-
AhaziaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Milaza ny 2 Tantara 22:7 fa “avy tamin’Andriamanitra” ny nahafatesan’i Ahazia. Nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra àry i Jeho, rehefa namono azy. Ninamana tamin’ny ankohonan’i Ahaba mantsy i Ahazia nefa nomelohin’Andriamanitra io ankohonana io. Antsoina koa hoe “Azaria” i Ahazia ao amin’ny 2 Tantara 22:6 (“Ahazia” anefa no hita ao amin’io andininy io ao amin’ny sora-tanana hebreo 15), ary antsoina hoe “Joahaza” izy ao amin’ny 2 Tantara 21:17; 25:23 (lasa tovona ny anaran’Andriamanitra eo fa tsy tovana).
-
-
VavahadyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vavahadin’i Efraima. Teo amin’ny Manda Lehibe no nisy ny Vavahadin’i Efraima, any amin’ny 400 hakiho (178 m) atsinanan’ny Vavahady An-jorony. (2Mp 14:13; 2Ta 25:23) Teo amin’io vavahady avaratra io ny lalan’izay te ho any amin’ny tanin’i Efraima. Misy mpikaroka milaza fa io ihany ilay Vavahady Afovoany. (Je 39:3) Ny hafa kosa milaza azy io ho ny Vavahady Voalohany. (Za 14:10) Misy mihevitra azy io ho ilay Genata na Vavahadin’ny Zaridaina, izay noresahin’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 146 [iv, 2]) Nisy tany malalaka teo akaikin’ny Vavahadin’i Efraima, ary teo ny olona no nanao trano rantsankazo nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 8:16) Tsy niresaka an’io vavahady io i Nehemia tamin’izy nitantara ny fanorenana indray ny manda satria tsy nila fanamboarana firy angamba izy io.
Vavahady An-jorony. Toa vavahady teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ny mandan’ny tanàna izy io, teo andrefan’ny Vavahadin’i Efraima. (2Mp 14:13; 2Ta 25:23) Teo atsinanan’ny Lohasahan’i Hinoma no nisy azy io, toa teo amin’ny manda andrefana amin’ny tanàna tranainy, teo amin’ny fihaonan’io manda io tamin’ny Manda Lehibe. Nanorina tilikambo teo akaikin’io vavahady io i Ozia. Tsy voalaza raha io ihany ilay Tilikambon’ny Lafaoro na tsia. (2Ta 26:9) Na i Jeremia na i Zakaria dia toa samy nilaza hoe teo amin’ny sisiny andrefan’ny tanàna no nisy ny Vavahady An-jorony.—Je 31:38; Za 14:10.
-