Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Nehemia 1:1 ka hatramin’ny 13:31
Fandresen’ny fanompoam-pivavahana marina
Mandresy ny fanompoam-pivavahana marina rehefa manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra ireo izay manaraka izany ka mametraka fitokisana tsy azo hozongozonina amin’i Jehovah. Izany no ventin-kevitra ao amin’ny bokin’i Nehemia izay mirakitra fitantarana velona ny amin’ny nanorenana indray ny mandan’i Jerosalema teo ambany fitarihan’i Nehemia be herim-po.
Mahafaoka vanim-potoana lehibe tokoa io boky io, dia vanim-potoana tokony hanombohan’ireo herinandron-taona 70 mitarika ho amin’ny fahatongavan’ny Mesia (Daniela 9:24-27). Tsy azo lavina fa i Nehemia no nanoratra azy, araka ny porofoin’ny andininy voalohany sy ny nanoratana ny fitantarana amin’ny persona voalohany. Manaraka ny an’i Ezra io boky io ary manohy ny tantara, tokony ho 12 taona taorian’ireo zava-niseho notantarain’i Ezra.
Rehefa mamaky an’io fitantarana io isika, dia hitantsika ny itarihan’i Jehovah ny fisehoan-javatra amin’ny fomba mahagaga mba hahatanterahan’ny fikasany. Voamaritsika koa fa manatanjaka sy mampahery ireo mpanompony mahatoky izy.
Ny tarehin-javatra tany Jerosalema
Mba vakio ny Nehemia 1:1 ka hatramin’ny 2:20. Nehemia, mpitondra kapoaky ny mpanjaka, dia nahare fa mbola rava foana ny mandan’i Jerosalema ary ‘nitondra fahoriana be’ ny vahoaka. Very hevitra aoka izany izy ka namboraka ny tao am-pony teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny fanaovana vavaka tamin-kafanam-po taminy. Voamariky ny mpanjaka ny alahelony, ary amin’ny farany i Nehemia dia ho afaka ho any Jerosalema mba hikarakara ny fanorenana indray ny mandan’ny tanàna.
◆ 1:1 — Taona inona no resahina eo?
Resahina ny amin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy (Lavatanana) (2:1). Matoa anefa ny volana Kisleo (novambra-desambra) apetraka alohan’ny an’ny Nisana (martsa-aprily) ao amin’io fitantarana io, dia satria ireo mpanjaka persiana toa nanisa ny taona tsirairay avy nanjakany nanomboka teo amin’ny fararano nankeo amin’ny fararano, izany hoe nanomboka tamin’ny tena datin’ny niakarany teo amin’ny seza fiandrianana. Ireo faminaniana araka ny Baiboly tanteraka mbamin’ny porofo tsara ara-tantara dia manondro ny taona 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana ho ny mifanitsy amin’ny volana Nisana tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy. Ny fitantaran’i Nehemia àry dia nanomboka tamin’ny fararanon’ny 456 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ary ny didy mibaiko ny hanorenana indray ny mandan’i Jerosalema dia navoaka tamin’ny lohataonan’ny 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
◆ 2:4 — Noho ny famoizam-po ve no nanaovan’i Nehemia io vavaka io?
Tsia, satria ny fahafoanan’i Jerosalema no antom-bavaka notononin’i Nehemia “andro aman-alina” hatramin’ny fotoana elaela (1:4, 6). Rehefa nanana fahafahana hilaza tamin’i Artaksersesy mpanjaka ny faniriany hanorina indray ny mandan’i Jerosalema izy, dia nivavaka indray, ka namerina tamin’izany izay efa nataony imbetsaka. Nanaiky ny fangatahany i Jehovah, ary tamin’izany no nanirahana an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’ny tanàna.
Fianarana ho antsika: Nitady ny fitarihan’i Jehovah i Nehemia. Rehefa manana fanapahan-kevitra lehibe tokony hatao isika, dia tokony ‘haharitra amin’ny fivavahana’ koa sy hanao zavatra mifanaraka amin’ireo torohevitr’i Jehovah. — Romana 12:12.
Naorina indray ny manda na dia nisy fiaraha-mioko aza
Vakio ny Nehemia 3:1 ka hatramin’ny 6:19. Raha mbola nanomboka ny fanorenana ny manda, dia naneso ny Jiosy ireo fahavalo. Taty aoriana izy ireny dia nandrahona ny hanafika azy. Tsy nihozongozona i Nehemia fa nananatra toy izao ireo mpiasa: “Ny Tompo [Jehovah, MN] lehibe sy mahatahotra no tsarovy.” Niambina nitondra lefona sy tsipìka ny antsasany ary ny hafa niasa sady nitam-piadiana teny an-tanany. Na dia tao aza izany fandrahonana izany sy ny fiaraha-mioko hafa koa aza, dia vitan’ny Jiosy tao anatin’ny 52 andro ny manda.
◆ 3:5 — Iza moa ireo olona “ambonimbony” ireo?
Izany dia ny Jiosy nitana toerana lehibe teo amin’ny mponina na vahiny taloha tany Tekoa, tanàna tany amin’ny 16 km any atsimon’i Jerosalema. Ireny “ambonimbony” ireny dia toa nirehareha loatra ka tsy afaka nanetry tena sy niasa teo ambany ziogan’ny mpiandraikitra voatendrin’i Nehemia. — Jereo Jeremia 27:11.
◆ 4:11 [4:17, MN]—Ahoana no niasan’izy ireo tamin’ny tanana iray monja?
Nila ny tanany roa ireo tambato mba hiasana. Tamin’ny valahany àry no nitondrany ny fiadiany (4:12 [4:18, MN]). Ireo mpitondra entana dia afaka nitondra fiadiana mora foana tamin’ny tanana iray sady nitatitra tany na korontam-bato teo an-tsorony na niloloha izany. — Genesisy 24:15, 45.
◆ 5:7 — Nahoana no ratsy ny nampanàna zavatra [naka zanabola be loatra, MN]?
Izany dia fandikana mazava dia mazava ny lalàn’i Jehovah (Levitikosy 25:36; Deoteronomia 23:20). Raha zanabola ‘ampahazatony’ no notakina isam-bolana, tamin’izay izany dia tafakatra ho 12 isan-jato isan-taona (5:11). Efa tao anatin’ny tarehin-javatra nampamoifo ny vahoaka noho ny tsy fahampian-kanina sy ny hetra mavesatra nalain’ny Persiana (5:3, 4). Nitaky zanabola be anefa ireo mpanan-karena tamin’ireo rahalahiny nahantra ary tsy naneho fitserana azy ireny mihitsy.
◆ 6:5 — Nahoana no resahina ny amin’ny “taratasy nivelatra”?
Ireo taratasy nisy zavatra tsy azo naely dia matetika natao tao anaty kitapokely voaisy tombo-kase tamim-pitandremana. Araka izany, rehefa nandefa “taratasy nivelatra” ho an’i Nehemia i Sanbala, dia azo inoana fa nikasa ny hanala baraka azy izy. Na koa, satria ny fiampangana voarakitra tao amin’ny “taratasy nivelatra” iray dia azon’olon-kafa novakina, dia nanantena angamba izy fa ho sosotra aoka izany i Nehemia ka handao an’i Jerosalema mba ho tonga hanamarin-tena noho izany fiampangana izany. Nety ho nieritreritra koa Sanbala fa hampanahy ny Jiosy io taratasy io, hany ka hampitsahatra ny asany izy ireo.
Fianarana ho antsika: Tsy tokony hihevitra isika fa mampietry ny manao asa mafy na ny mandà ny hanao izany tsy misy hafa amin’ireo “ambonimbony” tamin’ny Tekoita. Mety kosa ny handaniantsika hery tahaka ny nataon’ireo Tekoita hafa izay nanatontosa asa anjaran’olon-droa. — Nehemia 3:5, 27.
Fampiverenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina
Vakio Nehemia 7:1 ka hatramin’ny 10:39. Notanterahina ny asa rehetra noho izao antony izao ihany: hanorina indray ny fanompoam-pivavahana marina. Taorian’ny fanisana, dia nivory ny vahoaka mba hihaino ny famakiana ny Lalàna sy ireo fanazavana nomen’i Ezra sy ny Levita. ‘Nanjary nahira-tsaina’ ny rehetra ka nankalaza tamim-pifaliana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo. Nifady hanina ny vahoaka, niaiky ny fahotany ary nanao fandaharana mba hanonerana ny fahadisoany.
◆ 7:6 — Nahoana moa io fitanisana io no hafa noho ny an’i Ezra?
Araka ireo fitantarana roa, ny olona tafaverina avy tany Jerosalema, tsy isaina ny mpanompo sy ny mpihira, dia 42 360 tamin’ny fitambarany (Ezra 2:64, 65; Nehemia 7:66, 67). Voamarika anefa ny tsy fitoviana sasany eo amin’ny fizarazarana azy ireo isan-tokantrano. Azo inoana fa nanao lisitra tamin’ny fampiasana fomba tsy nitovy Ezra sy Nehemia. Ohatra, ny anankiray dia nety ho nanamarika ireo izay nisoratra anarana mba hiverina avy tany amin’ny fahababoana, fa ny faharoa kosa nety ho nanonona ireo tena nody tokoa. Ny mpisorona sasany, ary angamba olon-kafa koa, dia tsy afaka nanaporofo ny fiaviany (7:64). Izany dia mety ho antony nahatonga ny tontalin’ny voalaza tao amin’ireo lisitra tsy hifanitsy tamin’ny isa 42 360 voatonona ao ambony.
◆ 8:8 — Tamin’ny fomba ahoana no ‘nanazavana ny hevitry’ ny Lalàna?
Toa tsy vitan’ny hoe niresaka nazava sy nampiasa tsara fahaiza-mampisongadina amin’ny lahateny Ezra sy ireo nanampy azy, fa nohazavain’izy ireo koa ireo fotopoto-pitsipika nomen’ny Lalàna ka nasehony ny fampiharana izany mba hahafahan’ny vahoaka mahazo kokoa ny heviny. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana boky mifototra amin’ny Baiboly sy manao fivoriana izay mahatonga azy ireo ho afaka ‘hanazava ny hevitry’ ny Tenin’Andriamanitra koa.
◆ 9:1 — Nahoana moa ny Isiraelita no nitafy lamba fisaonana [kitapo, MN] sy nihosin-tany?
Rehefa mirakotra kitapo ny tena, izany hoe fitafiana miloko matroka vita tamin’ny volon’osy, dia mariky ny alahelo izany. Toy izany koa, raha mihosin-tany na lavenona ny loha na ny vatan’ny tena, dia nilaza izany fa ory mafy ny tena na nanetry tena (I Samoela 4:12; II Samoela 13:19). Nanao izany ny Jiosy mba hampisehoana fa nanenenany ny fahotany ary tsapany tamim-panetren-tena. Rehefa avy eo, dia nanao ‘asam-piaikena’ izy, “fanekena mafy”. (10:1 [9:38, MN]). Toy izany koa, tokony hiaiky sy hibebaka amim-panetren-tena noho ny fahotantsika isika raha tiantsika ny hiaro ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. — I Jaona 1:6-9.
◆ 10:35 [10:34, MN] — Moa ve ny Lalàna nandidy ny hanaovana fanatitra kitay hazo?
Tsia, nilaina ny kitay hazo be dia be mba hamelomana hatrany ny afo teo amin’ny alitara. Toa tsy ampy ny isan’ny Netinima, tsy Isiraelita nanompo tao amin’ny tempoly izay nanao ny asan’ny “mpikapa hazo” teo amin’ireo izay tafaverina avy any amin’ny fahababoana (Josoa 9:23, 27). Koa mba hiantohana ny famatsiana kitay hazo foana, dia natao ny filokana mba hahafantarana ireo fianakaviana hanome izany amin’ny fotoana voafetra.
Fianarana ho antsika: Nahatsapa “fifaliana avy amin’i Jehovah” ny Jiosy satria nanjary nahira-tsaina raha ny amin’ny Tenin’Andriamanitra ka nampihatra izany manokana ary nanaiky ny fitarihana teokratika (8:10). Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatsapa fa mba hitanana ny fifalian’izy ireo, dia ilainy ny mianatra manokana, manatrika tsy tapaka ireo fivoriana sy mandray anjara amin’ny fitoriana.
Fitokanana mahafaly
Vakio ny Nehemia 11:1 ka hatramin’ny 12:47. Mba hijanonan’i Jerosalema ho foiben’ny fanompoam-pivavahana marina, dia ilaina ny hisian’ny olona bebe kokoa ihany honina ao. Afa-tsy ireo nilatsaka an-tsitrapo, dia olona iray isaky ny folo tamin’ireo nonina tany ivelan’ny tanàna no nanaovana filokana mba handeha honina any. Nanaraka izany, dia nitokanana ny mandan’ny tanàna tamin’ny fanaovana filaharana nahafaly, ary natolotra ny fanatitra lehibe. Re hatrany lavitra be ny firavoravoan’ny vahoaka.
◆ 11:2 — Nahoana no ‘nisaorana’ ireo nilatsaka an-tsitrapo?
Hiteraka fandaniana sy fatiantoka sasany ny fandaozana ny fananana nolovan’ny tena mba hanorenam-ponenana any Jerosalema. Angamba nisetra loza isan-karazany koa ireo izay nonina tao amin’io tanàna io. Tao anatin’izany toe-javatra izany, ny Jiosy hafa dia nihevitra fa mendrika ny hoderaina ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary tsy isalasalana fa nivavaka mba hitahian’i Jehovah azy ireny.
◆ 12:27 — Oviana no nitokanana ny manda?
Vita ny manda tamin’ny faha-25 amin’ny volana Eloha, ny volana fahenina, tamin’ny 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ary nisy fivoriambe niavaka natao ny volana nanaraka (6:15; 8:2; 9:1). Azo inoana fa nitranga taorian’izany avy hatrany ny fitokanana ary nahaforona fara tampon’izany fisehoan-javatra nahafaly izany.
Fianarana ho antsika: Nampahery ny fitiavana hilatsaka an-tsitrapo sy ny fankasitrahana an’i Jehovah naseho tamin’ny alalan’ny hira sy ny mozika. Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolotra an-tsitrapo ny fanampiany mba hahasoa ny rehetra ary mihira amin’ny fo rehetra, fihirana fiderana an’Andriamanitra amin’ireo fivoriambe sy ny fotoana hafa.
Esorina ny fahalotoana
Vakio Nehemia 13:1-31. Rehefa niverina avy amin’ny diany nankany an-dapan’i Persia i Nehemia, dia velom-panahiana rehefa nahita izay nitranga nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy. Nanao fandaharana avy hatrany izy mba hanarenana ny tarehin-javatra.
◆ 13:3 — Iza izany “olona hafa firenena rehetra” izany?
Toa anisan’izany “olona hafa firenena rehetra” izany ny vahiny toy ny Moabita, ny Amonita sy ireo zanaky ny Isiraelita nanambady hafa firenena (13:1, 2). Hita izany amin’ny hoe fotoana fohy talohan’izay, dia samy noroahin’ny Jiosy na ireo vadiny hafa firenena na ny zanak’ireo (Ezra 10:44, MN). Kanefa naka vady hafa firenena indray izy ireo. Nilainy àry ny handroahana ireny vehivavy ireny sy ny zanany tsy ho ao anatin’ny fitambaran’olona nisy azy ireny, tsy ho ao amin’ilay tany mihitsy, ka nesorina tamin’izy ireny tamin’izany ny tombontsoa hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina niaraka tamin’ny vahoakany. — Nehemia 13:23-31.
Fianarana ho antsika: Ireo Jiosy latsaka indray tao anatin’ny fahotana dia fampitandremana ho antsika. Tokony ho malina foana isika mba hisakanana ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fandraisana kolikoly sy ny fivadiham-pinoana tsy hahazo vahana.
Ny bokin’i Nehemia dia manipika imbetsaka ny fotopoto-pitsipika ilazana fa “raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy”. (Salamo 127:1.) Ny fianarana tena lehibe ho antsika dia ny hoe hahita fahombiazana amin’izay rehetra ataontsika isika raha manana ny fitahian’i Jehovah ihany, dia fitahiana horaisintsika amin’ny fitanana ny fanompoam-pivavahana marina eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika.