-
RahonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tena hendry sy mahery i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, ary manaporofo izany ny fahaizany mifehy ny rahona. Antsoiny hoe ‘sinin-drano’ izy ireny, ary lazainy fa mitongilana ka mandraraka ny ao anatiny eny amin’ny tany. Hoy izy: “Iza no manam-pahendrena ka mahay tsara ny isan’ny rahona? Ary iza no mahatongilana ny sinin-dranon’ny lanitra?” (Jb 38:37) Toy izao no hanazavan’ny Baiboly ny fiovan’ny rano ho etona sy ny fiovan’ny etona ho rano: ‘Ampiakarin’Andriamanitra ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona, ka mifafy be dia be amin’ny olombelona. Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona, sy ny kotroka avy amin’ny trano rantsankazon’Andriamanitra?’—Jb 36:27-29.
-
-
HabakabakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mazava koa fa tsy nitovy hevitra tamin’ny mpanompo sampy ny Hebreo, satria tsy nino hoe misy lavadavaka na “varavarankely” teo amin’ny habakabaka, ka teo amin’ireny no nilatsahan’ny ranonorana. Nanazava i Eliho fa avy tamin’ny rahona no niavian’ny orana. Hoy izy: “Ampiakariny ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona [shehakim], ka mifafy be dia be amin’ny olombelona.” (Jb 36:27, 28) Tena marina sy mifanaraka amin’ny siansa izany! An’ohatra koa ilay teny hoe “vavahadin-dranon’ny [ʼarobbôt] lanitra.”—Ampit. Ge 7:11; 2Mp 7:1, 2, 19; Ml 3:10; jereo koa Oh 3:20; Is 5:6; 45:8; Je 10:13.
-