-
EtanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Iray amin’ireo lehilahy efatra tena nanam-pahendrena, saingy mbola hendry kokoa noho izy i Solomona. (1Mp 4:31) Mety ho io Etana io no nanoratra ny Salamo faha-89. Milaza mantsy ny soratra mampiditra an’io toko io hoe i Etana Ezrahita no nanoratra azy io. Milaza ny 1 Tantara 2:6 fa zanakalahin’i Zera avy amin’ny fokon’i Joda i Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara. Mety ho ireo ihany àry ireo lehilahy resahin’ny Mpanjaka Voalohany. Voalaza fa rain’i Azaria i Etana.—1Ta 2:8; jereo EZRAHITA.
-
-
EzrahitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
EZRAHITA
(Ezrahìta) [Teratany].
Teny ilazana an’i Etana (1Mp 4:31; Sl 89:t.m.) sy Hemana (Sl 88:t.m.). Samy nalaza noho ny fahendreny i Etana sy Hemana, izay lazain’ny 1 Tantara 2:3-6 fa taranak’i Joda avy tamin’i Zera. Toa anarana hafa iantsoana ny “Zerita” àry ny hoe “Ezrahita.” (No 26:20) Adikan’ny Targoman’i Jonatana hoe “zanakalahin’i Zera” ny hoe “Ezrahita.”
-