TRANO RANTSANKAZO
Fialofana natao tamin’ny rantsankazo sy ravina, ary hazo natao avoavo ny ambany indraindray. Sokkah (sôk, Ft 2:6) no ilazana azy amin’ny teny hebreo, ary skene amin’ny teny grika. (As 15:16) Nasiana trano rantsankazo teny amin’ny tampon-trano, tokotany, tany malalaka, tokotanin’ny tempoly, ary lalana akaikin’i Jerosalema, nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo fanao isan-taona. Rantsan’ny hazo aravaha, hazo oliva, hazo mitera-menaka, ary ravina palmie sy mirta mamerovero no nanaovana azy ireny. Natao ilay fety mba hahatsiarovan’ny Israely fa nasain’i Jehovah nipetraka tao amin’ny trano rantsankazo izy ireo, fony nentiny nivoaka avy tany Ejipta.—Le 23:34, 40-43; Ne 8:15; jereo FETIN’NY TRANO RANTSANKAZO.
Nampiasaina tamin-javatra hafa koa ireny trano ireny, ohatra hoe hialokalofan’ny biby fiompy, toy ilay nataon’i Jakoba. Nantsoiny hoe Sokota (“Trano Rantsankazo”) àry ilay toerana. (Ge 33:17) Nampiasa trano toy izany koa ny tafika, indrindra fa ny manamboninahitra.—1Mp 20:12, 16.
Nasiana trano rantsankazo matetika teny an-tanimboaloboka na afovoan’ny saha, mba tsy ho main’ny hainandro izay niambina ny vokatra tamin’ny mpangalatra na biby. (Is 1:8) Teo ambany alokalok’ireny ny mpijinja no nisakafo antoandro, ka tsy very fotoana nandeha nody. Niaro tamin’ny orana koa ireo ravina nifanety natao tafo. (Is 4:6) Nanao trano rantsankazo i Jona mba tsy ho main’ny masoandro, rehefa avy naminany loza momba an’i Ninive sy niandry an’izay hanjo azy io.—Jo 4:5.
Heviny an’ohatra. Toy ny trano rantsankazo nangozohozo teny an-tanimboaloboka no fahitan’i Jehovah an’i Jerosalema rava, fa tsy toy ny tanàna be olona. (Is 1:8) Toy ny hoe ao anaty trano rantsankazo i Jehovah ao anaty rahona, rehefa midina vetivety etỳ an-tany. Ao mantsy no iafenan’ny Tompon’ny hery fara tampony, ary avy ao no ivoahan’ny kotroka. (Sl 18:9, 11; 2Sa 22:10, 12; Jb 36:29) Azo lazaina hoe miafina ao amin’ny ‘trano rantsankazon’i’ Jehovah ireo matoky Azy.—Sl 31:20.
Hatsangana indray “ny trano rantsankazon’i Davida izay efa nirodana.” (Am 9:11) Nampanantena an’i Davida mantsy i Jehovah fa tsy hihozongozona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fanjakany. Naminany anefa i Ezekiela fa ho resy ny Joda, fony i Zedekia taranak’i Davida no mpanjaka farany. Hoy izy: “Horavako, horavako, horavako izany, ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.” (Ezk 21:27) Tsy nisy taranak’i Davida nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” intsony tao Jerosalema taorian’izay. (1Ta 29:23) Nilaza tamin’ny Jiosy tafavory tao Jerosalema anefa i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33 fa taranak’i Davida i Jesosy Kristy, ary izy ilay Mpanjaka mandrakizay nambaran’Andriamanitra. Efa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy, ary nataony ho Tompo sy Kristy. (As 2:29-36) Nanazava i Jakoba mpianatr’i Jesosy, tatỳ aoriana, fa tanteraka ny faminanian’i Amosa rehefa nisy Jiosy sy hafa firenena lasa mpianatr’i Kristy (mpandova an’ilay Fanjakana).—As 15:14-18; Ro 8:17.