HALA, II
[Heb.: ʽakkavish].
Biby madinika tsy manan’elatra ao anatin’ny sokajin’ny biby manan-tongotra valo sy vatana mizara roa, fa tsy anisan’ny bibikely, hoy ny mpikaroka.
Hamandrihana haza no anaovan’ny ankamaroan’ny hala ny tranony. Misy taova telo mandeha tsiroaroa mamoaka kofehy eo amin’ny vodiny. Fantsona bitika maro no mampifandray azy ireo amin’ny fihary landin-kala ao amin’ny vatany. Misy tsiranoka tereny hivoaka avy amin’ireo taova. Mihamafy ilay izy ka lasa kofehy manify na landin-kala. Mamoaka kofehy iray matevina ireo taova rehefa atambatr’ilay hala, fa kofehy manify maro kosa rehefa sarahiny.
Milahatra tsara sy be pitsiny ny landy amin’ny tranon-kala, izay miovaova arakaraka ny karazan’ilay hala. Asian’ilay hala vongan-dity mifanelanelana tsara eo amin’ireo kofehin-dandy. Asiany kofehy iray mitsivalana koa eo anelanelan’ny kofehy roa mitsangana, hosorany dity ilay izy, sintoniny midina, ary avy eo avotsony. Lasa mitovy àry ny elanelan’ireo vongan-dity amin’ilay izy. Nataony hamandrihana haza ilay kofehy madity.
An’ohatra ireo hala voaresaka indroa ao amin’ny Baiboly. Nilaza tamin’i Joba i Bildada fa ny mpivadi-pinoana dia miantehitra amin’ny “tranon-kala”, na amin-javatra marefo tsy mahazaka azy. (Jb 8:14, 15) Toy ny nanenona tranon-kala ny Israelita nanao ratsy sy nampiasa herisetra. Tsy azo atao fitafiana anefa ny tranon-kala. Toy izany koa fa tsy azon’izy ireo nirakofana ny zavatra nataony.—Is 59:5, 6.