FETIN’NY TRANO RANTSANKAZO
Antsoina koa hoe Fetin’ny Tranolay, Fetin’ny Fanangonam-bokatra, na “fety ho an’i Jehovah.” (Le 23:39) Ao amin’ny Levitikosy 23:34-43 sy Nomery 29:12-38 ary Deoteronomia 16:13-15 ny toromarika momba an’io fety io. Nankalazaina ny 15-21 Etanima izy io, ary nisy fivoriambe nanetriketrika ny 22 Etanima. Taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, dia lasa volana fahafito tamin’ny taona ara-pivavahana ny Etanima (Tisry; Septambra-Oktobra), izay volana jiosy voalohany. Ny Abiba (Nisana; Martsa-Aprily) izay volana fahafito teo aloha mantsy no natao volana voalohany. (Ek 12:2) Fankalazana ny fanangonana “ny vokatry ny tany”, toy ny varimbazaha sy menaka ary divay, ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. (Le 23:39) Nantsoina koa izy io hoe “fetin’ny fanangonam-bokatra atao amin’ny faramparan’ny taona.” Ilay fivoriambe masina natao tamin’ny andro fahavalo no namarana an’ireo fety fanao isan-taona.—Ek 34:22; Le 23:34-38.
Namarana ny asa fambolena tao anatin’ny taona ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Nifaly sy nisaotra an’i Jehovah àry ny Israelita noho ny nitahiany ny volin’izy ireo. Nahatsiaro ho nihavana taminy koa izy ireo, satria dimy andro talohan’izay no nankalazaina ny Andro Fandrakofam-pahotana. Ny lehilahy ihany no tsy maintsy nanatrika an’ilay fety, nefa fianakaviana manontolo no tonga. Nipetraka fito andro tao anaty trano rantsankazo (heb.: sokkôht) izy ireo, ka fianakaviana iray no tao amin’ny trano iray. (Ek 34:23; Le 23:42) Natsangana tao an-tokotanin’olona ireny trano ireny, teny an-tampon-trano, tao an-tokotanin’ny tempoly, teny amin’ny tany malalaka, ary teny an-dalana (tsy mihoatra ny lalana indray sabata [900 m-1 km teo ho eo] niala ny tanàna). “Voan’ny hazo tsara tarehy”, ravim-palmie, ary sampan’ny hazo maro rantsana sy hazo aravaha no nanaovana azy ireny. (Le 23:40) Rantsankazo avy tamin’ny hazo oliva sy hazo mitera-menaka, mirta mamerovero, palmie, ary hazo hafa be sampany, nalaina teny amin’ny havoana sy lohasaha kosa no nampiasaina tamin’ny andron’i Ezra. Nitovy àry ny mahantra sy ny manankarena nandritra ilay fety naharitra fito andro, satria samy nipetraka sy nisakafo tao anaty trano vita tamin’ireo rantsankazo ireo izy ireo.—Ne 8:14-16.
Efa tonga tao Jerosalema ny ankamaroan’ny olona na izy rehetra mihitsy ny 14 Etanima, iray andro talohan’ilay fety. Andro fiomanana mantsy izy io, ka rehefa nifanindry tamin’ny Sabata ihany vao natao aloha kokoa ny fiomanana. Somebiseby ny olona nanangana trano rantsankazo, nidio ary nikarakara ny fanatitra nentiny. Faly izy ireo nifanerasera. Hafakely i Jerosalema sy ny manodidina tamin’io fotoana io, sady nahafinaritra erỳ ny nitazana an’ireo trano rantsankazo eran’ilay tanàna, teny an-dalana, ary teo amin’ireo zaridaina nanodidina. Hita hoe fety ny andro! Tsara tarehy koa ny lokon’ireo voankazo sy ravina, ary namerovero ny mirta. Tsindrian-daona ny rehetra niandry an’ilay feona trompetra notsofina avy teny amin’ilay havoana nisy ny tempoly, ny takarivan’iny. Izany no nampahafantatra hoe nanomboka ny fety.
Be kokoa noho ny tamin’ireo fety hafa ny fanatitra natao nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Nanolotra vantotr’ombilahy 70 ilay firenena: 13 no natolony ny andro voalohany ary nahena iray isan’andro izany. Nanome zanak’ondry sy ondrilahy sy osilahy 119 ary varimbazaha sy divay koa izy ireo. Nanao fanatitra koa ny tsirairay nandritra ny herinandro, ary an’arivony izy ireny. (No 29:12-34, 39) Tsy nisy asa mafy azo natao ny andro fahavalo, ary natao fanatitra dorana ny vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy, nampiarahina tamin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro, ary fanatitra noho ny ota ny osilahy iray.—No 29:35-38.
Novakina tamin’ny vahoaka nandritra ilay fety ny Lalàna, isaky ny taona sabata. (De 31:10-13) Toa taorian’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo no nanomboka nanompo tao amin’ny tempoly ny fizarana voalohany tamin’ireo antoko-mpisorona 24 notsinjarain’i Davida. Notokanana nandritra ilay fety tamin’ny 1026 T.K. mantsy ny tempolin’i Solomona.—1Mp 6:37, 38; 1Ta 24:1-18; 2Ta 5:3; 7:7-10.
Fifaliana sy fisaorana no tena nampiavaka ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Tian’i Jehovah hifaly aminy ny vahoakany. Dia ‘nifaly teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny’ izy ireo. (Le 23:40) Velom-pisaorana ny vahoaka satria voangona ny varimbazaha sy ny menaka ary ny divay izay mahatonga ny fiainana hahafinaritra. Afaka nisaintsaina izy ireo nandritra ilay fety hoe tsy noho ny herin’izy ireo, fa noho ny fikarakaran’i Jehovah Andriamaniny no nahatonga azy ireo hanan-karena sy hanan-javatra tsara maro. Nila nieritreritra tsara momba izany izy ireo, sao ‘hiavonavona ny fony’, hoy i Mosesy, ‘ka hohadinoiny i Jehovah Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.’ Hoy koa izy: “Tsarovy i Jehovah Andriamanitrao, satria izy no manome anao hery hahazoanao harena, mba hanatanterahany ilay fifanekena nianianany tamin’ny razanao, toy ny amin’izao andro izao.”—De 8:14, 18.
Nasaina nipetraka herinandro tao anaty trano rantsankazo ny Israely, “mba hahafantaran’ny taranakareo”, hoy i Jehovah, “fa tao anaty trano rantsankazo ny zanak’Israely no nasaiko nipetraka, fony aho nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Le 23:42, 43) Faly sy velom-pisaorana izy ireo fa nikarakara sy nanome fialofana azy ireo i Jehovah tany an-tany efitra. ‘Fa izy no nampandeha azy ireo namakivaky ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay onenan’ny bibilava misy poizina sy ny maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano ho azy ireo avy tamin’ny harambato, ary nanome azy ireo mana ho sakafo tany an-tany efitra—mana izay tsy fantatry ny razan’izy ireo.’ (De 8:15, 16) Ravoravo àry izy ireo satria nikarakara azy sy nalala-tanana taminy foana Andriamanitra.
Fombafomba tatỳ aoriana. Anisan’ny fombafomba tsy resahin’ny Soratra Hebreo, nefa resahina an-kolaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (Jn 7:37, 38), ny fakana rano tany amin’ny Dobon’i Siloama sy ny fandrarahana azy io niaraka tamin’ny divay teo ambony alitara, rehefa natolotra ny fanatitra maraina. Nisy nanao an’izany foana nandritra ireo fito andro naharetan’ilay fety, afa-tsy tamin’ny andro fahavalo, hoy ny manam-pahaizana maro. Nisy mpisorona nitondra zinga volamena naka rano tany amin’ny Dobon’i Siloama (afa-tsy tamin’ny andro Sabata nanombohan’ilay fety. Rano tao amin’ny fitaovana volamenan’ny tempoly no nalaina tamin’izay, dia rano efa nalaina ny omalin’iny tany Siloama). Nokendreny izay hahatongavana tao amin’ny tempoly, taloha kelin’ny nametrahan’ny mpisorona fanatitra teo ambony alitara. Notsofina intelo ny trompetran’ny mpisorona raha vao niditra tamin’ny Vavahadin-dranon’ny tempoly ho ao amin’ny Tokotanin’ny Mpisorona ilay naka rano. Nararaka tao anaty koveta ilay rano izay nikoriana nankeo am-pototry ny alitara, ary natao toy izany koa ny divay. Sady nohiraina ny Hallel (Salamo 113-118) izay nampiarahina tamin’ny mozikan’ny tempoly, no nisy mpivavaka nanofahofa sampana palmie nanandrify ny alitara. Tsaroan’izy ireo angamba tamin’izay ireo olona falifaly noresahin’i Isaia hoe: “Amim-pifaliana no hanovozanareo rano ao amin’ny loharanon’ny famonjena.”—Is 12:3.
Nilahatra nandeha nanodidina ny alitara koa ireo mpisorona isan’andro, nandritra ireo fito andro, sady nihira hoe: “Jehovah ô, mba vonjeo re e! Jehovah ô, tahio re mba hahomby izay ataonay e!” (Sl 118:25) Nanodidina azy io impito izy ireo ny andro fahafito.
Milaza ireo raby fa nisy fombafomba hafa koa nampiavaka an’ilay fety tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, ankoatra an’ilay fakana rano tao Siloama. Nanomboka ny 16 Tisry (andro faharoa) izy io, raha vao nifarana ny 15 Tisry, andro voalohan’ilay fety, ary nitohy nandritra ny dimy alina nifanesy. Natao tao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy ny fiomanana. Nisy fitoeran-jiro lehibe volamena efatra tao, samy nisy vilia baolina volamena efatra avy. Niakatra tohatra ny tanora efatra taranaka mpisorona izay nitondra zinga be, ary nofenoiny menaka ireo vilia baolina 16. Izay akanjon’ny mpisorona efa tonta no natao lahin-jiro. Nazava be ireo jiro ireo, hoy ny mpanoratra jiosy, ka tazana avy lavitra sady nanazava ny tokotanin’ireo trano tao Jerosalema. Nandihy sady nihazona fanilo nirehitra ny lehilahy sy anti-panahy sasany, ary nanao hira fiderana nampiarahina tamin’ny mozika.
Mahaliana fa nanao fety (tamin’ny volana fahavalo, fa tsy fahafito) nitovitovy tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo i Jeroboama, mpanjakan’ireo foko folo tany avaratra, rehefa nisaraka tamin’i Rehoboama zanak’i Solomona, mba tsy hankanesan’ireo foko ireo any Jerosalema angamba. Natolotra ho an’ireo zanak’omby volamena nataony (zavatra efa noraran’i Jehovah) anefa ny fanatitra natao tamin’izany.—1Mp 12:31-33.
Nisy heviny an’ohatra ilay fakana rano tao Siloama tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Izany angamba no tian’i Jesosy horesahina, rehefa nitsangana izy “tamin’ilay andro farany, izay andro lehibe tamin’ilay fety ... ka niteny mafy hoe: ‘Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona ahy ka hisotro. Izay mino ahy, dia “hisy rano velona hikoriana avy ao anatiny ao”, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.’” (Jn 7:37, 38) Nohazavain’ireo jiro sy fanilo tao amin’ny faritry ny tempoly koa i Jerosalema nandritra ilay fety, ka mety ho izay no tao an-tsainy tamin’izy nilaza tamin’ny Jiosy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao. Izay manaraka ahy, tsy mba handeha ao amin’ny maizina mihitsy, fa hanana ny fahazavana manome fiainana.” (Jn 8:12) Mety ho nampifandraisiny tamin’ilay fety sy ireo jiro koa i Siloama rehefa nifanena tamin’ny lehilahy teraka jamba izy, taoriana kelin’izay. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”, ary avy eo izy nandrora tamin’ny tany sy nanao feta tanimanga tamin’ny rorany. Napetany teo amin’ny mason’ilay lehilahy izany, ka hoy izy: “Mandehana misasa any amin’ny dobon’i Siloama.”—Jn 9:1-7.
Nanofahofa sampana palmie ny olona nandritra ilay fety. Nanofahofa sampana palmie koa ny vahoaka tamin’i Jesosy niditra tao Jerosalema taloha kelin’ny nahafatesany, na dia tsy Fetin’ny Trano Rantsankazo aza tamin’izay, fa talohan’ny Paska. (Jn 12:12, 13) Hoy ny apostoly Jaona rehefa avy nahita tao amin’ny fahitana an’ireo mpanompon’Andriamanitra 144 000 nasiana tombo-kase teo amin’ny handriny: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’”—Ap 7:1-10.
Mety tsara àry raha ny Fetin’ny Trano Rantsankazo no namaranana ny asa fambolena tao anatin’ny taona sy ireo fety fanao isan-taona. Falifaly ny rehetra fa notahin’i Jehovah be dia be sy nahazo hery ary mbola velon’aina.