ZOANA
(Zôàna).
Tanàna tany Ejipta fahiny, naorina fito taona taorian’i Hebrona. Efa nisy àry izy io tamin’ny fotoana nankanesan’i Abrahama tany Kanana (1943 T.K.). (No 13:22; Ge 12:5; 13:18) Mifanitsy amin’ilay anaran-tanàna ejipsianina (dʽnt) any amin’ny faritra avaratratsinanan’ny Vinany ilay Zoana ao amin’ny Baiboly. Any amin’ny 56 km eo ho eo atsimoandrefan’i Port-Saïd no misy azy io. Ny anarany grika hoe Tanis (akaikin’i San el-Hagar ankehitriny) no ahafantarana kokoa an’i Zoana, ary teo amin’ny sampany iray tamin’i Neily no nisy azy io.
Miresaka ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jehovah mba hanafahana ny Israelita avy tany Ejipta ny Salamo 78:12, 43. Natao mifanitsy amin’ny hoe “Ejipta” ny hoe “sahan’i Zoana” ao amin’ireo andininy ireo. Nilaza àry ny manam-pahaizana sasany fa tao Zoana i Mosesy no nihaona tamin’i Farao. Nanjary nisy koa niezaka nanaporofo hoe na ny tanànan’i Ramesesa na i Avaris no Zoana (Tanis) (noresahin’i Manéthon tao amin’ny fitantarany momba ireo mpanjaka Hyksosa i Avaris). Boky maro àry ankehitriny no milaza fa novana hoe Avaris ny anarana hoe Zoana rehefa ny “Hyksosa” no nitondra. Novana hoe Ramesesa, hono, izy io teo ambany fitondran’ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Ramsès, ary lasa hoe Zoana (Tanis amin’ny teny grika) indray tatỳ aoriana. Tsara homarihina anefa fa tanàna iray ihany no nantsoina hoe Zoana ao amin’ny Baiboly, na tamin’ny andron’i Abrahama talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, na tamin’ilay fotoana nanafahana azy ireo, na tamin’ny taonjato fahavalo sy fahafito ary fahenina T.K. (tamin’ny andron’i Isaia sy Ezekiela mpaminany).
Raha tao Zoana i Mosesy sy Farao no nifampiresaka, dia mety ho fantapantatra hoe taiza ireo Israelita no niainga rehefa niala avy tany Ejipta. Sarotra inoana anefa hoe tao Zoana izy ireo no nihaona. Raha izany mantsy, dia tsy ho nifanitsy tamin’i “Ejipta” ilay hoe “sahan’i Zoana”, fa ho nanondro toerana voafaritra kokoa nanaovana ireo fahagagana. Tsy mitombina anefa izany, satria tsy faritra iray ihany tany Ejipta (toy ny hoe ny ampahany amin’ny faritry ny Vinany) no nitrangan’ireo Loza Folo, fa nanerana an’i Ejipta mihitsy. Toa mety tsara àry ilay hoe natao mifanitsy amin’i “Ejipta” ny hoe “sahan’i Zoana.”
Mihevitra ireo manam-pahaizana fa tao Zoana (Avaris na Ramesesa, hono) i Farao no nipetraka tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Tsy ahitana porofon’izany mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly. Milaza kosa izy io fa teo amoron’ny Reniranon’i Neily i Mosesy no nihaona voalohany tamin’i Farao. (Ek 7:14, 15) I Zoana (Tanis) anefa tsy teo amoron’ilay renirano, fa teo amin’izay nifaranan’iray tamin’ireo sampan’ilay renirano, dia sampany iray nisy taloha. Hadinon’ireo milaza hoe i Zoana, na Tanis, ihany no Ramesesa fa efa nisy tamin’ny andron’i Abrahama ny tanànan’i Zoana. Ilay antsoin’ny Baiboly hoe Ramesesa anefa 400 taona teo ho eo tatỳ aoriana vao naorin’ny Israelita tany Ejipta (raha tsy hoe nanamafy ny fiarovana angaha no dikan’ny hoe “nanorina” ao amin’ilay andininy).—Ek 1:11.
Raha marina ny hevitr’ireo manam-pahaizana ireo, dia i Zoana (izay Avaris na Ramesesa, hono) no ho renivohitr’i Ejipta tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita. Ny Baiboly anefa milaza fa “fitehirizana entana sy vokatra” fotsiny i Ramesesa. Na atao aza hoe i Ramsès II no Farao nanjaka tamin’izay, noho izy nihambo ho nanorina an’i Ramesesa (na Per-Ramesesa, raha ny marina kokoa), dia odian’izy ireo tsy fantatra fa efa 80 taona mahery talohan’ny nanafahana ny Israelita (talohan’ny nahaterahan’i Mosesy [Ek 1:11–2:10]), no natomboka ny fanorenana an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe Ramesesa. Ny mpahay tantara anefa milaza fa tsy nanjaka afa-tsy 66 taona teo ho eo monja i Ramsès II.—Jereo RAMESESA.
Fa nahoana àry no natao mifanitsy amin’i “Ejipta” ny “sahan’i Zoana” ao amin’ilay fitantarana momba ireo fahagagana nataon’i Jehovah? Satria efa nisy hatry ny ela angamba i Zoana. Toa anisan’ireo tanàna naorina voalohany indrindra tany Ejipta izy io, na dia azo inoana koa aza hoe nety ho tao ny lapan’i Farao. Mety ho tanàna nalaza koa i Zoana sady teo amin’ny fidirana an’i Ejipta mihitsy no nisy azy, raha avy any Palestina. Izy io angamba no tanàn-dehibe voalohany nidiran-dry Jakoba mianakavy, tamin’izy ireo tonga tany Ejipta. (Ampit. Is 30:2-4; jereo HANESA.) Tany amin’ny farany avaratr’i Ejipta no nisy an’i Zoana, ka mety ho teny an’ohatra ny hoe ny ‘sahany’ mba hilazana ny Lohasahan’i Neily manontolo hatrany amin’ny sisin-tany atsimon’i Ejipta.
Tsy maintsy ho nandroso be i Zoana (Tanis), satria betsaka ny raharaham-barotra natao tao sady maro koa ny trano fivavahana. Be dia be ny trano naorin’ny mpanjaka tao, nanomboka tamin’ny andron’ireo “tarana-mpanjaka” ejipsianina voalohandohany. Nisy tempoly lehibe natao koa tao, ary 305 m teo ho eo ny halavany. Nampanao sarivongana ngezabe tao Tanis i Farao Ramsès II. Sarin’ny tenany ihany ilay izy: 28 m eo ho eo ny haavony ary 800 taonina mahery ny lanjany. Nilaza ireo mpanjaka asyrianina atao hoe Esara-hadona sy Asorobanipala, fa tanàna nofehezin’ny andriana i Zoana (nantsoina hoe Saʼno na Siʼno ao amin’ireo soratra miendri-pantsika). Talohan’izy ireo, dia efa niresaka momba an’ireo “andrianan’i Zoana” i Isaia mpaminany, rehefa nanambara ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Ejipta. Notononiny niaraka tamin’ny andrianan’i Nofa (Memfisa) izy ireo, ka midika izany fa nanan-danja teo amin’ny sehatra politika i Zoana. (Is 19:1, 11-13) Voalaza fa i Zoana (Tanis) no nataon’i Tiraka foiben’ny fitantanana ny raharaham-panjakan’i Ejipta avaratra. Etiopianina nitondra an’i Ejipta i Tiraka sady velona tamin’ny andron’i Isaia.
Nanaporofo ny ‘hadalan’ireo’ mpanolo-tsain’i Zoana ny nandresen’i Esara-hadona sy Asorobanipala an’i Ejipta. (Is 19:13) Nampitandrina koa i Ezekiela tamin’ny 591 T.K. tany ho any, fa ho resin’i Nebokadnezara, mpanjaka babylonianina, indray i Ejipta, ka hisy ‘afo hirehitra ao Zoana.’ (Ezk 29:17; 30:1, 10, 14) Tafarina anefa i Zoana (Tanis), ka mbola izy ihany no tanàna lehibe indrindra tao amin’ny faritry ny Vinany, mandra-pahatongan’i Aleksandra Lehibe. Lasa niroborobo be ny raharaham-barotra tany amin’ilay tanàna vaovao atao hoe Aleksandria taorian’izay, ka nihena ny lazan’i Zoana.