ANDROM-PIAINANA
Efa fikasan’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe hiaina mandrakizay ny olombelona. Lavorary i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka afaka niaina mandrakizay raha nankatò an’Andriamanitra. (Ge 2:15-17) Tsy nankatò anefa izy ka nafoiny izany, ary nanjary nandova ota sy fahafatesana ny taranany, noho ny nataony.—Ro 5:12.
Ireo loham-pianakaviana fahiny. Nahatratra efa ho arivo taona ny androm-piainan’ny olona, talohan’ny Safodrano. (Ge 5:5-29) Ela velona kokoa ny olona niaina tany akaikin’ny fotoana mbola naha lavorary ny olona, fa tsy toy izany kosa tatỳ aoriana. I Metosela (969 taona) no olona ela velona indrindra voarakitra an-tsoratra. Nihafohy haingana ny androm-piainan’ny olona taorian’ny Safodrano.
Misy milaza fa tsy naharitra afa-tsy iray volana ny herintaona, talohan’ny Safodrano. Tsy misy porofo manamarina izany anefa ao amin’ny Baiboly. Mbola tsy feno valo taona akory mantsy i Enosa dia efa niteraka, raha iray volana nisy 30 andro fotsiny ny herintaona, ary mbola tsy feno enin-taona akory i Kenana sy Mahalalila ary Enoka dia efa niteraka. (Ge 5:9, 12, 15, 21) Rehefa ampitahaina koa ny Genesisy 7:11 sy ny Genesisy 8:3, 4, dia hita fa 150 andro ny dimy volana. Mbola miresaka momba ny volana fahafolo ilay fitantarana, ary avy eo miresaka momba ny 40 andro sy ny 7 andro indroa, fara fahakeliny, nandritra io taona io. Hita amin’izany fa nisy 12 volana ny herintaona.—Ge 8:5, 6, 10, 12-14.
Taorian’ny andron’i Mosesy. Hoy i Mosesy, 3 500 taona teo ho eo izay: “Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany!” (Sl 90:10) Mbola mitovitovy amin’izany ihany ny zava-misy ankehitriny.
Tsy vitan’ny olombelona ny manalava ny androm-piainany, na dia niezaka mafy nandritra ny taonjato maro aza izy. Nanjary afaka niaina ela kokoa anefa ny olona any amin’ny tany maro. Hoy i James Fries sy Lawrence Crapo: “Lasa 73 taona mahery ankehitriny ny androm-piainan’ny olona eto Etazonia amin’ny ankapobeny, nefa 47 taona teo ho eo fotsiny izany teo am-piandohan’ity taonjato ity. Nitombo 25 taona mahery izany. ... Rehefa dinihina tsara anefa ireo fanazavana ireo, dia hita fa afaka niaina ela kokoa ny olona satria nofoanana ireo antony mahatonga ny olona ho faty tanora, fa tsy hoe satria afaka nanalava ny androm-piainany ny olona.”—Tanjaka sy Fahanterana, 1981, p. 74, 75.
Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nilaza i Jesosy Kristy fa tsy misy “mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza.” (Lk 12:25) Hoy koa anefa izy: “Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.” (Lk 18:27) Efa nilaza mialoha Andriamanitra fa “ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko.” (Is 65:22) Voalaza koa hoe: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” (Is 25:8) Mbola naverina ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly izany: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’—Ap 21:4.
[Tabilao, pejy 136]
IREO LOHAM-PIANAKAVIANA FAHINY
Anarana
Genesisy
Taona Niainana
Adama
930
Seta
912
Enosa
905
Kenana
910
Mahalalila
895
Jareda
962
Enoka
365
Metosela
969
Lameka
777
Noa
950
Sema
600
Arpaksada
438
Sela
433
Ebera
464
Palega
239
Reo
239
Seroga
230
Nahora
148
Tera
205
Abrahama
175
Isaka
180
Jakoba
147