Nahafantatra ny Anaran’Andriamanitra Izy Ireo
NY ZAVATRA voalohany fantatra fa nosoratana sy natonta tany amin’ireo zanatany amerikanin’i Angletera dia ny Bay Psalm Book. Ny fanontana voalohany tamin’izy io dia nataon’i Stephen Daye pirinty tany Massachusetts Bay Colony, nandritra ny taona 1640. Nisy ny bokin’ny Salamo avy ao amin’ny Baiboly io boky io, izay nadika avy tamin’ny fiteny hebreo ho amin’ny fiteny anglisy nitenenana sy nosoratana tamin’izany andro izany.
Ny lafiny iray mendrika homarihina amin’ny Bay Psalm Book dia ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny andininy sasantsasany. Noho izany, izay rehetra namaky io boky io 350 taona lasa izay, dia afaka nahafantatra ny anaran’ny Mpamorona antsika. Ao amin’io fanontana io, ohatra, dia izao no vakina ao amin’ny Salamo 83:17, 18: “Aoka ho sanganehana mandrakizay izy ireo, sady ho sahiran-kevitra aoka izany: eny, aoka ho azon’ny henatra izy ireo, ary ho foana. Mba hahafantaran’ny olona; fa ianao ihany, izay manana ny anarana hoe IEHOVAH, no ambonin’ny tany rehetra, no ambony indrindra amin’ny rehetra.”
Mazava ho azy fa ilay Andriamanitra tsitoha dia mitaky mihoatra noho ny fanekentsika fa hoe Jehovah (Iehovah) no anarany. Ao amin’ny Bay Psalm Book, ny Salamo 1:1, 2 dia milaza fa ny “olona voatahy” iray dia tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy, “fa amin’ny lalàn’i Iehovah, no iravoravoany”. Ny New England Psalms nohavaozina tamin’ny 1648 dia milaza toy izao: “Fa mametraka ny faharavoravoany feno amin’ny lalàn’i Jehovah izy.”
Izao no vakina ao amin’io andinin-teny io ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao (frantsay) amin’izao taonjato faha-20 izao: “Sambatra ny olona izay tsy nandeha tamin’ny torohevitry ny ratsy fanahy, ka tsy nitsangana teo amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy nipetraka teo amin’ny fitoeran’ny mpaniratsira. Fa ny faharavoravoany dia amin’ny lalàn’i Jehovah, ary ao amin’ny lalàny izy no mamaky amin’ny feo iva andro aman’alina.”
Mba hahasambatra azy marina, ny olona iray dia tsy maintsy mandà ny torohevitr’ireo ratsy fanahy. Tsy tokony hanaraka ny ohatr’ireo mpanota izy na hifanerasera amin’ireo mpaniratsira tsy tia an’Andriamanitra. Ankoatra ny zavatra hafa, dia mila izy ny mandositra ny fifaneraserana amin’ireo izay manana torohevitra sy fitondrantena mety hamitaka azy ho latsaka ao amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny fampiasana zava-mahadomelina ary ny fanaovan-javatra hafa mandika ny lalàn’Andriamanitra. Eny, ny tena fahasambarana dia miankina amin’ny fianarana momba ilay Andriamanitra marina, izay manana ny anarana hoe Jehovah, sy amin’ny fampiharana ny lalàny aharihary ao amin’ny Baiboly.