-
Pora, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
PORA, II
Teny hita ao amin’ny Estera 3:7 sy 9:24, 26. Tsy teny hebreo izy io, ary midika hoe “antsapaka” (heb.: gôhral; jereo ANTSAPAKA.) “Porima” izy io amin’ny endriny milaza maro. (Es 9:26, 28-32) Mitovy amin’ilay teny akadianina hoe poro (“antsapaka”) ny hoe “pora.” Io no niavian’ny anaran’ilay fety jiosy hoe Porima.—Jereo PORIMA.
-
-
PorimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fety nankalazaina ny 14 sy 15 Adara, volana jiosy farany (faramparan’ny Febroary sy voalohandohan’ny Martsa); antsoina koa hoe Fetin’ny Antsapaka. (Es 9:21) Avy amin’ny hoe pora (antsapaka) izy io. Nanao pora i Hamana mba hamantarana ny andro mety handripahana ny Jiosy. Agagita izy, angamba taranaka mpanjaka amalekita, ary mpanompo sampy ka “karazana sikidy” ilay antsapaka nataony. (Es 3:7, Le, f.a.p.; jereo ANTSAPAKA; PORA, II; SIKIDY.) Nampirisihin’i Hamana i Ahasoerosy (Ksersesy I) Mpanjaka, ka navoaka ny 13 Nisana tamin’ny taona faha-12 nanjakany (mety ho lohataonan’ny 484 T.K.) ilay didy hoe haripaka ny Jiosy rehetra. Navoaka ho lalàna tany amin’ny faritany rehetra nofehezin’ny Persianina ilay izy.
-