“Hevitra araka ny Baiboly mahaliana”: ireo fianarana azo tsoahina avy amin’izany
REHEFA niverina tany amin’ny taniny ireo Jiosy babo tany Babylona tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ireo izay nitarika azy dia “vory teo amin’i Ezra mpanora-dalàna (...) mba handinika ny tenin’ny lalàna”. Inona no vokany? Noho ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra vao azony, dia nitandrina andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo hafa dia hafa ny vahoaka ka tamin’izany dia “nisy fifaliana lehibe indrindra”. — Nehemia 8:13-18.
Araka ny asehon’io ohatra io tsara tokoa, ny olon’Andriamanitra dia afaka mandray soa lehibe amin’ny fitomboan’ny fahalalana ny Soratra Masina. Noho izany antony izany, ny fanontana amin’ny 15 aprily, amin’ny 15 may, sy amin’ny 15 jona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia hirakitra fizarana hitondra ny lohateny hoe “Hevitra araka ny Baiboly mahaliana”. Izany dia hahatonga ireo mpamaky hahazo ny hevitry ny teny ao amin’ny bokin’i Ezra sy Nehemia ary Estera ao amin’ny Baiboly.
Noho ireo lahatsoratra ireo, dia ho azontsika atao ny hiaina indray ireo fisehoan-javatra nahavariana niaraka tamin’ny fampiverenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema. Ho hitantsika koa fa narovan’Andriamanitra ny olony izay nianjadian’ny fanoherana. Tsy isalasalana fa amin’ny famakiana ireo boky ireo, araka ny atoron’ireo lahatsoratra hifampitohitohy hoe “Hevitra araka ny Baiboly mahaliana”, ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo izay miaraka aminy dia ho afaka handray soa lehibe kokoa amin’ny fandinihana ireo zavatra ireo ao anatin’ny faritry ny Sekolin’ny fanompoana teokratika isan-kerinandro. Afa-tsy izany koa, ireo rahalahy izay hampiseho ireo hevitra ireo, araka ny voalaza mialoha ao amin’ny fandaharan’ny Sekoly, dia ho afaka handray soa lehibe avy amin’ireo lahatsoratra ireo mba hamaliana fanontaniana araka ny Baiboly sy hanatsoahana fianarana mety hahasoa antsika. — Romana 15:4.
[Tabilao, pejy 7]
Mpanjaka persiana voatonona ao amin’ny bokin’i Ezra, Nehemia sy Estera:
Andro nanjakana Anarana tsy Anarana araka Teny nalaina
(al. fan. ir.) ara-pivavahana ny Baiboly avy ao amin’ny Baiboly
teo am. 550-529 Kyrosy Lehibe Kyrosy Ezra 1:1; 4:5
529-522 Kambizy II Ahasoerosy Ezra 4:6
522 (8 volana) Gaomata (Smerdisy) Artaksersesy Ezra 4:7-23
521-486 Dariosy I Dariosy Ezra 4:5, 24; 6:1-15
486-474 Kserksesy I Ahasoerosy Bokin’i Estera
474-423 Artakserksesy I Artaksersesy Ezra 6:14; 7:1-26
(Lavatanana) Nehemia 2:1-18