TRANO FITEHIRIZANA ENTANA SY VOKATRA
Trano fitehirizana voa avy teny am-pamoloana, na divay, menaka, metaly na vato sarobidy, na zavatra hafa. Betsaka ny sompitra sy tilikambo ary trano fitehirizam-bokatra taloha. (1Ta 27:25; 2Ta 32:27, 28; Jl 1:17; Hg 2:19) Nisy koa tanàna natao fitehirizana entana sy vokatra.—Ek 1:11.
Nila trano fitehirizana entana ny toerana masina mba hametrahana ny ampahafolon-karena, sy ny vokatry ny saha sy saham-boankazo ary tanimboaloboka nomen’ny Israely ho an’ny Levita. (Ml 3:10) Nisy Levita notendrena hiandraikitra an’ireo trano sy hizara ny vokatra tamin’ireo rahalahiny.—1Ta 26:15, 17; Ne 12:44; 13:12, 13.
Samihafa ny endriky ny fitehirizam-boa tany Ejipta fahiny, ary nisy nitovitovy tamin’ireo fampiasa ankehitriny. Varavarana teny an-tampony no nampidirana ny voa (nentina niakatra tohatra), ary varavarana kelikely azo nakorisa tetỳ ambany no nakana azy. Efa hatry ny ela ny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane no nampiasa fitehirizam-boa tany ambanin’ny tany mba tsy ho hitan’ny mpandroba, indrindra tany amin’ny toerana vitsy olona.
Fanoharana. Nampirisika ny mpianany i Jesosy Kristy mba tsy hanahy be loatra ny amin’izay ilainy, fa hianina amin’ny ‘hanina sahaza azy anio.’ Na ny vorona aza mantsy omen’Andriamanitra sakafo, nefa tsy mba manangona ao an-trano fitehirizam-bokatra na sompitra. (Mt 6:11, 25, 26; Lk 12:22, 24) Nasehon’ny fanoharany iray koa fa tsy miankina amin’ny zavatra ananana ny aina. Nisy mpanankarena, hoy izy, nikasa hanolo ny trano fitehirizany vokatra tamin’ny trano lehibe kokoa, kanjo maty ka tsy nahasoa azy akory ny harenany.—Lk 12:13-21.
Tsy tokony hiantehitra amin’ny fananana sy hanangona azy ireny isika. Hoy kosa ilay olon-kendry nanoratra ny Ohabolana: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao ... dia ho feno mitafotafo ny fitehirizam-bokatrao.” (Oh 3:9, 10) Nahazo fitahiana maro, ohatra, ny Israely rehefa nankatò an’i Jehovah, sy nitondra ny ampahafolon-karena rehetra tao amin’ny toerana masina. (De 28:1, 8; 1Mp 4:20; 2Ta 31:4-10; Ml 3:10) Toa nampifanohitra karazan’olona roa i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 144:11-15, mba hampisehoana hoe iza no tena sambatra. Toa ireo nitoky tamin’ny vola aman-karena (jereo and. 11, 12) no nolazainy fa nirehareha hoe: “Feno ny trano fitehirizam-bokatray sady misy vokatra isan-karazany ... Sambatra ny olona mahomby toy izany!” Toa tian’i Davida haseho anefa hoe Iza no iavian’ny tena fahasambarana, ka hoy izy: “Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”
Heviny an’ohatra. Noharin’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny vary hangonina ireo tena nibebaka, fa tamin’ny akofa kosa ny Fariseo sy Sadoseo, izay nampitandremany hoe: “Ilay ho avy ao aoriako ... [dia hanangona] ny vary ... ho ao an-trano fitehirizana azy, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.” (Mt 3:7-12; Lk 3:16, 17) “Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, hoy i Jesosy. Hangonin’ireo anjely “mpijinja” ny “tsimparifary” mba hodorana, fa “ny vary” kosa hangonina ‘ao an-trano fitehirizan’Andriamanitra vokatra’, na ny fiangonana kristianina efa voadio. Hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy harovany izy ireo ao.—Mt 13:24-30, 36-43.
Toy ny hoe ao anaty ‘trano fitehirizan’i Jehovah’ ireo zavatra noforoniny izay fehezin’ny lalàn’ny natiora, sy ireo zavatra atokany mba hampiasainy amin-java-kendrena manokana. “Toy ny hoe asiany fefy manodidina”, ohatra, ny ranomasina ary “ataony anaty trano fitehirizana.” (Sl 33:7) Nanontany an’i Joba toy izao izy momba an’ireo zavatra eny amin’ny natiora izay amelezany ny fahavalony indraindray: “Efa niditra tao amin’ny trano fitehirizana ny lanezy ve ianao? Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana ny havandra, izay tehiriziko ho amin’ny fotoam-pahoriana, ho amin’ny andro anafihana sy anaovana ady?” (Jb 38:22, 23; ampit. Js 10:8-11; Mpts 5:20, 21; Sl 105:32; 135:7.) Anisan’ny ‘fitaovam-piadiana ho fanamelohana’ navoakan’i Jehovah avy tao amin’ny “trano fitehirizany” ny tafik’i Media sy Persa, izay notarihin’i Kyrosy Mpanjaka hanafika an’i Babylona.—Je 50:25, 26.