-
“Jereo Tsara ny Voro-manidina”Mifohaza!—2014 | Aogositra
-
-
Matetika ny Baiboly no miresaka momba ny vorona, mba handraisantsika lesona. Tena mahery mandeha, ohatra, ny aotirisy ka hoy Andriamanitra tamin’i Joba: “Rehefa akopakopany ambony ny elany, dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy.”a (Joba 39:13, 18) Nanontany koa izy hoe: ‘Noho ny fahiratan-tsainao ve no isidinan’ny hitsikitsika lehibe? Sa noho ny baikonao no isidinan’ny voromahery?’ (Joba 39:26, 27) Inona no lesona avy amin’izany? Mila manaiky ny fahendren’Andriamanitra isika, satria tsy avy amintsika mihitsy ny fahaizan’ny vorona.
-
-
“Jereo Tsara ny Voro-manidina”Mifohaza!—2014 | Aogositra
-
-
a Ny aotirisy no vorona lehibe indrindra mbola misy hatramin’izao. Izy koa no mahery mandeha indrindra, satria mahatratra 72 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany raha lalana akaikikaiky.
-