Fiainam-baovao ho An’ireo Razambentsika
MOA ve ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mampianatra fa ny olona rehetra, araka ny tokony hampoizina dia manana fiainana mitohy ao amin’ny faritra misy ireo fanahy eo amin’ny fahafatesana? Tsia, tsy mampianatra izany izy io. Ny Baiboly dia manolotra fanantenana mahagaga ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana, fa tsy amin’ny fomba hieritreretan’ny olona maro azy.
Diniho izay lazain’ny Baiboly momba an’i Adama, razambentsika voalohany. I Jehovah dia namorona azy ‘avy tamin’ny vovoky ny tany’. (Genesisy 2:7). Nanana fahafahana ny hiaina mandrakizay tao amin’ny fahasambarana teto an-tany i Adama. (Genesisy 2:16, 17). Nikomy tamin’ilay Mpamorona azy be fitiavana anefa izy, ka ny vokany dia ny fahafatesana.
Nankaiza i Adama rehefa maty? Nilaza taminy toy izao Andriamanitra: ‘Hiverina any amin’ny tany hianao; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.’ — Genesisy 3:19.
Taiza i Adama talohan’ny namoronan’i Jehovah azy avy tamin’ny vovoka? Tsy taiza tsy taiza. Tsy nisy izy. Koa rehefa nilaza i Jehovah fa “hiverina ho amin’ny vovoka” i Adama, dia te hilaza fotsiny izy fa i Adama dia hanjary tsy hisy aina indray, toy ny vovoka fotsiny. I Adama dia tsy ‘niampita’ mba ho tonga mpanorina ny tontolo iray misy ny fanahin’ireo razambe. Tsy niova ho amin’ny fiainam-pahasambarana tany an-danitra izy na ho amin’ny fijaliana mandrakizay tao amin’ny toeram-pijaliana iray. Ny hany fifindrana nataony dia avy tamin’ny fiainana nankany amin’ny tsy fisiam-piainana indray, avy tamin’ny fisiana nankany amin’ny tsy fisiana indray.
Ahoana ny momba ny sisa amin’ny taranak’olombelona? Nitsahatra tsy nisy tao amin’ny fahafatesana koa ve ireo taranak’i Adama? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Izy rehetra [ny olona sy ny biby] samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” — Mpitoriteny 3:19, 20.
Toetran’ny maty
Eny, ny maty dia tsy misy aina, tsy afaka mandre, mijery, miteny, na mieritreritra. Ohatra, toy izao no lazain’ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona”. Manambara toy izao koa ny Baiboly: “Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [sheola: fasana] izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 6, 10.
Araka ny Tenin’Andriamanitra, àry, raha mbola velona ny olona dia mahatsapa ny atao hoe fahafatesana izy. Rehefa mitranga kosa anefa ny fahafatesana, dia tsy mahatsapa na inona na inona intsony izy. Tsy hoe mijoro eo akaikin’ilay fatiny izy, mandinika izay atao amin’izy io. Ao amin’ny tsy fisiana, dia tsy misy na fahafinaretana na fanaintainana, na fifaliana na alahelo. Ireo maty dia tsy mahatsapa ny fandalon’ny fotoana. Tsy fahatsiarovan-tena lalina kokoa noho ny amin’izay mety ho torimaso ny azy ireo.
I Joba, mpanompon’Andriamanitra iray fahiny dia nahafantatra fa tsy manohy miaina ny olona aorian’ny fahafatesana. Takany koa fa raha tsy misalovana Andriamanitra, dia tsy hisy mihitsy fanantenana ny hiverenana ho amin’ny fiainana indray. Hoy i Joba: “Ny olona kosa maty ka miampatra; eny, miala aina ny olona ary aiza izy? (...) Mandry izy ka tsy hitsangana intsony.” (Joba 14:10, 12). Azo antoka fa tsy nanantena ny hiaraka tamin’ny razambeny ao amin’ny tontolon’ireo fanahy i Joba rehefa maty.
Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty
Koa satria ny velona dia mitsahatra tsy misy eo amin’ny fahafatesana, ny fanontaniana tena lehibe dia ilay nataon’i Joba avy eo hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Ny tenan’i Joba ihany no nanome izao valiny izao: “Hiandry mandritra ny andro fanafihako [fotoana ao am-pasana] aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao [Jehovah], ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” — Joba 14:14, 15.
Raha lazaina amin’ny teny hafa, na dia hiova ho amin’ny tsy fisiana aza i Joba, Andriamanitra dia tsy hanadino azy. I Joba dia nanana finoana fa ho avy ny fotoana rehefa “hiantso” azy ho amin’ny fiainana indray i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty.
I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra dia nampiseho fa ny fanantenana nananan’i Joba ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia fanantenana tena izy. Noporofoin’i Jesosy fa azo atsangana ny maty. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny nananganany olona tamin’ny maty! Tsy teto izy mba hanangana an’i Joba tamin’ny maty, nefa fony izy teto an-tany dia nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray avy tao an-tanànan’i Naina izy. Naverin’i Jesosy ho amin’ny fiainana koa ny zanakavavy 12 taonan’ny lehilahy iray antsoina hoe Jairo. Ary nanangana an’i Lazarosy sakaizany, izay maty efa nandritra ny efatra andro izy. — Lioka 7:11-15; 8:41, 42, 49-56; Jaona 11:38-44.
Ankoatra ny nanaovany ireny fahagagana ireny, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty lehibe ho avy. Hoy izy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). Tatỳ aoriana ny apostoly Paoly, izay nampiasain’i Jehovah mba hanangana amin’ny maty ny lehilahy tanora iray, dia naneho finoana ny fitsanganana amin’ny maty ho avy koa. Hoy izy: “Manantena amin’Andriamanitra aho, (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” — Asan’ny Apostoly 20:7-12; 24:15.
Izany firesahana momba ny fitsanganana amin’ny maty ho avy ao amin’ny Soratra Masina izany dia tsy momba ny fiainana mitohy any amin’ny faritra misy ireo fanahy. Izany kosa dia manondro ny fotoana, rehefa haverina ho amin’ny fiainana eto an-tany mihitsy ao amin’ny tena ara-nofo ireo maty an-tapitrisany maro. Ireny olona hatsangana amin’ny maty ireny dia tsy hoe tsy hahatsiaro mihitsy ny fiainany taloha teto ambonin’ny tany. Tsy hateraka indray amin’ny maha-zazakely izy ireo. Tsy izany, fa ho ilay olona mitovy tamin’ny teo aloha fony izy maty ihany izy, hanana fahatsiarovana sy toetra maha-izy mitovy. Hahafantatra ny tenany izy ireo sady ho fantatry ny hafa. Fifaliana toy inona moa rehefa ho tafakambana amin’ireo namany sy ireo fianakaviany indray ireny olona ireny! Ary hampientam-po toy inona moa ny hihaona amin’ireo razambentsika!
Fitsanganana ho amin’ny fiainana any an-danitra
Moa ve i Jesosy tsy nilaza fa ny olona sasany dia ho any an-danitra? Eny, izany tokoa. Tamin’ilay takariva talohan’ny namonoana azy, dia hoy izy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro (...) handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:2, 3). I Jesosy dia niresaka tamin’ireo mpianany nahatoky, kanefa tsy te hilaza akory izy fa ho any an-danitra daholo ny olona tsara fanahy rehetra.
Nasehon’i Jesosy fa ireo izay hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra dia tsy maintsy mahafeno fepetra hafa noho ny fananana fiainana tsara fotsiny. Ny fepetra iray dia ny fahazoana fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah sy ireo fikasany. (Jaona 17:3). Fepetra hafa koa ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy sy ny fankatoavana an’Andriamanitra. (Jaona 3:16; 1 Jaona 5:3). Etsy an-danin’izany, ny fepetra hafa iray dia ny hoe “ateraka indray” amin’ny maha-Kristiana vita batisa ateraky ny fanahy masin’Andriamanitra. (Jaona 1:12, 13; 3:3-6). Ny fepetra iray fanampiny ho amin’ny fiainana any an-danitra dia ny fiaretana, toy ny nataon’i Jesosy, ka nanaporofo ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra, hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. — Lioka 22:29; Apokalypsy 2:10.
Misy antony ny nametrahana fepetra ambony toy ireo. Ireo izay hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra dia manana asa lehibe hotontosaina. Fantatr’i Jehovah fa ireo fitondram-panjakan’olombelona dia tsy afaka mitantana amim-pahombiazana na oviana na oviana ny raharaha eto ambonin’ny tany. Koa nanao fandaharana izy mba hisian’ny fitondram-panjakana na Fanjakana iray any an-danitra, izay hanapaka eo amin’ny taranak’olombelona. (Matio 6:9, 10). I Jesosy no ho Mpanjakan’izany Fanjakana izany. (Daniela 7:13, 14). Misy olona sasantsasany nofidina avy eto an-tany ary natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra, hiara-manapaka aminy. Nilaza mialoha ny Baiboly fa ireny olona natsangana tamin’ny maty ireny dia hatao ‘fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ary hanjaka ambonin’ny tany’. — Apokalypsy 5:10.
Hisy olona maro an’isa hahafeno ireo fepetra ho amin’ny fitsanganana ho amin’ny fiainana any an-danitra ve? Tsia. Noho ny antony izay tsy maha-tompon’andraikitra azy, dia tsy mahafeno ireo fepetra ireo ny ankamaroan’ireo izay matory ao amin’ny fahafatesana. Maro no tsy nanana fahafahana firy na tsy nanana fahafahana mihitsy hianatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ireo fikasany. Izy ireo dia niaina ary maty tsy nanana fahalalana na inona na inona momba an’i Jesosy Kristy na momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
I Jesosy dia niantso ireo izay ho any an-danitra hoe “ondry vitsy”. (Lioka 12:32). Tatỳ aoriana, dia naseho fa ny isan’ireo izay “navotana niala tamin’ny tany” mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra dia ho 144 000. (Apokalypsy 14:1-3; 20:6). Na dia isa betsaka ihany aza ny 144 000 mba hamenoana ireo “fitoerana maro” nasian’i Jesosy firesahana, dia vitsy ihany izy io raha oharina amin’ireo olona an’arivony tapitrisa maro taranak’i Adama. — Jaona 14:2.
Ireo fisehoan-javatra hitranga alohan’ny fitsanganana eto an-tany
Aoka haverintsika indray izay nodinihintsika hatreto. Araka ny Baiboly, ireo izay maty dia tsy misy aina ao amin’ny fahafatesana mandra-panangan’i Jehovah Andriamanitra azy amin’ny maty. Ny sasany dia hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra, izay toerana hiarahany manapaka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny fitondran’ilay Fanjakana. Ny ankamaroan’ny olona dia hatsangana eto ambonin’ny tany, mba ho tonga olom-pehezin’izany Fanjakana izany.
Amin’ny fetra sasany, dia amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany no hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany momba ny tany. Namorona azy io i Jehovah mba “honenana”. (Isaia 45:18). Natao ho fonenana maharitra ho an’ny taranak’olombelona izy io. Koa izany no nihiran’ilay mpanao Salamo toy izao: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” — Salamo 115:16.
Alohan’ny hanombohan’ny fitsanganana ho amin’ny fiainana eto an-tany, dia tsy maintsy misy fiovana lehibe hitranga. Azo inoana fa hekenao fa tsy fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany ny hahafeno azy amin’ny ady, fandotoana, heloka bevava sy herisetra. Ny olona tsy manana fanajana an’Andriamanitra sy ireo lalàny marina no mahatonga ireny zava-manahirana ireny. Noho izany ny Fanjakan’Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’ — dingana lehibe iray hahatonga ny fanaovana ny sitrapony eto an-tany. (Apokalypsy 11:18). Ilay Fanjakana dia handringana ny olona ratsy fanahy rehetra, fa hamela ny olo-marina kosa hiaina mandrakizay eto an-tany. — Salamo 37:9, 29.
Paradisa ho eto an-tany
Ireo izay hatsangana ho eo amin’ny tany voadio dia olona malemy fanahy, manana fiahiana, manao izay mahitsy. (Ampitahao amin’ny Matio 5:5.) Eo ambanin’ny fiandraiketana amim-pitiavana hampiharin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanana fiainana sambatra ao anatin’ny filaminana izy ireo. Ny Baiboly dia manome izao santionany mahatalanjona izao, momba ny toe-piainana ho hita amin’izany fotoana izany: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:4.
Eny, hovana ho paradisa ny tany. (Lioka 23:43). Eritrereto izay ho hevitr’izany! Tsy hilaina intsony ireo hopitaly sy ireo trano mikarakara ny be taona sy ny marary. Ao amin’ny Paradisa, ireo izay ampahorin’ny vokatry ny fahanterana ankehitriny, dia hanjary hatanjaka sy ho salama indray. (Joba 33:25; Isaia 35:5, 6). Tsy hisy agence de funérailles sy toeram-pandevenana ary fasana intsony. Amin’ny alalan’ny Fanjakany, i Jehovah dia ‘hanafoana tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana’. (Isaia 25:8). Azo antoka fa ny fitahiana toy izany dia hidika ho fiainam-baovao ho antsika sy ho an’ireo razambentsika.
[Sary, pejy 7]
Ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany dia ho tonga olom-pehezin’ilay Fanjakana