RIVOTRA
Ilay teny hebreo hoe roah, izay matetika no adika hoe “hery mamelona”, dia mety hidika koa hoe rivotra mivezivezy. (Mpto 1:6) Misy teny hebreo hafa koa ilazana ny rivotra, ary azo adika hoe “tadio” (Ho 8:7), “tafio-drivotra”, ‘rivo-mahery mitambolimbolina’ (2Mp 2:11; Je 25:32; 23:19), ary “rivo-mahery.” (Sl 148:8) Midika hoe “rivotra” ilay teny grika hoe pneoma (nadika matetika hoe “fanahy”) ao amin’ny Jaona 3:8, nefa ilay hoe anemôs no ampiasaina matetika kokoa mba hilazana ny rivotra. (Mt 7:25, 27; 11:7; Jn 6:18) Toa ny takariva taloha kelin’ny nilentehan’ny masoandro no tiana holazaina amin’ilay hoe “fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka [heb.: roah].” (Ge 3:8) Matetika mantsy no nisy rivotra malefaka sy mangatsiatsiaka nitsoka, tamin’io fotoana io, tao amin’ny faritra heverina fa nisy ny zaridainan’i Edena.—Jereo FANAHY.
I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny rivotra. (Am 4:13) Tsy ara-bakiteny ilay hoe ao amin’ny rivotra i Jehovah. (1Mp 19:11; ampit. Jb 38:1; 40:6; Sl 104:3.) Afaka mibaiko sy mampiasa ny rivotra anefa izy mba hanatanterahana ny fikasany. Nampiasa ny rivotra, ohatra, izy mba hampihenana ny ranon’ny Safodrano. (Ge 8:1; Ek 14:21; No 11:31; Sl 78:26; 107:25, 29; 135:7; 147:18; Je 10:13; Jo 1:4) Nahafehy ny rivotra koa ny Zanany, tetỳ an-tany, satria nampitsahatra ny rivotra. (Mt 8:23-27; 14:24-32; Mr 4:36-41; 6:48, 51; Lk 8:22-25) Ary i Satana? Nampitsoka “rivotra mahery”, izay namono ny zanak’i Joba, izy. Azo inoana anefa fa tsy ho nahavita izany izy, raha tsy navelan’i Jehovah hanao izany.—Jb 1:11, 12, 18, 19.
Matetika no resahina ny fiavian’ny rivotra. Lazaina hoe “rivotra avy any atsinanana”, ohatra, ny rivotra mitsoka miankandrefana. (Ek 10:13, 19; Sl 78:26; To 4:16) Ny vazan-tany efatra (avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana) no tiana holazaina amin’ny hoe “rivotra efatry ny lanitra” na hoe “rivotra efatry ny tany.” (Je 49:36; Ezk 37:9; Da 8:8; Mt 24:31, f.a.p.) Milaza ny Apokalypsy 7:1 hoe: “Nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra. Nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo.” Midika ara-bakiteny hoe “zoro efatra amin’ny tany” ilay hoe “vazan-tany efatra” eto. Azo inoana àry fa rehefa havotsotr’izy ireo ny rivotry ny fandringanana, dia hitsoka mitsivalana na misompirana ka tsy hisy faritra amin’ny tany tsy ho voan’izy io.
Nangatsiatsiaka ny rivotra avy any avaratra sady nitondra oram-be. (Jb 37:9; Oh 25:23) Ny rivotra avy any atsimo indray nifofofofo avy tany an-tany efitra nahamay ary nitsoka tany Palestina, ka mety ho nahatonga hafanam-be. (Lk 12:55) Mety ho avy any atsimo koa ny tafio-drivotra. (Is 21:1; Za 9:14) Namakivaky tany efitra midadasika kosa ny rivotra avy any atsinanana, rehefa main-tany, ary tonga tany Ejipta sy Palestina. Nahamay sady maina àry izy io, ka nandoro sy nampahalazo ny zavamaniry. (Ge 41:6, 23, 27; Ezk 17:7-10; ampit. Ho 13:15; Jo 4:8.) Ny rivotra avy any andrefana indray nitondra hamandoana avy any amin’ny Ranomasina Mediterane nankany Palestina, ka nahatonga orana, nandritra ny fotoanan’ny orana. (1Mp 18:42-45) Nanantena àry ny mponina tany fa hisy oram-baratra, rehefa nahita rahona niakatra teny andrefana izy ireo. (Lk 12:54) Amin’ny fahavaratra, ao anatin’ny hafanana migaingaina, dia misy tsiotsio-drivotra avy any amin’ny Ranomasina Mediterane isan’andro, ka lasa azoazo kokoa ny hafanana.—Jereo EORAKYLONA; RAHONA.
Heviny an’ohatra. Mitsoka tampoka ny rivotra indraindray nefa vetivety eo dia mitsahatra. Mety tsara raha ampitovina amin’izany ny fiainan’ny olona, satria mihelina. (Jb 7:7) Tsy zavatra mivaingana no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra hoe rivotra. Ampiasaina àry io teny io indraindray mba hilazana fahalalana sy fanantenana poakaty, asa very maina, teniteny foana, (Jb 15:1, 2, f.a.p.; 16:3; Mpto 5:16; Ho 12:1) ary zava-poana. (Is 26:18; 41:29; Je 5:13) Tsy misy soa azon’izay manao zavatra tsy tena misy dikany, ka toy ny hoe “misambo-drivotra fotsiny” izy. (Mpto 1:14; 2:11) Zavatra tsy tena mahasoa na tsy tena misy vidiny no azon’izay mahatonga loza amin’ny ankohonany, ka lazaina hoe ‘misambo-drivotra’ izy.—Oh 11:29.
Manaparitaka sy mampisavoana zavatra ny rivotra. Midika hoe miparitaka tanteraka na voazarazara tanteraka àry ny hoe ‘miely any amin’ny vazan-tany efatra’ na ‘voazarazara manerana ny rivotra efatra.’ (Je 49:36; Ezk 5:10, f.a.p.; 12:14; 17:21, f.a.p.; Da 11:4) Toy ny sambo havezivezin’ny rivotra sy tsy misy lalan-kizorana ny Kristianina tsy matotra, satria mora “havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona, sy amin’ny alalan’ny hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso.”—Ef 4:13, 14.