Megido, ary “efitra iray tao ambany rihana no natao lalantsara fidirana.” (Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly, Mey 1968, p. 46, 48) ʼEhlam no ilazan’ny Soratra Masina ny roa tamin’ireo tranom-panjakana naorin’i Solomona, sy ny tapany anoloana tamin’ny tempoliny, ary ny ampahany tamin’ny vavahady sy tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana.
Lala-mitafo Maro Andry. Anisan’ireo tranom-panjakana naorin’i Solomona teo akaikin’ny tempoly izy io, rehefa vitany ny tempoly. (1Mp 7:1, 6) Mety ho teo atsimon’ny tempoly izy io, angamba teo anelanelan’ny Trano Alan’i Libanona sy ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, matoa resahina aorian’ilay trano nefa alohan’ilay lala-mitafo. Nandalo tao amin’ny Trano Alan’i Libanona na nanodidina azy io àry aloha ny olona niditra avy tany atsimo, avy eo nandalo tao amin’ny Lala-mitafo Maro Andry, izay vao tonga tao amin’ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana.
Nirefy 50 hakiho (22,3 m) ny lavan’ilay lala-mitafo, ary 30 hakiho (13,4 m) ny sakany. Toa nisy andry vaventy nanao laharana maromaro izy io, araka ny anarany. Nisy lala-mitafo iray hafa nanana tafokely notohanan’ny andry maro koa teo anoloany. (1Mp 7:6) Mety ho nandalo teo amin’io lala-mitafo io àry aloha ny olona, vao niditra tao amin’ilay Lala-mitafo Maro Andry izay nitohy tamin’izy io. Tsy fantatra ny refin’izy io, satria toa ny refin’ilay Lala-mitafo Maro Andry ihany no resahin’ilay andininy.
Mety ho fidirana lehibe nankao amin’ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana ilay Lala-mitafo Maro Andry, izay toerana nandinihan’ny mpanjaka ny raharaham-panjakana mahazatra sy nandraisany olona sasany.
Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana. Naorin’i Solomona koa izy io rehefa vita ny tempoly. (1Mp 7:1, 7) Toa io ihany ilay “lala-mitafo fitsarana” resahin’ilay andininy. Mety ho tao amin’izy io àry i Solomona no nametraka an’ilay seza fiandrianany noravahana ivoara sy volamena, sy nitsara.—1Mp 10:18-20.
“Nataony lala-mitafo fitsarana” izy io ary ‘norakofana hazo sedera, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ireo hazo mitondra ny tafo.’ (1Mp 7:7) Ny soratra nataon’ny Masoreta kosa manao hoe “hatreo amin’ny gorodona ka hatrany amin’ny gorodona.” Misy àry mihevitra fa hazo sedera daholo ny gorodon’ilay Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana sy ny an’ilay Lala-mitafo Maro Andry resahina eo aloha (and. 6). Ny Peshitta syriàka kosa manao hoe “hatreo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ny valindrihana”, ary ny Vulgate latinina hoe “hatreo amin’ny gorodona ka hatrany ambony.” Misy mpandika teny àry mihevitra fa nopetahana takela-kazo sedera nanomboka teo amin’ny gorodon’ilay lala-mitafo, ka hatreny amin’ny hazo mitondra ny tafo. (TV, Kat., DIEM) Midika izany fa toa rindrina fa tsy andry ny lafiny iray na maromaro tamin’ilay lala-mitafo, tsy hoatran’ny an’ny Trano Alan’i Libanona sy ny an’ny Lala-mitafo Maro Andry, na dia misy tsipiriany hafa tsy fantatsika aza.
Resahina avy hatrany aorian’ny Lala-mitafo Maro Andry ilay Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, ka mety ho ilay Lala-mitafo Maro Andry no fidirana lehibe nankao. Nandalo tao amin’io lala-mitafo io àry aloha ny olona niditra avy tany atsimo, vao tonga tao amin’ilay lala-mitafo fitsarana.
Tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Miresaka lala-mitafo maromaro ilay fahitana. Nisy lala-mitafo (nitodika niantsinanana), ohatra, nanoloana an’ilay tempoly, ka 20 hakiho (10,4 m) ny lavany, 11 hakiho (5,7 m) ny sakany, ary tsy voalaza ny haavony. (Ilay hakiho lava mirefy 51,8 sm eo ho eo no noraisina teto; jereo Ezk 40:5, f.a.p.) Nisy andry tao amin’ilay lala-mitafo sy teny an-tsisiny, ary nisy tafokely hazo. Teny akaikin’ny tampony angamba ilay tafokely. (Ezk 40:48, 49; 41:25, 26) Samy nisy lala-mitafo sy varavarankely mihatery tao amin’ireo vavahady ivelany telo be pitsiny (atsinanana sy atsimo ary avaratra). Toa niakatra tohatohatra nankao amin’ilay vavahady ny olona iray, nandeha teo anoloan’ireo efitra fiambenana (samy nisy telo ny andaniny roa), nandalo teo an-tokonana sy tao amin’ilay lala-mitafo, izay vao tafiditra tao amin’ny tokotany ivelany. (Ezk 40:6-17) Samy nisy lala-mitafo koa tao amin’ireo vavahady anatiny telo, angamba nanarakaraka ny tohatohatra fidirana tao. Nasiana latabatra efatra famonoana fanatitra dorana manontolo tao amin’ny lala-mitafon’ilay vavahady avaratra.—Ezk 40:35-42.