NEHEMIA
(Nehemìa) [Mampionona i Jah].
1. Toa iray amin’ireo mpitarika niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona niaraka tamin’i Zerobabela.—Ezr 2:1, 2; Ne 7:7.
2. Zanakalahin’i Azboka, sady andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Beti-zora. Mety ho Jodianina i Nehemia satria tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda ny tanànan’i Beti-zora. (Js 15:21, 48, 58) Anisan’ny nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema izy tamin’ny 455 T.K.—Ne 3:16.
3. Zanakalahin’i Hakalia, sady rahalahin’i Hanany. Mpandroso zava-pisotron’ilay mpanjaka persianina atao hoe Artaksersesy (Lava Tanana) izy. Lasa governoran’ny Jiosy izy tatỳ aoriana, ary nanorina indray ny mandan’i Jerosalema. Izy no nanoratra ny bokin’i Nehemia ao amin’ny Baiboly.—Ne 1:1, 2, 11; 2:1; 5:14, 16.
Taona faha-20 nitondran’i Artaksersesy Mpanjaka tamin’izay, ary volana Kisleo (Novambra-Desambra). Tonga tany amin’i Nehemia tao an-dapan’i Sosana i Hanany rahalahiny sy ny lehilahy maromaro avy tany Joda. Nanontany azy ireo momba an’i Jerosalema àry i Nehemia. Nilaza izy ireo fa voa mafy ny Jiosy, ary mbola rava ny manda sy ny vavahadin’i Jerosalema. Nitomany i Nehemia. Nalahelo nandritra ny andro maro izy, ary tsy nitsahatra nifady hanina sy nivavaka. Nibaboka noho ny fahotan’ny Israely izy, ary niangavy an’i Jehovah, araka ny tenin’Andriamanitra tamin’i Mosesy. (De 30:1-4) Hoy i Nehemia: “Ataovy miantra ahy io lehilahy io [Artaksersesy].” Te hanorina ny mandan’i Jerosalema indray mantsy izy.—Ne 1.
Nivaly ny vavak’i Nehemia, tamin’ny volana Nisana (Martsa-Aprily). Tsikaritry ny mpanjaka mantsy fa maloka endrika i Nehemia, ka nanontaniany. Nolazain’i Nehemia azy fa tena nampalahelo ny zava-misy tany Jerosalema. Hoy ny mpanjaka: “Inona àry no tianao hatao?” Nivavaka avy hatrany i Nehemia, ary nangataka fahazoan-dalana hiverina tany Jerosalema sy hanorina azy io indray. Neken’ny mpanjaka ny fangatahany, ary nomena taratasy fahazoan-dalana i Nehemia mba ho afaka handalo ny faritra niadidian’ireo governora tany ampita andrefan’ny Reniranon’i Eofrata. Nomena taratasy koa izy mba hahazoany hazo hanaovana ilay fanorenana. Niainga ho any Jerosalema izy, ary nisy lehiben’ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly niaraka taminy.—Ne 2:1-9.
Naorina indray ny mandan’i Jerosalema. Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Nehemia tao Jerosalema, dia nifoha tamin’ny alina izy sy ny lehilahy vitsivitsy mba handinika an’ilay tanàna. Tsy nisy nahalala an’izany afa-tsy ireo lehilahy niaraka taminy ireo. Nandeha an-tongotra izy ireo, fa i Nehemia kosa nitaingina soavaly na ampondra. Feno sisan-javatra rava ny lalana ka sarotra naleha, nefa vitan’i Nehemia hatramin’ny farany ihany ny fizahana ny manda.—Ne 2:11-16.
Rehefa avy nizaha an’ilay tanàna i Nehemia, dia nolazainy tamin’ny Jiosy ny zavatra tiany hatao sy ny soa efa nataon’ny tanan’i Jehovah. Nampahery ny Jiosy izany, ka hoy izy ireo: “Andao àry isika hanorina ny manda.” Natomboka ilay fanorenana tamin’ny andro fahefatra tany ho any, tamin’ny volana Aba (Jolay-Aogositra), na dia naneso azy ireo aza i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita ary Gasema Arabo.—Ne 2:17-20; ampit. Ne 6:15.
Nandroso ny asa fanorenana. Mbola naneso sy nanaraby an’ireo Jiosy ireo anefa i Sanbala sy Tobia. Nivavaka foana i Nehemia noho izany, “ary niasa tamin’ny fony ny olona.” Rehefa vita hatreo amin’ny antsasaky ny haavony ilay manda, dia vao mainka nanohitra mafy i Sanbala sy Tobia ary ny mponina nanodidina, ka nitetika ny hiady tamin’i Jerosalema. Nitaraina imbetsaka tamin’i Nehemia momba izany ireo Jiosy nonina tany amin’ny tanàna tsy lavitra teo. Mbola niantehitra tamin’i Jehovah indray i Nehemia ary nivavaka. Nomeny fitaovam-piadiana ny mpiasa satria nanjaka ny tahotra. Nisy koa notendreny hiambina, ary nisy nasainy nandefa fanairana. Tsy niala akanjo mihitsy aza i Nehemia tamin’ny alina, angamba mba ho vonona hiady raha nisy fanairana tampoka.—Ne 4.
Betsaka ny zavatra nila fikarakarana maika. Vonona hihaino ny fitarainan’ny vahoaka foana anefa i Nehemia fa tsy hoe sahirana loatra. Reny fa noteren’ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana handoa zanabola ny olona, ka nomeny tsiny ireny mpampanjana-bola ireny. Nikarakara fivoriana lehibe koa izy, ka nabaribariny ilay zava-dratsy ary nasainy nahitsy.—Ne 5:1-13.
Mbola nataon’ny fahavalo izay hijanonan’ilay asa fanorenana. Inefatra izy ireo no nitaona an’i Nehemia tsy hanao an’ilay asa. Nilaza anefa i Nehemia fa asa lehibe no nataony ka tsy afaka niala teo izy. Nandefa taratasy iray tsy nihidy i Sanbala, taorian’izay, ka nanendrikendrika sy nanome fotoana an’i Nehemia mba hiara-midinika taminy. Hoy anefa i Nehemia: “Tsy nisy akory izany zavatra lazainao izany, fa noforoninao tao am-ponao fotsiny.” Nanandrana tetika hafa indray i Tobia sy Sanbala: Nanakarama Jiosy iray izy ireo mba hampitahorana an’i Nehemia ka hitarika azy hiafina tao amin’ny tempoly nefa tsy mety izany. Tsy natahotra mihitsy anefa i Nehemia, ka vita soa aman-tsara tamin’ny andro faha-25 tamin’ny volana Elola (Aogositra-Septambra) ilay manda, izany hoe 52 andro monja taorian’ny nanombohan’ilay fanorenana. Nandefa taratasy hampitahorana an’i Nehemia foana anefa i Tobia.—Ne 6.
Rehefa voaorina ny manda, dia nanendry an’ireo hanompo tao amin’ny tempoly i Nehemia. Nanendry lehilahy roa hifehy ny tanàna izy taorian’izay, ka i Hanany rahalahiny ny iray. Nanazava momba ny famohana sy ny fanidiana ary ny fiambenana ny vavahadin’ny tanàna izy.—Ne 7:1-3.
Fanoratana anarana arakaraka ny tetirazana. Vitsy ihany ny mponina tao Jerosalema tamin’izay. Izany angamba no antony nandrisihan’Andriamanitra an’i Nehemia hamory ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka mba hosoratana anarana arakaraka ny tetirazana ka hampitomboana ny isan’ny mponin’i Jerosalema. Azo inoana fa nandinika an’izany tetirazana izany i Nehemia ka tamin’izay no nahitany ny lisitr’ireo olona niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona.—Ne 7:4-7.
Narahina indray ny Lalàna. Nisy fivoriana natao teo amin’ny tany malalaka akaikin’ny Vavahadin-drano, ka azo inoana fa i Nehemia no nikarakara izany. Marina fa i Ezra mpisorona no nanazava ny Lalàna nefa nanampy azy koa i Nehemia. (Ne 8:1-12) Nankalazaina ny Fetin’ny Trano Rantsankazo naharitra valo andro taorian’izay. Roa andro tatỳ aoriana, dia nivory indray ny Israelita. Niaiky ny fahotany ny vahoakan’ny Israely tamin’io fivoriana io, ary natao an-tsoratra izany. Nanisy tombo-kase an’io fieken-keloka na “fianianana” io ny andriana sy ny Levita ary ny mpisorona. I Nehemia “Governora” no voalohany nanisy tombo-kase an’ilay izy. (Ne 8:13–10:1) Nifanaraka ny vahoaka fa tsy hanambady olona hafa firenena, hitandrina Sabata, ary tsy hanao an-tsirambina ny fanompoana tao amin’ny tempoly. Nanao antsapaka izy ireo, avy eo, mba hifidianana ny ampahafolon’ny olona honina tanteraka tao Jerosalema.—Ne 10:28–11:1.
Taorian’izay vao notokanana ilay manda. Nanendry antoko-mpihira roa mpanao hira fisaorana i Nehemia, ary koa filaharam-be nanaraka azy ireo nihodidina an’ilay manda, ka ny iray niankavanana fa ny iray kosa niankavia. Nihaona tao amin’ny tempoly izy ireo tamin’ny farany mba hanao sorona. Nisy lehilahy koa notendrena hiandraikitra ny fanomezana ho an’ny mpisorona sy ny Levita.—Ne 12:27-47.
Niala tao Jerosalema i Nehemia, 12 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny taona faha-32 nanjakan’i Artaksersesy. Rehefa niverina tao izy, dia tena nampalahelo ny zavatra hitany nataon’ny Jiosy: Nanao efitra fisakafoana ho an’i Tobia (ilay nanohitra mafy ny fanorenana nataon’i Nehemia teo aloha) teo an-tokotanin’ny tempoly i Eliasiba mpisoronabe. Tonga dia natsipin’i Nehemia tany ivelan’ny efitra fisakafoana daholo ny fanak’i Tobia, ary nasainy nodiovina ny efitra fisakafoana.
Nasain’i Nehemia nomena ny anjaran’ny Levita ary notandremana an-tsakany sy an-davany ny Sabata. Nofaiziny koa ireo nanambady vehivavy hafa firenena. Tsy hain’ny zanak’ireny akory na ny niteny jiosy aza. Hoy i Nehemia: “Dia nanome tsiny azy ireo aho, ka nanozona azy sy nikapoka ny lehilahy sasany ary nanongotra ny volony sady nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra, sy niteny hoe: ‘Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy na ho vadinareo.’”
“Nanome tsiny” an’ireo lehilahy ireo i Nehemia, izany hoe nananatra sy nibedy azy ireo, ka ny lalàn’Andriamanitra no nampiasainy tamin’izany. Naharihariny koa ny ratsy nataon’izy ireo. Lasa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ilay firenena noho ny nataon’ireo lehilahy ireo, nefa Andriamanitra aza tsara fanahy ka nampody azy ireo avy tany Babylona mba hamerina ny fivavahana marina tao Jerosalema. “Nanozona” azy ireo i Nehemia, izany hoe notononiny tamin’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra manameloka ny olona mpandika lalàna toa azy ireo. Azo inoana fa tsy “nikapoka” azy ireo nivantana i Nehemia, fa nanome baiko ny hikapohana azy ireo ho fampiharana didim-pitsarana. ‘Nanongotra ny volon’izy ireo’ (ampahany ihany) izy mba hampisehoana fa tezitra tamin’izy ireo, ary mba hanalana baraka azy ireo teo imasom-bahoaka. (Ampit. Ezr 9:3.) Noroahin’i Nehemia ny zafikelin’i Eliasiba Mpisoronabe noho izy nanambady ny zanakavavin’i Sanbala Horonita.—Ne 13:1-28.
Modely niavaka i Nehemia. Niavaka izy satria tsy nivadika sy nahafoy tena. Tsy tia tena izy, satria nafoiny ny asa ambony nananany (mpandroso zava-pisotron’i Artaksersesy) mba hanorina indray ny mandan’i Jerosalema. Maro be ny fahavalo, nefa vonona hanao vivery ny ainy i Nehemia mba hahasoa ny vahoakany sy hamerenana indray ny fivavahana marina. Nandray anjara tamin’ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema mihitsy izy, fa tsy hoe nanome toromarika fotsiny. Mailaka hanao zavatra izy, be herim-po, tsy saro-tahotra, malina foana, ary niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Nafana fo tamin’ny fivavahana marina izy, ary nahay tsara ny lalàn’Andriamanitra sady nankatò izany. Ny hanatanjaka ny finoan’ireo Israelita toa azy no nimasoany. Niharihary hoe lehilahy natahotra an’i Jehovah Andriamanitra izy. Nafana fo izy rehefa nandrisika ny olona hankatò ny lalàn’Andriamanitra. Tsy nanjakazaka tamin’ny hafa anefa izy tamin’izany mba hahazoany tombontsoa, fa niahy an’ireo nampijalina kosa. Tsy nihinana ny anjara hanina tokony ho an’ny governora mihitsy koa izy. Namelona olona maro kosa aza izy. (Ne 5:14-19) Rariny raha nivavaka toy izao i Nehemia: “Mba tsarovy aho, ry Andriamanitro ô, ka aoka hahazo sitraka aminao.”—Ne 13:31.