Aseho miharihary ilay Menarana
“Ary tamin’ny indray andro nony avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.” — JOBA 1:6.
1. a) Avy aiza no niavian’ny anarana hoe “Satana” ary inona no heviny? b) Impiry no hita ao amin’ny Soratra Masina ny anarana hoe Satana, ary fanontaniana inona avy no mipetraka noho izany?
INONA avy no fiandohana sy hevitry ny anarana hoe “Satana”? Ao amin’ny Baiboly dia voaforon’ny litera hebreo telo hoe ש (Sin), ט (Teth), sy נ (Noun) izany. Arahin’ny teboka zanatsoratra, ireo litera ireo ka mahaforona ny teny hoe “Satana”, izay, araka ny filazan’i Edward Langton, dia “avy amin’ny fototeny midika hoe ‘manohitra’, ‘tonga mpanohitra na manao zavatra amim-panoherana’ ”. (Jereo 1 Petera 5:8.) Na dia hita in-50 mahery ao amin’ny Baiboly aza ny anarana hoe “Satana”, dia in-18 monja no ahitana azy io ao amin’ny Soratra hebreo, ao amin’ny bokin’ny 1 Tantara sy Joba ary Zakaria ihany. Mipetraka àry ireto fanontaniana ireto: Oviana no nahatsapan’ny olona ny fikomiana sy ny zavatra ataon’i Satana? Andalan-teny aiza ao amin’ny Soratra hebreo moa no nahalalana voalohany an’i Satana tamin’ny fomba mazava?
2. Fanontaniana inona no tsy nahazo valiny avy hatrany taorian’ny fikomian’i Adama sy Eva?
2 Hazavain’ny Baiboly amin’ny fomba tsotra nefa lalina ny fomba nipoiran’ny fahotana sy ny fikomiana teto an-tany, tao amin’ilay zaridaina paradisa, tany Atsinanana Afovoany (jereo Genesisy Toko faha-2 sy faha-3). Na dia ampitovin’io fitantarana io amin’ny menarana iray aza ilay mpamporisika ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva, dia tsy manome famantarana ahafahana mahafantatra ny hery na fahaizana miafina tao ambadik’ilay feo avy amin’ny menarana izany. Adama anefa, dia nanana fotoana feno nieritreretana ireo zava-niseho tao Edena, izay niafara tamin’ny fandroahana azy avy tao amin’io saha paradisa io. — Genesisy 3:17, 18, 23; 5:5.
3. Na dia tsy voafitaka aza izy, fahotana inona no nataon’i Adama, ary inona no vokatr’izany ho an’ny olombelona?
3 Miharihary fa fantatr’i Adama fa tsy nanana fahaizana hiteny amim-pahalalana tahaka ny olombelona ny biby. Fantany koa fa talohan’ny nakana fanahy an’i Eva, Andriamanitra dia tsy niresaka taminy tamin’ny alalan’ny biby mihitsy. Iza àry no nilaza tamin’ny vadiny mba tsy hankato an’Andriamanitra? Araka ny filazan’i Paoly, dia ny vehivavy no voafitaka tanteraka fa tsy Adama (Genesisy 3:11-13, 17; 1 Timoty 2:14). Angamba voavak’i Adama fa zavaboary tsy hita maso iray no nanolotra azy ireo lalana hafa noho ny fankatoavana an’Andriamanitra. Na dia tsy niresaka mivantana taminy aza ny menarana, Adama dia nifidy ny hanaraka ny vadiny tao amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana. Tamin’izany asa niniana natao izany dia namaky ny lasitry ny fahatanterahana izy, nampiditra ny fahotana teo amin’izao tontolo izao ary nampahameloka azy ho faty araka izay nanambarana azy. Araka izany, tamin’ny alalan’ny menarana, Satana dia tonga ny mpamono olona voalohany. — Jaona 8:44; Romana 5:12, 14.
4, 5. a) Didim-pitsarana ara-paminaniana inona moa no notononina tamin’ilay menarana? b) Zavatra saro-pantarina inona avy moa no noraketin’io faminaniana io?
4 Ny fikomiana tao Edena dia nitarika an’Andriamanitra hanonona didim-pitsarana ara-paminaniana mampiseho “zava-miafina masina” iray, izay tsy hampahafantarina tanteraka raha tsy afaka an’arivony taona maromaro. Nanambara toy izao tamin’ny menarana Andriamanitra: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Efesiana 5:32, MN; Genesisy 3:15.
5 Nisy hevitra maro saro-pantarina tao amin’izany faminaniana fototra izany. Iza marina moa ilay “vehivavy” resahina? Moa ve Eva izany, sa kosa vehivavy iray ara-panoharana mbola lehibe lavitra? Etsy an-daniny, iza no asehon’ny ‘taranaky ny vehivavy sy ny ‘taranaky ny menarana’? Ary iza moa ilay menarana izay ny taranany dia hankahala ny taranaky ny vehivavy? Araka ny ho hitantsika, Jehovah dia toa nanapa-kevitra fa homena valiny feno kokoa amin’ny fotoana mety ireo fanontaniana ireo. — Jereo Daniela 12:4 sy Kolosiana 1:25, 26.
Famantarana hafa koa ny fikomiana tany an-danitra
6. Taloha kelin’ny safodrano, fisehoan-javatra inona avy no nampiseho fa narehitra tany an-danitra ny fikomiana iray?
6 Araka ny asehon’ny tantara ao amin’ny Baiboly, taloha kelin’ny safodrano, raha latsaka tao amin’ny fahotana efa hatramin’ny taonjato dimy ambin’ny folo ny olona, dia nisy fisehoan-javatra hafa nanamafy fa nisy zavaboary ambony noho ny olombelona niodina tamin’Andriamanitra. Mampahafantatra antsika ny fitantaran’ny Baiboly fa “hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy”. Ny taranaka metisy teraka tamin’ireny firaisana tsy araka ny natiora ireny, dia nantsoina hoe “Nefilima”. Izy ireny no “olo-mahery hatraizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza”. (Genesisy 6:1-4; jereo Joba 1:6 mba hahalalana izay antsoina hoe “zanak’Andriamanitra”.) Taonjato 24 teo ho eo tatỳ aoriana dia nanisy fitenenana fohy ny amin’ireny fisehoan-javatra ireny Joda tamin’ny fanoratana hoe: “Ary ny anjely izay (...) nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe.” — Joda 6; 2 Petera 2:4, 5.
7. Na dia teo aza ny faharatsian’ny olona, inona no tsy nolazaina ao amin’ireo boky ara-tantaran’ny Baiboly ka mahagaga antsika?
7 Tamin’izany fotoana nialoha ny safodrano izany, dia ‘be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy tamin’ny fony dia ratsy ihany nandritra ny andro’. Kanefa ao amin’ny boky ara-tsindrimandrin’ny Genesisy, Satana dia tsy nampahafantarina amin’ny fomba hentitra ho ilay mpamporisika mahery ny fikomian’ny anjely sasany sy ny faharatsian’ny olona (Genesisy 6:5). Raha ny marina nandritra ny tantarany, Isiraely sy Joda dia latsaka imbetsaka tao amin’ny fanompoan-tsampy sy ny fanompoam-pivavahan-diso, kanefa tsy nanisy filazana mivantana an’i Satana ho antony tsy hita maso mahatonga ny fivadihan’ireo firenena ireo ny mpanoratra ny bokin’ny Mpitsara sy Samoela ary Mpanjaka nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra na dia indray mandeha aza. Araka ny fieken’ny tenany anefa, dia “nizahazaha teny amin’ny tany” izy. — Joba 1:7; 2:2.
8. Teo am-piandohan’ireo fisedrana nahazo azy, moa tsapan’i Joba ve ny andraikitra nentin’i Satana teo amin’ny fijaliana nanjo azy? Ahoana no ahafantarantsika izany?
8 Na dia rehefa mandinika ny fitantarana lehibe momba ny fiainan’i Joba sy ny nisedrana azy aza isika, dia tsapantsika fa tsy nihevitra mihitsy an’i Satana ilay mpanohitra, ho nahatonga ireo loza taminy io lehilahy io. Tamin’izany fotoana izany dia toa tsy fantany ilay raharaha izay navela hovalian’ny fitondrantenany (Joba 1:6-12). Tsy fantatr’i Joba fa ireo fisedrana nahazo azy dia nentin’i Satana, izay niahiahy ny amin’ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah. Araka izany, rehefa nanakiana azy ny vadiny tamin’ny filazana hoe: “Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty”, dia hoy fotsiny izy: “Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?” Koa satria tsy nahalala ny tena antony nahatonga ny fahoriany izy, dia toa noheveriny fa avy tamin’Andriamanitra ireny ka tokony hekeny noho izany. Nosedraina mafy tokoa àry ny tsy fivadihan’i Joba. — Joba 1:21; 2:9, 10.
9. Fanontaniana inona no azo apetraka momba an’i Mosesy araka ny fifandrindran-kevitra?
9 Mipetraka ny fanontaniana iray izao. Raha toa araka ny iheverantsika azy ka Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba, dia fantany fa nivezivezy tetỳ an-tany Satana. Nahoana àry no tsy manonona mihitsy an’i Satana izy ao amin’ny boky dimy antsoina hoe “Pantateuque”, izay nosoratany koa? Nahoana no resahina mahalana toy izany ny amin’i Satana ao amin’ny Soratra hebreoa?
Tsy aharihary tanteraka Satana
10. Nahoana no tsy mampiharihary amin’ny fomba feno an’i Satana ny Soratra hebreo?
10 Sady nanameloka ireo asa mifandray amin’ny fanaon’ny demonia Jehovah noho ny fahendreny, no toa nanana antony tsara koa hiahiana mba tsy haseho amin’ny fomba feno ny maha-izy an’ilay Mpanohitra azy dia Satana (Levitikosy 17:7; Deoteronomia 18:10-13; 32:16, 17; 2 Tantara 11:15). Noho izany, na dia tsy maintsy ho nanana fahalalana sasany an’i Satana sy ny amin’ny anjara asany tamin’ny fikomiana nitranga tany an-danitra aza ireo mpanoratra ny Soratra hebreo, Andriamanitra dia nanome tsindrimandry azy ireny mba hamaritany fotsiny ny hanamelohany ireo fahotana nataon’ny mpanompony sy ireo firenena nanodidina azy ary mba hampitandremany azy ireny ny amin’ny faharatsiany (Eksodosy 20:1-17; Deoteronomia 18:9-13). Noho izany dia tsy hita firy ao ny anaran’i Satana.
11, 12. Ahoana no ahafantarantsika fa mahalala ny fisian’i Satana sy ny fitaomana entiny ireo mpanao ny Soartra hebreo?
11 Ny mpanoratra ny Soratra hebreo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia nahafantatra ireo zava-niseho tao Edena sy ny fahasimban’ireo “zanak’Andriamanitra” ary ny bokin’i Joba. Fantany àry fa Satana dia nampihatra fitaoman-dratsy sy mahery noho ny an’ny olona. Zakaria mpaminany izay nanoratra tany amin’ny fiafaran’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nahita tao amin’ny fahitana an’i Josoa mpisoronabe sy “Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy. Ary hoy (ny anjelin’i, MN ) Jehovah tamin’i Satana: ‘Hananatra anao anie, Jehovah ry Satana’ (Zakaria 3:1, 2). Ezra mpanora-dalàna tetsy an-daniny, tamin’ny taonjato faha-5 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nanambara tao amin’ny tantaran’ny Isiraely sy Joda izay nosoratany fa “Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ny Isiraely ka nanome saina an’i Davida hanisa ny Isiraely”. — 1 Tantara 21:1.
12 Araka izany, tamin’ny andron’i Zakaria, ny fanahy masina dia namela ny Soratra masina hampiharihary mazava kokoa ny anjara asan’i Satana. Nefa mbola tsy maintsy niandry taonjato dimy vao nanala sarona tanteraka an’io zavaboary ratsy fanahy io ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny fampiasana ny Baiboly, ahoana no azontsika amantarana ny antony nilana fotoana tahaka izany talohan’ny nanalana sarona tanteraka an’i Satana?
Ny fanalahidin’ilay zavatra saro-pantarina
13-15. a) Fahamarinana fototra inona avy moa no ahafahantsika mahatakatra ny antony tsy nanalan’ny Soratra hebreo sarona tanteraka an’i Satana? b) Tamin’ny nahatongavan’i Jesosy, tamin’ny fomba ahoana no nampiharihariana an’i Satana?
13 Ho an’ny kristiana izay mino ny Tenin’Andriamanitra, ny fanalahidy ahafahana mamaly an’ireo fanontaniana nipetraka tetsy aloha, dia tsy omen’ny fanakianana ambony antsika toy ny hoe boky momba ny haisoratra fotsiny ny Baiboly, vokatra tsotran’ny fisainan’olombelona. Izany fanalahidy izany kosa dia omen’ny fahalalana fototra roa hita ao amin’ny Baiboly. Voalohany, araka ny nanoratan’i Solomona mpanjaka azy, ‘ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro”. (Ohabolana 4:18; jereo Daniela 12:4; 2 Petera 1:19-21.) Nampahafantatra tamin’ny fomba miandalana ny fahamarinana ao amin’ny Teniny Andriamanitra ary tamin’ny fotoana mety, mifanaraka amin’izay ilain’ny mpanompony sy ny fahaizany mahatakatra izany fahamarinana izany. — Jaona 16:12, 13; jereo 6:48-69.
14 Ny faharoa amin’ireo fahamarinana fototra anankiroa ireo dia aseho ao amin’ireto teny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty mpianatra kristiana ireto: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, dia mahasoa koa ho fampianarana (...), mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17). Jesosy ilay Zanak’Andriamanitra dia handeha hampiharihary an’i Satana ary izany toe-javatra izany dia horaketina ao amin’ny Soratra Masina. Ho ampy fitaovana àry ny kongregasiona kristiana mba hahafahatra amin’ny fanoherana an’i Satana ka hiaro ny fiandrianan’i Jehovah. — Jaona 12:28-31; 14:30.
15 Teo ambonin’ireo fototra ireo no nalana tsikelikely ny sarna nipetraka teo amin’ny zavatra niafina tao amin’ny Genesisy 3:15. Teo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina na hery miasan’Andriamanitra, ny Soratra hebreo dia nanipy tara-pahazavana tamin’ny Mesia nambara na Taranaka (Isaia 9:6, 7; 53:1-12). Tao anatin’izany fotoana izany ihany, no nanomezany fanazavana sasantsasany ny amin’i Satana, Mpanohitra an’Andriamanitra sy fahavalon’ny olombelona. Nefa tamin’ny nahatongavan’i Jesosy dia naseho niharihary tanteraka Satana satria namely tamin’ny fomba niharihary sy nivantana an’ilay Taranaka nampanantenaina, dia Jesosy Kristy, izy. Ny anjara asan’ilay “vehivavy”, ny fandaminana ara-panahy sy any an-danitra an’i Jehovah sy ny an’ilay Taranaka, Jesosy Kristy, dia nohazavaina tao anatin’ny Soratra grika kristiana arakaraka ny fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany. Niaraka tamin’izany, dia nohazavaina bebe kokoa hatrany ny anjara asan’i Satana, ilay “menarana ela”. — Apokalypsy 12:1-9; Matio 4:1-11; Galatiana 3:16; 4:26.
Aharihary ilay zava-miafina masina
16, 17. Momba ny inona moa ilay “zava-miafina ny amin’i Kristy”?
16 Ny apostoly Paoly dia nanoratra betsaka momba ny “zava-niafina ny amin’i Kristy”. (Efesiana 3:2-4; Romana 11:25; 16:25.) Io zava-niafina masina io dia nifandray tamin’ilay tena “taranaka”, izay amin’ny farany dia hanorotoro an’ilay menarana tany am-boalohany, Satana Devoly (Apokalypsy 20:1-3, 10). Araka io zava-miafina io dia Jesosy no mpikambana lehibe indrindra amin’izany “taranaka” izany, nefa misy “mpiray lova” aminy, mpiray lova nofidina avy tamin’ny Jiosy aloha, avy eo tamin’ny Samaritana sy ny Jentilisa, mba ho tratra ny isa fenon’ireo mpikambana amin’izany “taranaka” izany. — Romana 8:17; Galatiana 3:16, 19, 26-29; Apokalypsy 7:4; 14:1.
17 Manazava i Paoly hoe: “Izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany.” Ary inona moa izany zavatra tsy nampahafantarina izany? “Dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara”. — Efesiana 3:5, 6; Kolosiana 1:25-27.
18. a) Ahoana no teny anazavan’i Paoly fa nilaina ny fotoana mba hampahafantarana ny hevitr’ilay “zava-miafina”? b) Hahatonga ho afaka hahafantatra inona ny amin’ilay “menarana ela” izany fanalana sarona izany?
18 Tohina lalina ny fon’i Paoly satria nofidina izy mba hanambara “ny haren’i Kristy tsy hita lany, ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voàfina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra”. Milaza toy izao izy ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosiana: “Ny zava-miafina (...) voàfina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ny olony masina”. Araka ny fifandrindran-kevitra, raha naseho ny zava-miafina momba ilay “taranaka” tamin’ny farany, dia hahafahana manala sarona tanteraka koa an’ilay Mpanohitra lehibe, ny “menarana ela” izany. Toa tsy ta-hanome toerana lehibe ho an’ilay raharaha napetrak’i Satana Jehovah talohan’ny nahatongavan’ny Mesia. Iza tokoa moa no ho tsara toerana amin’ny fampisehoana miharihary an’i Satana raha tsy ilay Taranaka, dia ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy? — Efesiana 3:8, 9; Kolosiana 1:26.
Asehon’i Jesosy miharihary ilay Mpanohitra
19. Ahoana no nampihariharian’i Jesosy an’ilay Mpanohitra?
19 Teo am-piandohan’ny fanompoany, Jesosy dia nanohitra tamin’ny fomba hentitra ilay Mpaka fanahy, tamin’ny filazana taminy hoe: “Mandehana hianao ry Satana; fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’ ” (Matio 4:3, 10). Tamin’ny toe-javatra hafa iray Jesosy nampiseho miharihary ireo fahavalony ara-pivavahana izay nanendrikendrika azy sady nitady hamono azy. Nampiharihary an’ilay nitarika azy ireny ihany koa izy, ka nasehony fa izy io no ilay zavaboary mahery izay niteny tamin’ny alalan’ny menarana tao Edena. Hoy izy tamin’ireo: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” — Jaona 8:44.
20. Inona no nahafahan’i Jesosy nanala sarona an’i Satana?
20 Inona no nahafahan’i Jesosy nampiharihary an’i Satana tamim-pahasahiana toy izany? Ahoana no nahafahany nahalala azy tsara tahaka izany? Niara-niaina tamin’i Satana tany an-danitra izy. Eny, Jesosy, ny Teny, dia nahafantatra an’i Satana talohan’ny niodinany tamim-piavonavonana hanohitra an’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana (Jaona 1:1-3; Kolosiana 1:15, 16). Nodinihiny ny nampiasany tamin-kafetsena ny menarana tao Edena. Tsapany ny fomba nitarihany an-kolaka ny sandrin’i Kaina mba hamono ny rahalahiny (Genesisy 4:3-8; 1 Jaona 3:12). Taty aoriana, dia teo amin’ny kianjan’i Jehovah tany an-danitra Jesosy rehefa ‘avy ireo zanak’Andriamanitra, ka mba tonga koa Satana tafaharo taminy’. (Joba 1:6; 2:1.) Eny, fantatr’i Jesosy tsara i Satana ary vonona izy hampiharihary azy ho toy ny mpandainga, mpamono olona sy mpanendrikendrika ary mpanohitra an’Andriamanitra. — Ohabolana 8:22-31; Jaona 8:58.
21. Fanontaniana inona avy no tsy maintsy mbola hovaliantsika?
21 Koa satria manan-kery eo amin’ny olombelona ny Tantara io fahavalo mahery io, dia mipetraka ireto fanontaniana manaraka ireto: Mbola hatraiza no hampihariharian’ny Soratra grika kristiana an’i Satana? Ahoana no azontsika anakanana ny hafetseny ka hitandroantsika ny fahatokiana kristiana? — Efesiana 6:11, Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra (anglisy).
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tao amin’ny bokiny hoe Ny Devoly: ny fahatsapana ny ratsy, fahizay ka hatreo amin’ny kristianisma voalohany (anglisy), dia nanoratra toy izao ny profesora Russell: “Tsy manome lalana ny teolojia jiosy sy kristiana ankehitriny handa ny fisian’ny Devoly ny tsy hampiharihariana azy io amin’ny fomba feno ao amin’ny Testamenta Taloha. Araka ny fahalalana ny fiavian’ny teny dia ho diso ny fiheverana fa ao amin’ny endriny tranainy indrindra ihany no tokony hahitana ny tena hevitry ny teny na ny foto-pisainana iray. Miharihary ny fahamarinana ara-tantara rehefa mandeha ny fotoana.” — Pejy faha-174.
Tadidinao ve?
◻ Zavatra saro-pantarina inona avy mifandray amin’ny Genesisy 3:15 moa no mitaky fanazavana?
◻ Fisehoan-javatra inona avy manaporofo ny amin’ny fikomiana nokotrehina tany an-danitra moa no resahin’ny Soratra hebreo?
◻ Inona ireo fahamarinana roa izay manampy antsika hahafantatra ny antony iresahan’ny Soratra hebreo firy ny amin’i Satana?
◻ Inona moa no ifandraisan’ny “zava-niafina ny amin’i Kristy” sy ny fanambarana ny maha-izy sy ny anjara asan’i Satana?
[Sary, pejy 9]
Tsapa tamin’ny fomba mazava teto ambonin’ny tany ny fitaoman’i Satana talohan’ny safodrano.
[Sary, pejy 10]
Satana, izay fisiana tena misy, no niahiahy ny amin’ny fahatokian’i Joba teo anatrehan’Andriamanitra.