Jerosalema Iray Mifanaraka Amin’ny Anarany
“Miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho”. — ISAIA 65:18.
1. Ahoana no niheveran’i Ezra ilay tanàna voafidin’Andriamanitra?
MPIANATRA ny Tenin’Andriamanitra tamin-kafanam-po i Ezra mpisorona jiosy, ka nankamamy ilay fifandraisana nananan’i Jerosalema taloha tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah. (Deoteronomia 12:5; Ezra 7:27). Miharihary ny fitiavany ilay tanànan’Andriamanitra, ao amin’ilay ampahan’ny Baiboly nosoratany ara-tsindrimandry, dia ny Tantara Voalohany sy Faharoa ary ny Ezra. Miseho im-800 mahery ny anarana hoe Jerosalema ao amin’ny Baiboly manontolo, ary efa ho ny ampahefatr’izany no hita ao amin’ireo firaketana ara-tantara ireo.
2. Heviny ara-paminaniana inona no mety ho hitantsika ao amin’ny dikan’ny anarana hoe Jerosalema?
2 Amin’ny teny hebreo ampiasain’ny Baiboly, ny hoe “Jerosalema” dia azo raisina ho miseho amin’ilay endriky ny teny hebreo antsoina hoe miara-droa. Matetika tokoa ny miara-droa dia ampiasaina indrindra amin-javatra izay mandeha tsiroaroa, toy ny maso, ny sofina, ny tanana sy ny tongotra. Raha raisina amin’io endriny miara-droa io ilay anarana hoe Jerosalema, dia azo heverina ho faminaniana fiadanana ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny heviny roa sosona: eo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo. Tsy ahariharin’ny Soratra Masina raha nahatakatra tamin’ny fomba feno ny hevitr’izany i Ezra na tsia. Noho izy mpisorona anefa, dia nanao araka izay fara heriny izy mba hanampiana ireo Jiosy hihavana tamin’Andriamanitra. Ary azo antoka fa niasa mafy izy mba hahatonga an’i Jerosalema hifanaraka tamin’ny dikan’ny anarany hoe “Fananana [na, Fiorenan’ny] Fiadanana Roa Sosona”. — Ezra 7:6.
3. Firy taona no lasa vao nampahafantarina antsika indray izay nataon’i Ezra, ary tao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana no ahitantsika azy?
3 Tsy lazain’ny Baiboly hoe taiza i Ezra nandritra ireo 12 taona teo anelanelan’ny nitsidihany an’i Jerosalema sy ny nahatongavan’i Nehemia tao amin’ilay tanàna. Nampahonena ny toe-piainana ara-panahin’ilay firenena nandritra izany fotoana izany, ka toa milaza izany fa tsy teo i Ezra. Hitantsika indray anefa i Ezra, taoriana kelin’ny nanorenana indray ny mandan’i Jerosalema, nanompo indray tamin’ny naha mpisorona nahatoky, tao amin’io tanàna io.
Andro fivoriambe nahafinaritra
4. Inona no nahalehibe ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito teo amin’ny Isiraely?
4 Vita ara-potoana tsara ny mandan’i Jerosalema mba hahatratra ilay volana lehibe feno andro firavoravoana, dia ny Tisry, ilay volana fahafito amin’ny kalandrie ara-pivavahan’ny Isiraely. Ny andro voalohany tamin’ny volana Tisry dia fankalazana voaloham-bolana manokana nantsoina hoe Andro Firavoravoana Fitsofan-trompetra. Nitsoka trompetra ireo mpisorona tamin’io andro io, raha mbola natao ireo sorona ho an’i Jehovah. (Nomery 10:10; 29:1). Io andro io dia nanomana ireo Isiraelita ho amin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona ny 10 Tisry, mbamin’ilay Andro Firavoravoana amin’ny Fanangonana nanomboka ny faha-15 ka hatramin’ny faha-21-n’io volana io ihany.
5. a) Ahoana no nampiasan’i Ezra sy i Nehemia tsara ny “andro voalohany amin’ny volana fahafito”? b) Nahoana no nitomany ireo Isiraelita?
5 Nivory ‘ny olona rehetra’ ‘tamin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito’, ka azo inoana fa i Nehemia sy i Ezra no nampirisika azy ireo hanao izany. Tafiditra tamin’izany ny lehilahy sy ny vehivavy ary “izay rehetra efa mahahaino”. Araka izany, dia teo koa ireo ankizy madinika, sady nihaino tsara izy ireo fony i Ezra nitsangana teo ambonin’ny lampihazo ka namaky ny Lalàna “hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro”. (Nehemia 8:1-4). Teny anelanelany teny, ireo Levita dia nanampy ny olona mba hahazo ny hevitr’izay novakina. Nanosika ireo Isiraelita hitomany izany, rehefa takany fa lasa lavitra tokoa izy ireo sy ny razambeny teo amin’ny tsy fankatoavana ny Lalàn’Andriamanitra. — Nehemia 8:5-9.
6, 7. Inona no azon’ny Kristianina ianarana avy amin’izay nataon’i Nehemia mba hampanginana ireo Jiosy nitomany?
6 Tsy fotoana fitomaniana noho ny alahelo anefa tamin’izay. Andro firavoravoana ilay izy, ary vao avy nahavita ny asa fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema ny vahoaka. Noho izany, dia nanampy azy ireo i Nehemia mba hanana ny toe-tsaina mety, ka nilaza hoe: “Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo hianareo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” Nankato ny olona rehetra ka ‘nandeha hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy’. — Nehemia 8:10-12.
7 Afaka miana-javatra betsaka avy amin’io fitantarana io ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao. Tokony hitadidy izay voalaza etsy ambony ireo mahazo tombontsoa hanana anjara amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Ankoatra ny fanomezana torohevitra fanitsiana izay tena ilaina indraindray, ny fotoana toy izany dia manasongadina ny soa sy ny fitahiana entin’ny famenoana ireo fepetra takin’Andriamanitra. Misy teny fiderana atao noho ireo asa tsara dia tsara tontosa, ary misy fampaherezana omena mba hiaretana. Tokony ho ravoravo ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa miala avy ao amin’ireny fivoriana ireny, noho ny fampianarana nampahery noraisiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Hebreo 10:24, 25.
Fivoriana nahafaly hafa iray
8, 9. Fivoriana manokana inona no natao ny andro faharoan’ny volana fahafito, ka inona no vokany teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra?
8 Tamin’ny andro faharoa tamin’io volana manokana io, “dia vory teo amin’i Ezra mpanora-dalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin’ny lalàna”. (Nehemia 8:13). Tena ampy fahaizana mba hitarihana io fivoriana io i Ezra satria izy efa “nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika”. (Ezra 7:10). Tsy isalasalana fa io fivoriana io dia nampisongadina ireo lafin-javatra nilain’ny vahoakan’Andriamanitra harahina akaiky kokoa tamin’ny faneken’ny Lalàna. Nodinihina tamin’izay ny nilana hanaovana fiomanana araka ny tokony ho izy mba hankalazana ilay Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo izay nanatona.
9 Natao tamin’ny fomba mety io andro firavoravoana naharitra herinandro io, ka ny olona rehetra dia nipetraka vonjimaika tao anatin’ny fialofana vita tamin’ny rantsankazo sy ravinkazo avy amin’ny hazo maro samihafa. Natsangan’ny olona teny an-tampon-tranony, teny an-tokotaniny, tao amin’ny kianjan’ny tempoly sy teny amin’ny tany malalak’i Jerosalema ireny trano heva ireny. (Nehemia 8:15, 16). Fotoana tsara dia tsara azo nohararaotina tokoa izany mba hamoriana ny vahoaka sy hamakiana teny avy tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra! (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 31:10-13.) Natao isan’andro izany, “hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany” tamin’ilay andro firavoravoana, ka niteraka “fifaliana lehibe indrindra” teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. — Nehemia 8:17, 18.
Tsy tokony hataontsika tsirambina ny tranon’Andriamanitra
10. Nahoana no nisy fivoriana manokana nalamina tamin’ny faha-24-n’ny volana fahafito?
10 Misy fotoana sy toerana mahamety ny fanitsiana ireo fahadisoana lehibe eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Toa takatr’i Ezra sy i Nehemia fa tonga ny fotoana toy izany, ka nandamina andro iray nifadian-kanina izy ireo ny faha-24-n’ny volana Tisry. Teo indray dia novakina ny Lalàn’Andriamanitra, ary niaiky ny fahotany ny olona. Avy eo ny Levita dia nanao jery todika ny famindram-pon’Andriamanitra teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny vahoakany naditra. Nanao teny fiderana kanto ho an’i Jehovah koa izy ireo, ary nanao “fanekena mafy” izay nohamarinin’ny tombo-kasen’ireo mpanapaka teo aminy sy ny Levita ary ny mpisorona. — Nehemia 9:1-37; 10:1.
11. Inona ilay “fanekena mafy” nianianan’ireo Jiosy?
11 Nivoady hanatanteraka ilay “fanekena mafy” natao an-tsoratra, ny vahoaka tamin’ny ankapobeny. “Hanaraka ny lalàn’Andriamanitra” izy ireo. Nanaiky ny tsy hifanambady tamin’ny “tompon-tany” koa izy ireo. (Nehemia 10:29-31). Ambonin’izany, dia nianiana izy ireo fa hitandrina ny Sabata, hanao fanomezana ara-bola isan-taona ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana marina, hanome kitay ho an’ny alitara fanaovana sorona, hanome ny voalohan-teraky ny omby aman’ondriny ho sorona, sy hitondra ny voaloham-bokatry ny taniny ho ao amin’ireo efitrano fisakafoana ao amin’ny tempoly. Mazava fa tapa-kevitra ny ‘tsy [hanao tsirambina, NW ] ny tranon’Andriamaniny’ izy ireo. — Nehemia 10:33-40.
12. Inona no tafiditra amin’ny hoe tsy manao tsirambina ny tranon’Andriamanitra, amin’izao andro izao?
12 Amin’izao andro izao, dia tsy maintsy mitandrina ny vahoakan’i Jehovah mba tsy hanao tsirambina ny tombontsoany ‘hanao fanompoana masina’ eo amin’ny kianjan’ny tempolin’i Jehovah, ilay tempoliny lehibe ara-panahy. (Apokalypsy 7:15, NW ). Tafiditra amin’izany ny vavaka amim-pahatsorana tsy tapaka mba handrosoan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ny fiainana mifanaraka amin’izany vavaka izany, dia mitaky ny hanomanana ireo fivoriana kristianina sy handraisana anjara amin’izany, ny handraisana anjara amin’ireo fandaharam-pitoriana ny vaovao tsara sy ny hanampiana ireo liana amin’ny fiverenana mitsidika, ary ny hitarihana fampianarana ny Baiboly miaraka aminy, raha azo atao. Maro ireo tsy maniry hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitra ka manao fanomezana ara-bola ho an’ny asa fitoriana sy ny fikojakojana ireo toerana anaovana fanompoam-pivavahana marina. Mety ho afaka hanampy koa isika eo amin’ny fanorenana ireo toeram-pivoriana ilaina maika sy eo amin’ny fitanana azy ireny ho madio sy milamina. Fomba iray lehibe anehoana fitiavana ny tranon’Andriamanitra ara-panahy, ny fiezahana mba hisian’ny fiadanana eo amin’ny mpiray finoana sy ny fanampiana izay mety ho sahirana ara-nofo sy ara-panahy. — Matio 24:14; 28:19, 20; Hebreo 13:15, 16.
Fitokanana nahafaly
13. Inona no raharaha maika nilaina hodinihina talohan’ny nahafahana nitokana ny mandan’i Jerosalema, ary ohatra tsara dia tsara inona no navelan’ny maro?
13 Nanomana ny vahoakan’Andriamanitra fahiny ho amin’ny andro fitokanana ny mandan’i Jerosalema ilay “fanekena mafy” nasiana tombo-kase tamin’ny andron’i Nehemia. Mbola nisy anefa raharaha maika hafa nila hodinihina. Rehefa voahidy ao anatin’ny manda lehibe nisy vavahady 12 izao i Jerosalema, dia nila mponina maro kokoa. Na dia nisy Isiraelita sasany aza efa nipetraka tao, dia “malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona” tao anatiny. (Nehemia 7:4). Mba hamahana io olana io, dia “nanao filokana” ny olona mba “hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina”. Nanosika ny olona hisaotra “ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema”, ilay fahavononana nanoloana io fandaharana io. (Nehemia 11:1, 2). Izany ka ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpivavaka marina amin’izao andro izao, izay manana fahafahana hifindra any amin’ny toerana ilana bebe kokoa ny fanampian’ny Kristianina matotra!
14. Inona no nitranga tamin’ilay andro fitokanana ny mandan’i Jerosalema?
14 Tsy ela dia natomboka ireo fiomanana lehibe ho amin’ny andro fitokanana ny mandan’i Jerosalema. Nangonina avy tany amin’ireo tanànan’ny Joda nanodidina ny mpitendry zavamaneno sy ny mpihira. Natao nahaforona amboarampeom-piderana lehibe roa tonta izy ireo, ka samy narahin’ny filaharana iray avy. (Nehemia 12:27-31, 36, 38). Ireo amboarampeo mbamin’ny filaharana dia samy niainga avy tamin’ny faritra iray amin’ny manda izay lavitra indrindra ny tempoly, angamba tany amin’ny Vavahady mankeo amin’ny tany lemaka. Nifanipaka ny lalana nizoran’izy ireo ambara-pihaonany tany amin’ny tranon’Andriamanitra. “Namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.” — Nehemia 12:43.
15. Nahoana ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema no tsy antom-pifaliana naharitra?
15 Tsy omen’ny Baiboly ny daty nanaovana io fankalazana nahafaly io. Tsy isalasalana fa io no fisehoan-javatra nisongadina indrindra, raha tsy ny fara tampony mihitsy aza, tamin’ny fanarenana an’i Jerosalema. Mazava ho azy fa nisy asa fanorenana maro mbola nilaina hatao tao anatin’ilay tanàna. Rehefa nandeha ny fotoana, dia narian’ireo mponina tao Jerosalema ilay laza tsara dia tsara nananany teo amin’ny ara-panahy. Rehefa nitsidika fanindroany ilay tanàna, ohatra, i Nehemia, dia hitany fa natao tsirambina indray ny tranon’Andriamanitra ary nanambady vehivavy mpanompo sampy indray ny Isiraelita. (Nehemia 13:6-11, 15, 23). Hamafisina ao amin’ny asa soratr’i Malakia mpaminany ny fisian’io toe-piainana ratsy io. (Malakia 1:6-8; 2:11; 3:8). Koa tsy antom-pifaliana naharitra àry ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema.
Antom-pifaliana mandrakizay
16. Fisehoan-javatra tena lehibe inona avy no andrandrain’ny vahoakan’Andriamanitra?
16 Maniry mafy ny hahatongavan’ilay fotoana handresen’Andriamanitra ny fahavalony rehetra, ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Hanomboka izany amin’ny fandravana an’i “Babylona Lehibe”, izay tanàna ara-panoharana mahafaoka ny fivavahan-diso amin’ny endriny rehetra. (Apokalypsy 18:2, 8). Ny fandravana ny fivavahan-diso no hampiavaka ny ambaratonga voalohany amin’ilay fahoriana lehibe ho avy. (Matio 24:21, 22). Misy fisehoan-javatra iray tena lehibe koa miandry antsika, dia ny fampakaram-badin’i Jesosy Kristy Tompo sy ny ampakariny 144 000, mponin’i “Jerosalema vaovao”, any an-danitra. (Apokalypsy 19:7; 21:2). Tsy fantatsika marina tsara hoe rahoviana no hatao io fampakaram-bady any an-danitra io, kanefa dia azo antoka fa ho fisehoan-javatra hahafaly izy io. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1990, pejy faha-30-31.
17. Inona no fantatsika momba ny fahavitan’i Jerosalema Vaovao?
17 Fantatsika tokoa fa kely sisa dia ho vita i Jerosalema Vaovao. (Matio 24:3, 7-14; Apokalypsy 12:12). Tsy sahala amin’ilay tanànan’i Jerosalema eto an-tany izy io, ary tsy handiso fanantenana na oviana na oviana. Izany no izy satria voahosotry ny fanahy sy voasedra ary voazaha toetra avokoa ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izay mponina ao aminy. Rehefa maty amim-pahatokiana ny tsirairay amin’izy ireo, dia ho voaporofony ny tsy fivadihany mandrakizay amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. Misy heviny lehibe izany ho an’ny sisa amin’ny taranak’olombelona, dia ny velona sy ny maty!
18. Nahoana isika no tokony ‘hifaly sy hiravoravo mandrakizay’?
18 Hevero ange izay hitranga rehefa hanisy fiheverana ny olombelona izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, ilay Jerosalema Vaovao e. “Indro”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona, “ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:2-4). Ankoatra izany, dia hampiasa io fandaharana toy ny tanàna io Andriamanitra mba hanandratana ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana. (Apokalypsy 22:1, 2). Izany ka antony mahatalanjona mba ‘hifaliana sy hiravoravoana mandrakizay ny amin’izay foronin’Andriamanitra ankehitriny’! — Isaia 65:18.
19. Inona ilay paradisa ara-panahy nanangonana ny Kristianina?
19 Kanefa tsy voatery hiandry mandra-pahatongan’izany akory ny olona mibebaka vao hahazo fanampiana avy amin’Andriamanitra. Tamin’ny taona 1919, dia nanomboka nanangona ny mpikambana farany amin’ireo 144 000 tao amin’ny paradisa ara-panahy iray, i Jehovah. Heniky ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, toy ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny fiadanana, izany paradisa ara-panahy izany. (Galatiana 5:22, 23). Lafiny iray tena misongadina amin’io paradisa ara-panahy io ny finoan’ireo voahosotra mponina ao. Nahita vokatra nahatalanjona izy ireo rehefa nitarika ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tany onenana manontolo. (Matio 21:43; 24:14, NW ). Ho vokatr’izany, dia nomen-dalana hiditra ao amin’ilay paradisa ara-panahy sy hanao asa ahitam-bokatra koa ny “ondry hafa” efa ho enina tapitrisa, izay manana fanantenana ny ho eto an-tany. (Jaona 10:16). Nahafeno fepetra ho amin’izany izy ireo satria nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra niorina tamin’ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, Zanany. Hita ho fitahiana tokoa ny niarahan’izy ireo tamin’ireo ho tonga anisan’ny Jerosalema Vaovao. Araka izany, rehefa nifampiraharaha tamin’ireo Kristianina voahosotra i Jehovah, dia nametraka fototra mafy ho an’ny “tany vaovao” iray, izy. Tsy inona izany fa fitambaran’olona matahotra an’Andriamanitra izay handova ny faritra etỳ an-tany tapahin’ilay Fanjakana any an-danitra. — Isaia 65:17; 2 Petera 3:13.
20. Ahoana no hifanarahan’i Jerosalema Vaovao amin’ny dikan’ny anarany?
20 Ilay toe-piainana misy fiadanana ankafizin’ny vahoakan’i Jehovah ao amin’ny paradisany ara-panahy ankehitriny, dia ho hita eo amin’ny paradisa iray ara-bakiteny eto an-tany, rehefa afaka kelikely. Hitranga izany rehefa hidina avy any an-danitra mba hitahy ny taranak’olombelona, i Jerosalema Vaovao. Amin’ny fomba roa sosona no hankafizan’ny vahoakan’Andriamanitra ilay toe-piainana misy fiadanana ampanantenaina ao amin’ny Isaia 65:21-25. Noho izy ireo mpivavaka amin’i Jehovah tafaray ao amin’ilay paradisa ara-panahy, dia samy mahita ilay fiadanana omen’Andriamanitra ankehitriny ireo voahosotra mbola haka ny toerany any amin’i Jerosalema Vaovao any an-danitra, sy ireo anisan’ny “ondry hafa”. Hiitatra hatrany amin’ilay Paradisa ara-bakiteny izany fiadanana izany, rehefa ‘hatao etỳ amin’ny tany manontolo, tahaka ny any an-danitra, ny sitrapon’Andriamanitra’. (Matio 6:10). Eny, ilay tanànan’Andriamanitra be voninahitra any an-danitra dia hifanaraka amin’ny anarana hoe Jerosalema, noho izy io ‘Fiorenana Mafy ho An’ny Fiadanana Roa Sosona’. Hitoetra mandrakizay ho zavatra mahate hidera nataon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona azy Lehibe, sy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mpampakatra azy ho vady, izy io.
Tsaroanao Ve?
◻ Inona no efa vita fony i Nehemia namory ny vahoaka tao Jerosalema?
◻ Inona no tsy maintsy nataon’ireo Jiosy fahiny mba tsy hanaovana tsirambina ny tranon’Andriamanitra, ary inona no asaina ataontsika?
◻ Inona no idiran’i “Jerosalema” amin’ny fanaovana izay hisian’ny fifaliana sy fiadanana maharitra?
[Sarintany, pejy 23]
Ireo Vavahadin’i Jerosalema
Mampiseho amin’ny metatra ny haavon’ny tany amin’izao andro izao ireo tarehimarika
VAVAHADIN-KAZANDRANO
VAVAHADY TALOHA
VAVAHADIN’I EFRAIMA
VAVAHADY AN-JORONY
Manda Lehibe
Tany Malalaka
VAVAHADY MANKAMIN’NY LOHASAHA
TANÀNA AMBANY
Manda Avaratra Tany Am-boalohany
TANÀNAN’I DAVIDA
VAVAHADIN-JEZIKA
Lohasahan’i Hinoma
Lapa
VAVAHADIN’ONDRY
VAVAHADIN-TRANOMAIZINA
Faritry ny Tempoly
VAVAHADY MIFIKADA
VAVAHADIN-TSOAVALY
OFELA
Tany Malalaka
VAVAHADIN-DRANO
Loharanon’i Gihona
VAVAHADIN-DOHARANO
Sahan’ny Mpanjaka
En-rogela
Lohasaha Tyropoeona (Afovoany)
Lohasahan-driaka Kidrona
740
730
730
750
770
770
750
730
710
690
670
620
640
660
680
700
720
740
730
710
690
670
[Sary, pejy 23]
Nety ho toy izao ny halehiben’ny mandan’i Jerosalema tamin’ny fotoana naharava ilay tanàna sy fony i Nehemia nitarika ny fanorenana azy io indray