-
“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Aogositra
-
-
Nihaona tamin’i Asa i Azaria mpaminany, rehefa niverina avy niady izy. Sady nampahery an’i Asa izy no nampitandrina azy. Hoy izy: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo. Ary raha mitady azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa. ... Mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo.”—2 Tan. 15:1, 2, 7.
Manatanjaka ny finoantsika ireo teny ireo. Hita avy amin’ireo fa homba antsika foana i Jehovah, raha tsy mivadika isika. Hihaino antsika izy, rehefa mitalaho fanampiana isika. Nilaza koa i Azaria hoe “mahereza”, izany hoe manàna herim-po. Mitaky herim-po ny fanaovana ny marina matetika, nefa ho vitantsika izany noho ny fanampian’i Jehovah.
-
-
“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Aogositra
-
-
Tadidio koa anefa fa nampitandrina i Azaria hoe: ‘Raha mahafoy an’i Jehovah ianareo, dia hafoiny koa.’ Tsy tokony hahafoy an’i Jehovah mihitsy isika, satria ho loza ny vokany. (2 Pet. 2:20-22) Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe nahoana i Jehovah no nampitandrina an’i Asa. Lazainy kosa hoe tsy nanaraka an’ilay fampitandremana izy.
-