MPANGALATRA
Olona minia maka zavatr’olon-kafa nefa tsy niera; mpamitaka sy mpanambaka na mpaka zavatr’olona an-tsokosoko. Toy ny ankehitriny ihany ny fanaon’ny mpangalatra taloha. Nangalatra tamin’ny alina izy ireo matetika (Jb 24:14; Je 49:9; Mt 24:43; Lk 12:39; Jn 10:10; 1Te 5:2-5; 2Pe 3:10; Ap 3:3; 16:15) ary nianika varavarankely. (Jl 2:9) Ny mpandroba sy ny jiolahy kosa niafina ka nanafika an’ireo nandalo tamin’ny toerana mangina, izay tsy nisy azo niantsoana vonjy. Nampiasa herisetra izy ireny matetika, na nandrahona ny hamono an’ireo norobainy.—Mpts 9:25; Lk 10:30, 36; 2Ko 11:26.
Midika koa hoe tsy manome ho an’ny olona izay tokony ho azy, mamitaka mba hahazoana zavatr’olona, na maka ho an’ny tena izay tokony ho an’ny hafa ny teny tany am-boalohany nadika hoe “mandroba” na “mpandroba.” ‘Nandroba an’Andriamanitra’, ohatra, ny Jiosy tamin’ny andron’i Malakia, satria tsy nanome ny ampahafolon-karena tokony hanohanana ny fanompoana tao amin’ny tempoly. (Ml 3:8, 9) Mandroba ny rainy sy ny reniny koa ny olona tsy manome azy ireo izay tokony ho azy. (Oh 28:24) Niteny mafy an’ireo mpanakalo vola i Jesosy Kristy satria naka tombony be loatra angamba izy ireo, ka nataon’izy ireo “lava-bato fieren-jiolahy” ny tempoly.—Mt 21:12, 13.
Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Korintianina: “Nandroba ny fiangonana hafa aho rehefa nandray vatsy mba hanompoako anareo.” (2Ko 11:8) Tsy nampiasa fitaka akory i Paoly mba hahazoana vatsy. Toy ny hoe nandroba an’ireo fiangonana ireo anefa izy rehefa nampiasa ny vatsy nomen’izy ireo, tamin’izy niasa mafy ho an’ny Korintianina fa tsy ho azy ireo.
Indraindray koa mety hidika hoe maka an’izay tokony ho an’ny tena ny hoe mangalatra, fa ilay izy atao an-tsokosoko no tena misongadina. ‘Nangalarin’ny’ Israelita teo amin’ny tany malalak’i Beti-sana, ohatra, ny fatin’i Saoly. (2Sa 21:12) Tsy maty i Joasy kely satria ‘nangalarin’ny [anabavin-drainy] avy teo amin’ireo’ rahalahiny, izay novonoin’i Atalia ratsy fanahy.—2Mp 11:1, 2; 2Ta 22:11.
Melohin’Andriamanitra. Maka an’izay tsy an’ny tena nefa tsy nahazo alalana no dikan’ny hoe mangalatra, ao amin’ny andininy maro. Hoy ny lalàn’i Jehovah ho an’ny Israely: “Aza mangalatra.” (Ek 20:15; Le 19:11, 13; De 5:19; Mt 19:18) Nanome onitra avo roa na efatra na dimy heny mihitsy aza ny mpangalatra, arakaraka izay notakin’ny Lalàna. Raha tsy afaka nanao izany izy, dia namidy ho mpanompo ka rehefa voaonitra daholo izay nalainy vao nafahana izy. (Ek 22:1-12) Nila nanao fanatitra noho ny heloka koa ilay mpangalatra afa-baraka (Je 2:26), ka ny mpisorona no nandrakotra ny fahotany.—Le 6:2-7.
Tsy noraharahain’ny Israely anefa ireny lalàna ireny, ka navelan’i Jehovah hampijaly azy ireo ny mpandroba sy ny mpangalatra avy teo an-toerana sy avy tany ivelany. (De 28:29, 31; Ezk 7:22) Lasa fahita ny fanambakana, indrindra fa ny fampahoriana ny mahantra.—Is 1:23; 3:14; Je 7:9-11; 21:12; 22:3; Ezk 22:29; Mi 2:2.
Misy mangalatra noho ny fitiavan-karena sy ny toe-po ratsy, toa an’i Akana sy Jodasy Iskariota. Tsy dia ratsy be hoatran’izany kosa ny mangalatra noho ny hanoanana. (Js 7:11, 20, 21; Oh 6:30; Mt 15:19; Jn 12:4-6) Tsy tokony hangalatra mihitsy anefa izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Is 61:8; Ro 2:21) Didiana ho tia ny namany mantsy ny Kristianina, na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza. Tsy tokony hangalatra izy ireo satria “ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.” (Ro 13:9, 10; Mt 22:39; Jk 2:8) Tsy maintsy mibebaka sy mianatra miasa mafy mba hahafahany hamelon-tena izay mpangalatra te ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (1Ko 6:10; Ef 4:28; 1Pe 4:15) Hamela ny helony i Jehovah raha tena mibebaka izy.—Ezk 33:14-16.
Midika hoe “mamitaka” ny teny hebreo nadika hoe “mambabo ny fo [a.b.t.: mangalatra ny fo].”—Ge 31:20, 26; ampit. 2Sa 15:6.