SOAVALY
[Heb.: sos; rekev (soavaly mpitarika kalesy); rekesh (soavaly mandeha tsiroaroa; soavaly haingam-pandeha); gr.: hippôs].
I Jehovah no namorona ny soavaly. Rehefa nananatra an’i Joba izy, dia nilaza fa ireto no mampiavaka ny soavaly: Matanjaka be, miefonefona, mampikatrokatroka ny kitrony amin’ny tany rehefa tsy mahandry, mientanentana rehefa ho any an’ady, ary tsy matahotra feona fitaovam-piadiana mifandona. (Jb 39:19-25) Efa ela ny olona no nampiasa soavaly, ary lamboridy sy karavasy no nibaikoany azy io.—Sl 32:9; Oh 26:3; Jk 3:3.
Nampiasaina tany an’ady. Nampiasa soavaly ny mpanjaka, andriana, manam-pahefana, na iraka nitondra hafatra maika. (2Sa 15:1; Mpto 10:7; Es 6:7, 8; 8:14; Je 17:25; 22:4) Tany an’ady anefa no tena nampiasana azy io fahiny.—Oh 21:31; Is 5:28; Je 4:13; 8:16; 46:4, 9.
Sahirana ny soavalin’ny miaramila rehefa eny amin’ny tendrombohitra mikitoantoana, tsy hoatran’ny eny amin’ny tany lemaka. (Am 6:12) Nolazain’ny mpanompon’i Beni-hadada àry hoe “Andriamanitry ny tendrombohitra” i Jehovah, fa tsy Andriamanitry ny tany lemaka, matoa resin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely ny tafik’i Syria. Nataon’i Jehovah nandresy teny amin’ny tany lemaka koa anefa ny Israelita.—1Mp 20:23-29.
Tena anisan’ny herin’ny tafika ny soavaly, ka na ny feon’ny soavaly sy kalesy maro fotsiny aza dia nampatahotra sy nampitsoaka miaramila nihevi-tena ho vitsy an’isa. (2Mp 7:6, 7) Natanjaka ny tafik’i Ejipta, Asyria, Babylonia, Media-Persa, ary ny an’ny firenen-kafa satria nanana soavaly maro. (Is 31:1, 3; Je 6:22, 23; 50:35, 37, 41, 42; 51:27, 28; Ezk 23:5, 6, 23; 26:7, 10, 11; Na 3:1, 2; Ha 1:6, 8) Betsaka ny sarina soavaly misy lamboridy, tady, ravaka eo amin’ny loha, lamban-dasely, ary haingo hafa, eo amin’ny tsangambato fahiny.
Ny Israelita vahoaka nofidin’Andriamanitra fahiny kosa tsy tokony hanahaka an’i Ejipta sy ny firenen-kafa, izay nihevitra fa tsy ho voaro sy tsy hahaleo tena izy ireo raha tsy manana soavaly sy kalesy. Tsy nahazo nampitombo ny isan’ny soavaliny koa ny mpanjakany. (De 17:15, 16) I Jehovah, fa tsy ny tafika na soavaly na kalesy, no tokony hilan’ny Israely vonjy, ary tsy tokony hatahorany mihitsy ny fitaovam-piadian’ny fahavalo.—De 20:1-4; Sl 20:7; 33:17; Ho 1:7.
Tadidin’i Davida mpanjakan’ny Israely fa noraran’i Jehovah ny fampitomboana ny isan’ny soavaly. Tsy naka soavaly maro ho an’ny tafiny àry izy rehefa resiny i Hadadezera mpanjakan’i Zoba, fa naka izay nilainy vitsivitsy monja. Ny sisa kosa nasainy notapahina ny hoza-tongony.—2Sa 8:3, 4; 1Ta 18:3, 4; ampit. Js 11:6, 9; jereo HOZA-TONGOTRA.
Tamin’ny andron’i Solomona ka hatramin’ny taorian’ny sesitany. Nanangona soavaly an’arivony anefa i Solomona zanak’i Davida nandimby azy. (1Mp 4:26 [heverina fa diso eo ny mpanao dika soratra, ka tokony hoe “efatra arivo” ilay hoe “efatra alina”]; ampit. 2Ta 9:25.) Nahazo soavaly avy tany Ejipta sy firenen-kafa (2Ta 9:28), ary avy tamin’izay te hihaino ny fahendreny i Solomona Mpanjaka. (1Mp 10:24, 25; 2Ta 9:23, 24) Natao tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy sy tao Jerosalema ireo soavaly. (1Mp 9:17-19; 10:26) Vary orza sy mololo nentin’ny lehibem-paritra mpamatsy sakafo ny tao an-dapa no sakafon’izy ireo.—1Mp 4:27, 28.
Ny mpandraharahan’ny mpanjaka no nividy soavaly sy kalesy ho an’i Solomona, ka farantsa volafotsy 150 (330 dolara, raha sekely ilay farantsa) ny soavaly iray, ary farantsa volafotsy 600 (1320 dolara eo ho eo, raha sekely) ny kalesy iray.—1Mp 10:28, 29; 2Ta 1:16, 17.
Nitondra soavaly tany an’ady ny mpanjakan’ny Joda sy Israely, tatỳ aoriana. (1Mp 22:4; 2Mp 3:7) Feno soavaly ny tanin’i Joda, hoy i Isaia mpaminany. (Is 2:1, 7) Nihavitsy ny soavaly tany Israely rehefa nisy hain-tany, mosary, faharesena (1Mp 17:1; 18:1, 2, 5; 2Mp 7:13, 14; 13:7; Am 4:10), nefa mbola niantehitra tamin’ireny ihany ny olona ary nitady ny fanampian’ny tafik’i Ejipta. (Is 30:16; 31:1, 3) Nisy aza soavaly natokan’ny mpanjakan’ny Joda mpanompo sampy ho an’ny masoandro, ary nampidiriny tao amin’ny toerana masin’ny tempolin’i Jehovah ireny. (2Mp 23:11) Nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Zedekia mpanjaka farany tao Joda, ary nampitady soavaly sy miaramila tany Ejipta. (2Ta 36:11, 13; Ezk 17:15) Natao sesitany àry ny Joda, araka ny faminaniana.—Ezk 17:16-21; Je 52:11-14.
Anisan’ny biby hitondrana ny vahoakan’Andriamanitra hiverina any Jerosalema ny soavaly. (Is 66:20) Nitondra soavaly 736 tokoa ireo Jiosy nody, rehefa tanteraka voalohany ny faminaniana momba ny fiverenan’izy ireo.—Ezr 2:1, 66; Ne 7:68.
Heviny an’ohatra. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka soavaly an’ohatra. Toy ny “soavaly maimay mitady vavy” ny zanak’i Jerosalema mpanitsakitsa-bady. (Je 5:7, 8) Nirongatra toy ny filan’ny vadikelin’ireo manana filahiana toy ny an’ny soavalilahy ny filan’i Jerosalema, izay nivaro-tena tamin’ny mpitondra firenena mpanompo sampy. (Ezk 23:20, 21) Ny mpivadi-pinoana mafy loha sy tsy mibebaka kosa hoatran’ny soavaly taitaitra miriotra ho any an’ady na inona na inona ho vokany.—Je 8:6.
Karakaraina sy ampihaingoina tsara ny soavalin’ny mpanjaka. Hokarakarain’i Jehovah tsara toy ny soavalin’ny mpandresy koa ny vahoakany nibebaka.—Za 10:3-6.
Ho “toy ny soavaly no fahitana” an’ireo valala hamely ny tanin’ireo mpivadi-pinoana mihambo ho vahoakan’i Jehovah, hoy i Joela mpaminany. (Jl 2:1-4) “Tahaka ny soavaly voaomana ho amin’ny ady” koa ny valala maro be manafika, ao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona.—Ap 9:7.
Hitan’i Jaona koa fa miaramila mpitaingin-tsoavaly roa alina ampitomboina iray alina (200 000 000) no nasaina hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Teo amin’ny loha sy rambon’ireo soavaly ny fahefany hamono ho faty. Toa nitarika an’ireo soavaly rehetra ireo ny anjely efatra novahana avy teo amin’ny Reniranon’i Eofrata.—Ap 9:14-19.
Ilazana ny fitaovam-piadian’ny tafik’i Jehovah any an-danitra ny soavaly afo sy kalesy afo. (2Mp 2:11, 12) Nohodidinin’ny miaramila syrianina nirahina hisambotra azy i Elisa, indray mandeha. Nivavaka àry izy mba hampahiratina ny mason’ilay mpanompony raiki-tahotra, ka hahita fa “feno soavaly sy kalesy afo ny faritra be tendrombohitra manodidina” azy ireo. Tonga mba hiaro an’ilay mpaminany ireny.—2Mp 6:17.
Nahita kalesy efatra tao amin’ny fahitana i Zakaria tatỳ aoriana: Notarihin’ny soavaly mena ny voalohany, notarihin’ny soavaly mainty ny faharoa, notarihin’ny soavaly fotsy ny fahatelo, ary notarihin’ny soavaly misy pentimpentina sy maramara ny fahefatra. Ireo kalesy ireo no “fanahy efatry ny lanitra.”—Za 6:1-8; jereo koa Za 1:8-11.
Naminany i Zakaria fa hanavotra ny vahoakany amin’izay hiady amin’i Jerosalema i Jehovah, ka handringana ny fahavalo sy ny soavalin’ireo. (Za 14:12-15; jereo koa Ezk 38 sy 39.) Anisan’ny fitahiana hoentin’izany ny hoe tsy hampiasaina any an’ady intsony ny soavaly, fa hanompoana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra kosa, araka ny voalaza hoe: “Hisy soratra hoe ‘An’i Jehovah ny fahamasinana!’ eo amin’ny lakolosy kelin’ny soavaly.” (Za 14:20; ampit. Ek 28:36, 37.) Hisy fiadanana indray no dikan’ny hoe hofoanana ny kalesin’ady sy soavaly.—Za 9:10.
Mitaingina soavaly fotsy i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ary arahin’ny tafiny manontolo mitaingina soavaly fotsy koa, ao amin’ny fahitan’i Jaona. Midika izany fa ho araka ny fahamarinana sy rariny ny ady hasain’i Jehovah Andriamanitra Ray hataon’i Kristy amin’ny fahavalony rehetra. (Ap 19:11, 14) Ilazana ny zavatra ataon’i Kristy lasa mpanjaka sy ny loza manaraka izany ireo mpitaingina soavaly samy hafa hitan’i Jaona talohan’izay.—Ap 6:2-8.