Fianarana ny Amin’ny Fomba Hiatrehana Ireo Zava-manahirana
VITSY ny olona no efa nizaka ireo zava-manahirana rehetra hitan’i Joba. Tao anatin’ny fe-potoana fohy izy dia tototry ny famoizana ny hareny sy ny asa fivelomany, ny fahafatesana mampalahelo nanjo ireo zanany rehetra, sy ny aretina iray tena nampanaintaina tamin’ny farany. Nailik’ireo havany aman-tsakaizany izy, ka nampirisihin’ny vadiny ‘hahafoy an’Andriamanitra ka ho faty’! — Joba 2:9; 19:13, 14.
I Joba anefa dia loharanom-pampaherezana miavaka ho an’izay rehetra mahita fisedrana mitovy amin’izany. Ny lafiny manorina amin’ny niafaran’ny fisedrana nihatra taminy dia mampiseho fa mampifaly ny fon’i Jehovah ny fiaretana eo anoloan’ny toe-javatra sarotra, rehefa atosiky ny fifikirana amin’Andriamanitra amim-pahatsorana isika, fa tsy noho ny tombontsoa manokana. — Joba, toko 1, 2; 42:10-17; Ohabolana 27:11.
Mirakitra fianarana sarobidy ny amin’ny fomba hiatrehana ireo zava-manahirana koa io fitantarana ao amin’ny Baiboly io. Manome ohatra manaitra ny amin’ny fomba tokony — sy tsy tokony — hanoroana hevitra olona iray miatrika fisedrana izy io. Ankoatra izany, ny fanandraman-javatra hitan’i Joba mihitsy dia afaka manampy antsika hanao zavatra amin’ny fomba voalanjalanja rehefa mahita ny tenantsika voaronjin’ny toe-javatra sarotra isika.
Fianarana mba tsy hanomezana torohevitra tsy manorina
Ny fitenenana hoe “mpampionona an’i Joba” dia nanjary nitovy hevitra tamin’ny hoe olona iray izay manaratsy ny toe-javatra efa sarotra iray, fa tsy miara-mizaka fahoriana amin’ny fotoam-pahavoazana. Nefa na dia teo aza ny laza mendrika azy azon’ny tenan’ireo naman’i Joba telo lahy, dia tsy tokony hihevitra isika fa ratsy tanteraka ny antony nanosika azy ireo. Amin’ny fetra sasany, dia mety ho naniry hanampy an’i Joba araka ny fomba fiheviny diso izy ireo. Nahoana izy ireo no tsy nahomby? Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavany ho fitaovan’i Satana, izay tapa-kevitra ny handrava ny tsy fivadihan’i Joba?
Izy ireo dia nanorina saika ny toroheviny rehetra teo amin’ny fiheveran-diso, dia ny hoe: tsy tonga afa-tsy amin’olona manota ny fijaliana. Tao amin’ny lahateniny voalohany dia nilaza toy izao i Elifaza: “Iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.” (Joba 4:7, 8). I Elifaza dia nino, tamin’ny fomba diso, fa voaro amin’ny loza ny tsy manan-tsiny. Nanjohy hevitra izy hoe, satria i Joba nahita zava-nanahirana sy fijaliana maro be, dia tsy maintsy ho nanota tamin’Andriamanitra izy.a I Bildada sy i Zofara koa tahaka izany, dia nanantitrantitra ny hibebahan’i Joba tamin’ny fahotany. — Joba 8:5, 6; 11:13-15.
Ireo namany telo lahy dia nanampy trotraka ny fahorian’i Joba tamin’ny fanehoana hevitra manokana, fa tsy ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Nilaza mihitsy aza i Elifaza fa ‘Andriamanitra dia tsy matoky ireo mpanompony’ ary tsy zava-dehibe tamin’i Jehovah na olo-marina i Joba na tsia. (Joba 4:18; 22:2, 3). Sarotra ny misaintsaina fanamarihana mahakivy kokoa na tsy marina kokoa noho izany! Tsy mahagaga raha nanome tsiny an’i Elifaza sy ireo namany i Jehovah tatỳ aoriana noho io fitenenan-dratsy io. “Ianareo dia tsy mba nilaza izay marina mikasika ahy”, hoy izy. (Joba 42:7, NW ). Ny fanambarana mandratra indrindra anefa dia mbola hanaraka.
Tamin’ny farany, dia lasa lavitra i Elifaza rehefa nanao fiampangana mivantana. Noho ny tsy nahafahany nampiaiky an’i Joba ny amin’ny naha-meloka azy, dia namorona fahotana izay noheveriny fa tsy maintsy ho nataon’i Joba izy. “Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?”, hoy ny fanontanian’i Elifaza. “Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao hianao ka nanendaka ny akanjon’ny mahantra. Tsy nanome rano hosotroin’ny mangetaheta hianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ny noana.” (Joba 22:5-7). Tsy marim-pototra tanteraka ireo fiampangana ireo. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nilazalaza an’i Joba ho olona iray “marina sy mahitsy”. — Joba 1:8.
Ahoana no fihetsik’i Joba tamin’ireo famelezana am-bava natao tamin’ny tsy fivadihany manokana ireo? Mora ny mahazo fa nampahasosotra sy nahaketraka azy ihany izy ireny, nefa nahatonga azy ho tapa-kevitra kokoa tsy nisy toy izany hanaporofo fa tsy marina ireo fiampangana ireo. Raha ny marina, dia nanjary variana tanteraka tamin’ny fanamarinana ny tenany izy, ka tamin’ny lafiny iray, dia nanomboka nanome tsiny an’i Jehovah noho ny tarehin-javatra sarotra nisy azy. (Joba 6:4; 9:16-18; 16:11, 12). Ny raharaha niadian-kevitra tena tafiditra dia tsy hita ary nanjary ady hevitra tsinontsinona momba ny hoe olo-marina ve i Joba sa tsia, ilay resaka nifamaliana. Fianarana inona avy no azon’ny Kristiana raisina avy amin’io fihaonana nanomezana torohevitra mampalahelo io?
1. Tsy hihevitra ny Kristiana iray be fitiavana eo am-piandohana fa vokatry ny fahadisoana manokana nataon’ny rahalahy iray ireo zava-manahirana mahazo azy. Ny fanakianana henjana momba ireo fahadisoana tamin’ny lasa — na tena nisy na tao an-tsaina — dia mety hanakivy tanteraka ny olona iray eo am-piadiana mba hanohizana amin-kerim-po. Ny fanahy ketraka dia mila ny ‘hampaherezina’ fa tsy holevilevena. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Irin’i Jehovah ny hahatonga an’ireo mpiandraikitra ho “fierena amin’ny rivotra” fa tsy ho “mpampionona mahasorisorena” tahaka an-dry Elifaza sy Bildada ary Zofara. — Isaia 32:2; Joba 16:2.
2. Tsy tokony hiampanga velively isika raha tsy misy porofo mazava. Ny honohono na tombantombana — toy ireo nataon’i Elifaza — dia tsy fototra azo antoka mba hanaovana fanitsiana. Raha toa manao fiampangana diso, ohatra, ny loholona iray, dia azo inoana ny hamoizany ny fananan’ny olona fitokiana aminy ary mety hahatonga fihenjanana ara-pihetseham-po izy. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Joba rehefa nihaino torohevitra diso fiantefa toy izany izy? Namoaka ny fangirifiriany tamin’ny filazana tamim-panesoana toy izao izy: “Endrey! nanohana ny tsy manan-kery hianao”! (Joba 26:2). Ny mpiandraikitra iray be fiahiana dia ‘hanatanjaka ny tànana miraviravy’ fa tsy vao mainka hahatonga ilay zava-manahirana ho ratsy kokoa. — Hebreo 12:12.
3. Tokony haorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra fa tsy amin’ny hevitra manokana. Ireo hevitra naroson’ireo naman’i Joba dia sady tsy marina no manimba. Tsy nitarika an’i Joba hanakaiky kokoa an’i Jehovah izy ireny fa nahatonga azy hieritreritra kosa fa nisy fefy nampisaraka azy tamin’ilay Rainy tany an-danitra. (Joba 19:2, 6, 8). Ny fampiasana amim-pahakingana ny Baiboly, etsy an-kilany dia afaka mandamin-javatra sy mandrisika ny hafa ary manolotra tena fampiononana. — Lioka 24:32; Romana 15:4; 2 Timoty 3:16, NW; 4:2.
Raha mbola manampy ny Kristiana hamantatra ireo fandrika sasany ny bokin’i Joba, dia manome fianarana mahasoa ny amin’ny fomba hanomezana torohevitra mandaitra koa izy io.
Fomba hanomezana torohevitra
Samy hafa tanteraka tamin’ny an’ireo naman’i Joba telo lahy ny torohevitr’i Eliho, na tamin’ny votoatiny na tamin’ny fomba nifampiraharahan’i Eliho tamin’i Joba. Nampiasa ny anaran’i Joba izy ary niresaka taminy toy ny sakaiza iray, fa tsy toy ny hoe mpitsara azy. “Kanefa, masìna hianao, ry Joba, mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra tahaka anao ihany; eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.” (Joba 33:1, 6). I Eliho koa dia mailaka nanao teny fiderana an’i Joba noho ny fitondran-tenany mahitsy. “Nahita fahafinaretana tamin’ny fahamarinanao aho”, hoy izy nanome toky an’i Joba indray. (Joba 33:32, NW ). Ankoatra izany fomba fanoroana hevitra feno hatsaram-panahy izany, dia nahomby koa i Eliho noho ny antony hafa.
Koa satria i Eliho niandry tamim-paharetana mandra-pahavitan’ny hafa ny teniny, dia afaka nahatakatra ireo raharaha niadian-kevitra izy, talohan’ny nanolorany torohevitra. Raha heverina fa olona marina i Joba, dia ho nanafay azy ve i Jehovah? “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!”, hoy ny fihiakan’i Eliho. “Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy”. — Joba 34:10; 36:7.
Moa ve ny fahamarinan’i Joba no tena raharaha lehibe niadian-kevitra? I Eliho dia nanintona ny sain’i Joba ho amin’ny fomba fihevitra voalanjalanja. Nanazava toy izao i Eliho: “Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra? Jereo ary ny lanitra ka izahao; ary tsinjovy irỳ habakabaka, — avo loatra iny ka tsy takatrao.” (Joba 35:2, 5). Toy ny maha-avo kokoa ny habakabaka noho ny tenantsika, dia tahaka izany koa ny maha-avo kokoa ny lalan’i Jehovah noho ny antsika. Tsy amin’ny toerana mba hitsara ny fomba fanaony zavatra isika. “Koa izany no atahoran’ny olona Azy; tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’i Eliho. — Joba 37:24; Isaia 55:9.
Ny torohevitra marim-pototra nomen’i Eliho dia nanomana tamin’ny fomba nety ny sain’i Joba handray fampianarana fanampiny avy tamin’ny tenan’i Jehovah mihitsy. Raha ny marina, dia misy fifanitsian-kevitra manaitra eo amin’ny fandinihan’i Eliho indray ireo ‘asa mahagaga nataon’Andriamanitra’ ao amin’ny toko faha-37, sy ny tenin’i Jehovah mihitsy tamin’i Joba, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny toko faha-38 ka hatramin’ny faha-41. Niharihary fa nihevitra ireo raharaha araka ny fomba fihevitr’i Jehovah azy i Eliho. (Joba 37:14). Ahoana no ahafahan’ny Kristiana manahaka ny ohatra tsara dia tsara nasehon’i Eliho?
Tahaka an’i Eliho, ireo mpiandraikitra indrindra indrindra dia haniry hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy ho be fiantrana, ka hitadidy fa tsy lavorary koa ny tenany. Ho tsara ny hihainoan’izy ireo amim-pitandremana mba hahafantarany ireo toe-javatra rehetra voakasika sy hahatakarany an’ireo raharaha iadian-kevitra, alohan’ny hanomezany torohevitra. (Ohabolana 18:13). Ambonin’izany, amin’ny fampiasana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly dia afaka mahazo antoka izy ireo fa ny fomba fihevitr’i Jehovah no manapaka. — Romana 3:4.
Ankoatra ny fanomezany an’ireo loholona ireny fianarana azo ampiharina ireny, dia mampianatra antsika ny fomba hiatrehana ireo zava-manahirana amin’ny fomba voalanjalanja koa ny bokin’i Joba.
Fihetsika tsy tokony hananana eo anoloan’ny toe-javatra tsy mahafinaritra
Tototry ny fahoriany sady diso fanantenana noho ireo mpampionona sandoka azy i Joba, ka nanjary sosotra sy ketraka. “Foàna anie ny andro nahaterahako (...) Maharikoriko ahy ny aiko”, hoy ny fitarainany. (Joba 3:3; 10:1). Noho ny tsy fahalalany fa i Satana no meloka, dia nihevitra izy fa Andriamanitra no nahatonga ireo loza nahazo azy. Toa tsy rariny loatra raha izy, olo-marina, no tokony hijaly. (Joba 23:10, 11; 27:2; 30:20, 21). Io fihetsika io dia nanafina tamin’i Joba ny fiheverana hafa, ka nitarika azy hanakiana ny fifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olombelona. Nanontany i Jehovah hoe: “Hanaisotra ny rariny amiko va hianao? Hanameloka Ahy va hianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?” — Joba 40:8.
Angamba ny fihetsitsika avy hatrany rehefa tojo toe-javatra sarotra dia ny hahatsiaro ho niharam-pahavoazana, tahaka ny toa nataon’i Joba. Ny fihetsika mahazatra dia ny hoe: ‘Nahoana no izaho no tokony hijaly, fa tsy ny hafa? Nahoana ny hafa, izay ratsy lavitra noho izaho, no tokony hifaly amin’ny fiainana tsy dia ahitan-java-manahirana?’ Izany dia hevitra tsy manorina izay azontsika toherina, amin’ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra.
Isika dia tsy tahaka an’i Joba fa afaka mahatakatra ireo raharaha lehibe iadian-kevitra voakasika. Fantatsika fa i Satana dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Araka ny asehon’ny bokin’i Joba, dia ho finaritra aoka izany ny Devoly handrava ny tsy fivadihantsika, amin’ny fitondrana zava-manahirana ho antsika. Tapa-kevitra ny hanaporofo ny fihamboany izy fa isika dia Vavolombelon’i Jehovah raha misy patsa fotsiny. (Joba 1:9-11; 2:3-5). Hanana herim-po ve isika hanohana ny fiandrianan’i Jehovah ka amin’izany fomba izany dia hanaporofo fa mpandainga ny Devoly?
Ny ohatr’i Jesosy sy ny an’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky hafa tsy tambo isaina, dia mampiseho fa saika tsy azo halavirina ny karazana fijaliana sasany ao anatin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa tsy maintsy vonona “hitondra ny hazo fijaliany” izy ireo raha maniry hanaraka azy. (Lioka 9:23). Ny ‘hazo fijaliantsika’ manokana dia mety ho iray na maromaro amin’ireo zava-tsarotra niaretan’i Joba: tsy fahasalamana, ny fahafatesan’ireo olon-tiana, fahaketrahana, zava-tsarotra ara-bola, na fanoherana avy amin’ireo tsy mpino. Na inona na inona karazan-java-manahirana mety hatrehintsika, dia misy lafiny manorina amin’ilay tarehin-javatra. Afaka mihevitra ny toe-javatra misy antsika ho toy ny fahafahana hanaporofo ny fiaretantsika sy ny fankatoavantsika tsy mihozongozona an’i Jehovah isika. — Jakoba 1:2, 3.
Izany no fomba fihetsik’ireo apostolin’i Jesosy. Tsy ela taorian’ny Pentekosta, dia nokapohina izy ireo noho ny fitoriana ny amin’i Jesosy. Tsy kivy izy ireo fa nandeha tamin’ny lalany kosa sady “faly”. Nifaly izy ireo, tsy noho ny amin’ny fijaliana, fa satria kosa “natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana [ny an’i Kristy] izany”. — Asan’ny Apostoly 5:40, 41.
Mazava ho azy fa tsy vokatry ny fanompoana an’i Jehovah avokoa akory ireo zava-tsarotra rehetra mianjady amintsika. Mety ho isika ihany no nampitondra zava-manahirana ny tenantsika — fara faharatsiny amin’ny fetra sasany. Na angamba, tsy nisy fahadisoana avy amin’ny tenantsika, fa nisy fiantraikany teo amin’ny fahaizantsika mandanjalanja ara-panahy ilay zava-manahirana. Na inona na inona tarehin-javatra, ny toe-tsaina feno fanetren-tena toy ny an’i Joba, dia hahafahantsika manavaka hoe taiza no nanaovana fahadisoana. Niaiky tamin’i Jehovah toy izao i Joba: “Nilaza izay tsy fantatro aho”. (Joba 42:3). Izay miaiky ny fahadisoany araka izany dia azo inoana kokoa fa hanalavitra ny fahasahiranana mitovy amin’io amin’ny manaraka. Araka ny ilazan’ilay ohabolana azy toy izao hoe: ‘Mahira-tsaina izay mahatsinjo ny loza ka miery’. — Ohabolana 22:3.
Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia ampahatsiahivin’ny bokin’i Joba amintsika fa tsy haharitra mandrakizay ireo zava-manahirana antsika. Hoy ny Baiboly hoe: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] taminy, fa miantra indrindra ny Tompo [“Jehovah”, NW ] sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Afaka mahazo antoka isika fa i Jehovah koa tahaka izany dia hamaly soa ny fahatokian’ireo mpanompony amin’izao andro izao.
Isika koa dia miandrandra ilay fotoana tsy hisian’ireo karazan-java-manahirana rehetra intsony, dia ireo “zavatra taloha”. (Apokalypsy 21:4). Mandra-piposak’izany andro izany, dia toy ny mpitari-dalana sarobidy izay afaka manampy antsika hiatrika ireo zava-manahirana amim-pahendrena sy amin-kerim-po sy faharetana, ny bokin’ny Joba.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa milaza ny Baiboly fa “izay afafin’ny olona no hojinjany”, dia tsy midika akory izany fa tsy maintsy valiny avy amin’Andriamanitra ny fijalian’ny olona iray. (Galatiana 6:7). Ao amin’itỳ tontolo tapahin’i Satana itỳ, dia matetika miatrika zava-manahirana maro kokoa noho ny olona ratsy fanahy ny olo-marina. (1 Jaona 5:19). “Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako”, hoy i Jesosy tamin’ny mpianany. (Matio 10:22). Ny aretina sy ny karazam-pahavoazana hafa dia mety hianjady amin’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra. — Salamo 41:3; 73:3-5; Filipiana 2:25-27.
[Sary, pejy 28]
“Tsinjovy irỳ habakabaka — avo loatra iny ka tsy takatrao.” Tamin’izany fomba izany no nanampian’i Eliho an’i Joba mba hahazoany
fa avo kokoa noho ny an’ny olona ny lalan’Andriamanitra