Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ny Joba 33:24 dia miresaka ny amin’ny “avotra” hitan’i Joba, nahatonga azy tsy ho faty. Iza moa io avotra ho an’i Joba io?
Tsy nisy sorom-panavotana olombelona natolotra an’i Joba tamin’izany, fa nanarona na namela ny fahadisoan’i Joba kosa Andriamanitra.
Nanao izay hahitan’i Joba fahasahiranana maro be i Satana, ka anisan’izany ny “vay ratsy (...) hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany”. Tena nahatsiravina ny toe-piainana nisy an’i Joba, hany ka nampirisika azy mba ‘hahafoy an’Andriamanitra ka ho faty’, ny vadiny. Na i Joba aza dia nieritreritra fa aleo fahafatesana toy izay fahoriana toy izany. — Joba 2:7-9; 3:11.
Nony injay efa toa ho faty i Joba, dia nanombana ny toe-javatra nivadibadika nisy azy i Eliho ary nametraka ny fototra ho an’ny fanantenana, tamin’ny fitenenana hoe: “Mihena ny nofony ka tsy hita (...) Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona, ary hamindra fo aminy ka hanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony.” — Joba 33:21-25.
Fantatsika fa nanome ny ain’olombelona lavorary nananany ho avotra mifanandrify ho an’ny olombelona tsy tanteraka i Jesosy Kristy. Nifandanja tsara tamin’izay narian’i Adama ny sorony, ka mahaloa izay vidiny ilaina mba hitondra ho amin’ny fanafahana amin’ny ota. (Romana 5:12-19; 1 Timoty 2:5, 6). Kanefa tsy izay ihany no ampiasana ny “avotra” ao amin’ny Baiboly. Ny teny hebreo hita ao amin’ny Joba 33:24, amin’ny fotony, dia midika hoe “rakotra”. (Eksodosy 25:17). Fony i Jehovah nifandray tamin’ny Isiraely fahiny dia nanana fandaharana izy mba hanaronana ny fahotana na hanavotana amin’ny fahotana — fanatitra nanarona ota, nandamina ny raharaha teo amin’ny olombelona sy Andriamanitra. — Eksodosy 29:36; Levitikosy 16:11, 15, 16; 17:11.
Teo aloha anefa Andriamanitra dia vonona ny hanaiky fanatitra ho toy ny fanehoana fisaorana na fangatahana famelana sy fankasitrahana. (Genesisy 4:3, 4; 8:20, 21; 12:7; 31:54). Nahatakatra ny hasarobidin’ny fanatitra toy izany i Joba. Izao no vakintsika: “Nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra odorana araka ny isan’izy rehetra [ireo zanany lahy]; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.” (Joba 1:5). Satria niezaka ny hanao izay sitrak’Andriamanitra izy ary niharihary fa nanana fanahy torotoro, dia nisy vidiny teo imason’Andriamanitra ny fanatitra nataony. — Salamo 32:1, 2; 51:17.
Nefa tatỳ aoriana i Joba dia voan’ny aretina izay toa nahatandindomin-doza ny ainy. Nanana fijery diso ny amin’ny fahamarinany koa izy, ka nila fanitsiana, izay nomen’i Eliho avy eo. (Joba 32:6; 33:8-12; 35:2-4). Nilaza i Eliho fa tsy voatery ho ao amin’ny toe-piainana mampahonena misy azy foana akory i Joba hatramin’ny fahafatesana any an-davaka (Sheola, na fasana). Raha nibebaka izy dia afaka nahita “avotra”. — Joba 33:24-28.
Tsy tokony hihevitra isika fa olombelona niaina tamin’izany naniry ho faty ho an’i Joba no tian’i Eliho holazaina tamin’ny hoe “avotra”. Noho ny fanatitra izay nahazatra ireo mpivavaka marina ny nanolotra azy, dia nety ho fanatitra biby ilay karazana avotra nasian’i Eliho fitenenana mikasika an’i Joba. Mahaliana fa tatỳ aoriana Andriamanitra dia niresaka tamin’i Joba toy izao ny amin’ireo namany telo mpanakiana: “Manatera fanatitra odorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo.” (Joba 42:8). Na inona na inona endrik’ilay avotra, ny vontoatin-kevitr’i Eliho dia hoe azo nosaronana ny fahadisoan’i Joba ary afaka nanandrana ny soa naterak’izany izy.
Izany no nitranga. ‘Niaiky sy nibebaka teo amin’ny vovoka sy ny lavenona’ i Joba. Nanao ahoana avy eo? “Ary Jehovah nampody ny fiadanan’i Joba (...) Ary Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany (...). Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’izany ka nahita ny zanani-lahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafin-dohaliny aza.” Marina fa tsy nanafaka an’i Joba tamin’ny ota izany avotra izany, ka maty izy rehefa ela ny ela. Kanefa ny fihalavan’ny fiainany dia manaporofo tokoa fa nanjary ‘tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, ary nody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.” — Joba 33:25; 42:6, 10-17.
Izany fitahiana avy amin’ny fampiharana tamin’i Joba avotra voafetra izany dia ampiasaina ho toy ny fahatsinjovana ireo fitahiana tondraka ho avy ho an’ny taranak’olombelona mino ao amin’ny tontolo vaovao. Amin’izay, dia hanan-kery ny soa feno avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ka hanaisotra mandrakizay ireo vokatra mampahorin’ny ota sy ny tsy fahatanterahana. Tena hanana antony ‘hifaliana’ tokoa isika araka ny nolazain’i Eliho! — Joba 33:26.