-
AgagitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
AGAGITA
(Agagìta) [An’i Agaga].
Teny iantsoana an’i Hamana sy Hamedota rainy, ao amin’ny Estera 3:1, 10; 8:3, 5; 9:24. Mety ho taranak’i Agaga àry izy mianaka, izany hoe Amalekita. Izany koa no fahazoan’ny Jiosy an’ilay teny hoe Agagita na taranak’i Agaga. Amin’izy ireo dia ilay mpanjaka resahin’ny 1 Samoela 15:8-33 ihany io Agaga io. Nilaza i Josèphe fa “Amalekita” i Hamana. (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 209 [vi, 5]) I Mordekay kosa taranak’i Kisy avy amin’ny fokon’i Benjamina. Azo lazaina ho mpifahavalo hatry ny ela àry izy sy Hamana.—Es 2:5.
-
-
AmalekaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy miresaka momba ny Amalekita intsony ny Baiboly sy ny tantara, aorian’izay. Mety ho Amalekita anefa i ‘Hamana zanaka Agagita’, satria anaram-boninahitry ny mpanjaka amalekita sasany ny hoe “Agaga.” (Es 3:1; No 24:7; 1Sa 15:8, 9) Naripaka ny Amalekita sy ireo firenena hafa voatonona ao amin’ny Salamo, mba ho fantatry ny olona fa i Jehovah irery ihany no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!—Sl 83:6-18.
-
-
HamanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
HAMANA
(Hamàna).
Zanak’i Hamedota Agagita. Angamba taranaka mpanjaka amalekita i Hamana, matoa nantsoina hoe “Agagita.” (Es 3:1; jereo AGAGA No. 1; AGAGITA.) Tsy mahagaga àry raha tena halan’i Hamana ny Jiosy, satria efa nilaza i Jehovah fa haripaka ny Amalekita. (Ek 17:14-16) Nanafika an’ireo Israelita namakivaky ny tany efitra mantsy izy ireo, satria nankahala an’Andriamanitra sy ny vahoakany.—Ek 17:8.
Mpanompon’i Ahasoerosy (Ksersesy I) mpanjakan’i Persa teo am-piandohan’ny taonjato fahadimy T.K. i Hamana. Nomem-boninahitra i Hamana, ary voatendry ho praiminisitry ny Fanjakana Persianina. Tezitra anefa izy fa tsy nety niankohoka teo anatrehany i Mordekay Jiosy. Nitetika ny handripaka an’i Mordekay sy ny Jiosy rehetra tao amin’ilay fanjakana àry izy. Nilaza tamin’ny mpanjaka izy fa nampidi-doza ho an’ny fanjakana ny Jiosy, satria mpandika lalàna sady “hafa noho ny an’ny vahoaka rehetra” ny lalàny. Hoy koa izy: “Aoka hisy didy hatao an-tsoratra handripahana azy ireo. Ary handoa talenta volafotsy iray alina [66 060 000 dolara eo ho eo] aho, homena an’ireo hanao izany, ka harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.” Nampanantena ny hanome vola ho an’ny fanjakana mihitsy izy mba handresena lahatra ny mpanjaka! Nomen’ny mpanjaka azy àry ny peratra fanombohan-kaseny, sady hoy izy: “Homena anao ny volafotsy, mbamin’izany vahoaka izany, ka ataovy izay tianao hatao aminy.”—Es 3:1-11.
-