Hafiriana no Ahafahanao ho Velona?
NY ANKAMAROANTSIKA dia hiaiky avy hatrany fa misy zava-manahirana eo amin’ny lalam-piainana. Kanefa, dia faly isika fa velona. Tsy afa-po fotsiny amin’ny fahazazana na amin’ny androm-piainana fohy isika; irintsika ny ho velona an-taonany maro. Na dia izany aza, dia toa tsy azo ialana ny fahafatesana. Izany ve?
Azo atao ve ny mampihemotra ny fahafatesana? Azo halavaina ve ny androm-piainantsika?
Androm-piainana halavaina hoe?
Tamin’ny 1990 dia nisy tatitra an-gazety iray nanambara ny mety ho fahafahana manalava ny androm-piainan’olombelona hatramin’ny “folo amby zato taona”. Tsy isalasalana fa izany dia fakana an-kolaka ireto teny nataon’i Mosesy mpanao salamo ao amin’ny Baiboly ireto: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10). Ny Baiboly àry dia manome 70 na 80 taona ho antsalany amin’ny halavan’ny androm-piainan’olombelona. Firy taona anefa no azo ampoizina fa azon’ny olona antenaina hahavelomana amin’izao andro izao?
Ny tatitra iray navoakan’ny OMS (Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Fahasalamana) tamin’ny 1992 dia nametraka ny antsalan’ny halavan’ny androm-piainana maneran-tany ho 65 taona. Araka ny OMS, izany dia “antenaina fa hitombo eo amin’ny efa-bolana isan-taona eo ho eo ao anatin’ireo dimy taona manaraka, noho ny fihenan’ny fahafatesan’ny ankizy madinika indrindra”. Na dia nisakana ny fahafatesan’ny olona na iza na iza alohan’ny faha-50 taonany aza ny fahagagana ara-pitsaboana iray, dia milaza ny gazetiboky Time fa any Etazonia, “ny fitomboan’ny antsalan’ny halavan’ny androm-piainana dia ho 3 taona [sy tapany] monja”.
Nahoana no fohy aoka izany ny fiainana?
Ny Dr. Jan Vijg ao amin’ny Institute of Experimental Gerontology (sampan-draharaha mandalina ny zava-manahirana ny be taona) any Pays-Bas, dia nandroso hevitra fa toy ny ifandraisan’ny aretina sasany amin’ny fahasimbana eo amin’ny rafitry ny selan’ny vatan’olombelona, dia toy izany koa fa misy fiantraikany eo amin’ny fizotran’ny fahanterana ireo antony ara-pandovan-toetra. Mino ny mpanao fikarohana sasany fa afaka ny hiaina lavalava kokoa isika raha azo soloana ny “fototarazo lehibe vitsivitsy” arakaraka ny maha-antitra antsika. Ny hafa dia miantso izany soso-kevitra izany ho “fanatsoran-javatra tafahoatra”.
Na ahoana na ahoana, dia miaiky ireo mpanao siansa fa “toa misy karazana fetra biolojika raikitra, voalahatra ao anatin’ireo selan’ny vatan’olombelona”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Time. Na dia ireo manohitra aza fa isika dia “voalahatra hitoetra ho velona”, dia miaiky tsy satry fa “misy zavatra tsy mandeha ao”. Marina tokoa fa, eo amin’ny faha-65 taona, na faha-70 taona, na faha-80 taona, na taona vitsivitsy fanampiny, dia “mihelina faingana” ao amin’ny fahafatesana ny fiainantsika, araka ny lazain’ny Baiboly.
Na dia izany aza, dia nanambara mialoha tamin-toky i Paoly apostoly kristiana tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. hoe: “Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:26). Ahoana no ahazoana mandresy ny fahafatesana? Na dia hisy aza izany, ahoana no ahafahanao miatrika amim-pahombiazana ny fahafatesan’ny olon-tiana amin’izao andro izao?