-
Jehovah—Ilay Manana Hery Tsy TohaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Martsa
-
-
5. Inona no porofon’ny herin’i Jehovah hitantsika eo amin’ny asany?
5 Raha ‘mandinika ny asan’Andriamanitra’ tahaka an’i Davida isika, dia hahita porofon’ny heriny hatraiza hatraiza — eo amin’ny rivotra sy ny onja, eo amin’ny kotroka sy ny tselatra, eo amin’ny ony mahery sy ny tendrombohitra mijoalajoala. (Salamo 111:2; Joba 26:12-14). Ankoatra izany, araka ny nampahatsiahivin’i Jehovah an’i Joba, dia manaporofo ny heriny koa ny biby. Anisan’izany ny Behemota, na lalomena. Hoy i Jehovah tamin’i Joba: “Eo amin’ny valahany ny heriny, (...) tahaka ny anja-by ny taolany.” (Joba 40:15-18). Fantatra tsara tamin’ny andron’ny Baiboly koa ny hery mahatahotry ny ombidia, na ombimanga, ary nivavaka i Davida mba hitsimbinana azy tamin’ny “vavan’ny liona” sy ny “tandroky ny ombimanga”.—Salamo 22:21; Joba 39:9-11.
6. Sary mampiseho inona ny omby, ao amin’ny Soratra Masina, ary nahoana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Noho ny tanjaky ny omby, dia ampiasaina mba hampisehoana an’ohatra ny herin’i Jehovah izy io ao amin’ny Baiboly.c Ny fahitana azon’ny apostoly Jaona momba ny seza fiandrianan’i Jehovah, dia milazalaza ny amin’ny zavamananaina efatra, ka ny iray amin’ireo dia nanana endrik’omby. (Apokalypsy 4:6, 7). Miharihary fa ny hery no iray amin’ireo toetra lehibe efatr’i Jehovah, aseho an’ohatra amin’ny alalan’ireo kerobima ireo. Ireo toetra hafa dia ny fitiavana, ny fahendrena, ary ny fitiavana ny rariny. Lafiny iray tena lehibe amin’ny toetran’Andriamanitra ny hery, ka ny fahatakarana mazava tsara ny heriny sy ny fomba ampiasany azy io, dia hahatonga antsika ho akaiky kokoa azy, ary hanampy antsika hanahaka ny ohatra navelany, amin’ny fampiasana amin’ny fomba tsara izay hery ananantsika.—Efesiana 5:1.
-
-
Jehovah—Ilay Manana Hery Tsy TohaNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Martsa
-
-
c Ilay ombimanga resahina ao amin’ny Baiboly dia azo inoana fa karazana ombidia atao hoe aurochs (latinina: urus). Roa arivo taona lasa izay, dia hita tany Gaule (Frantsa ankehitriny) ireo biby ireo. Nanoratra izao manaraka izao i Jules César raha nilazalaza ny mombamomba azy ireo: “Latsaka kely fotsiny amin’ny an’ny elefanta ny haben’ireo uri ireo, kanefa ny toetoetrany sy ny lokony ary ny bikany, dia toy ny an’ny omby. Lehibe ny tanjak’izy ireo, ary malaky be ny hafainganam-pandehany: tsy amelàny na olona na biby raha vao hitan’ny masony.”
-