-
JehovahFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ilay adihevitra lehibe indrindra. Azo antoka fa fantatr’i Satana hoe manaraka fitsipika i Jehovah, fa tsy miovaova na mora tezitra. Raha tsy mahafehy tena mantsy izy, dia ho naringany avy hatrany i Satana raha vao nikomy. Tsy notoherin’i Satana àry hoe manan-kery handringanana azy i Jehovah. Hita tamin’ny teniny tamin’i Eva kosa fa tsy nekeny ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao, sy ny zony hitaky ny hankatoavan’ny zavaboariny rehetra azy sy ny tsy hivadihan’izy ireo aminy. (Ge 3:1-6) Resahin’ny bokin’i Joba koa fa nahariharin’i Jehovah tamin’ny anjeliny rehetra ny fomba fihevitr’ilay Fahavalony. Nilaza i Satana fa tsy hoe nifikitra tamin’i Jehovah na tia azy tamin’ny fo manontolo i Joba (sy ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra), matoa tsy nivadika.—Jb 1:6-22; 2:1-8.
-
-
SatanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Niseho teo anatrehan’i Jehovah sy nandrafy ary nihantsy azy i Satana, araka ny fitantaran’ny Baiboly ny zava-nitranga iray tany an-danitra. Nilaza izy fa afaka mitaona an’i Joba mpanompon’Andriamanitra sy ny mpanompony hafa rehetra hivadika aminy. Tsy rariny, hono, ny nataon’Andriamanitra satria nomeny ny zava-drehetra i Joba sady narovany, ka tsy afaka nitsapa an’i Joba i Satana mba hahitana izay tena tao am-pon’i Joba. Ratsy, hono, ny toe-pon’i Joba, raha ny marina, satria fitiavan-tena fotsiny no nanompoany an’Andriamanitra. Hoy i Satana: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.”—Jb 1:6-12; 2:1-7; jereo FAHEFANA FARA TAMPONY.
Namela an’i Satana hampahory an’i Joba àry i Jehovah. Tsy nisalovana izy rehefa nitaona Sabeanina handroba ny biby fiompin’i Joba i Satana, na rehefa nandatsaka afo avy any an-danitra mba handevona an’ireo ondry sy mpiandry ondry. Nolazain’ny mpanompon’i Joba hoe “afon’Andriamanitra” ilay izy. Tsy fantatra anefa raha varatra na afo hafa ilay izy. Nandefa Kaldeanina mpandroba nanao andiany telo sy rivo-mahery koa i Satana, ka maty daholo ny zanak’i Joba ary potika ny fananany. Farany, nataony voan’ny aretina maharikoriko i Joba.—Jb 1:13-19; 2:7, 8.
Anjely tena mahery àry i Satana, ary lozabe sy tia mamono olona.
Tsara homarihina anefa fa nanaiky i Satana hoe tsy afaka nandika ny didin’Andriamanitra izy, satria tsy sahiny ny nanohitra ny herin’Andriamanitra sy ny fahefany rehefa tsy navelany hamono an’i Joba izy.—Jb 2:6.
-
-
Fahefana Fara TamponyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nampangaina ho tia tena ny mpanompon’Andriamanitra. Mbola nitarin’i Satana ihany ilay adihevitra, rehefa nilaza toy izao tamin’Andriamanitra izy momba an’i Joba, mpanompony tsy nivadika: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao? Tsy ianao ve no niaro azy sy ny tranony ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” Hoy koa izy: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Jb 1:9-11; 2:4) Niampanga an’i Joba ho tsy tena tia an’Andriamanitra àry i Satana. Nanompo sy nankatò an’Andriamanitra, hono, i Joba noho ny fitiavan-tena sy fitadiavana tombontsoa fotsiny. Nendrikendrehin’i Satana ho tsy mahay mitondra àry Andriamanitra, ary ho tsy tena manohana ny fitondrany ny mpanompony. Te hilaza izy hoe tsy hisy hanohana ny zon’i Jehovah hitondra ny olombelona fa hivadika aminy daholo, raha avela hitsapa azy ireo izy.
-