FOTOANA TSY VOAFETRA
Ilazana fotoana tsy voafetra na tsy fantatra ny hoe ʽôhlam (heb.), izay midika hoe “fotoana miafina na manjavozavo sady maharitra, ka tsy fantatra na tsy voafetra ny fiandohany na ny fiafarany.” (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Gesenius ary nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 746) Mahadika tsara ny hoe ʽôhlam àry ny hoe “fotoana tsy voafetra” (Sl 25:6; Ha 3:6), “fahiny” (Ge 6:4), “taloha ela be” (Js 24:2; Oh 22:28; 23:10), ary “maharitra” (Mpto 12:5).
Azo adika koa hoe mandrakizay ny hoe ʽôhlam. (1Mp 2:45) Hoy ny Isaia 40:28: “Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah, ilay Mpamorona ny faran’ny tany.” “Efa Andriamanitra” i Jehovah “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Sl 90:2) Ho Andriamanitra mandrakizay izy satria tsy mety maty ary tsy ho faty. (Ha 1:12; 1Ti 1:17) Tsy hoe “mandrakizay” anefa no tena dikan’ny hoe ʽôhlam, fa hoe zavatra manam-piafarana izay misy mandritra ny “fotoana tsy voafetra” satria tsy voafaritra ny fotoana hiafarany. ‘Nandritra ny fotoana tsy voafetra’, ohatra, ny fifaneken’ny Lalàna, kanefa nifarana rehefa maty i Jesosy ary natao ny fifanekena vaovao. (Ek 31:16, 17; Ro 10:4; Ga 5:18; Kl 2:16, 17; He 9:15) Nifarana koa ny asa fisoronan’ny taranak’i Arona natao nandritra ny “fotoana tsy voafetra.”—Ek 40:15; He 7:11-24; 10:1.
Ilazana fotoana hoavy tsy voafetra sy mandrakizay kosa ny hoe ʽad (heb.). (1Ta 28:9; Sl 19:9; Is 9:6; 45:17; Ha 3:6) Miaraka, ohatra, ny hoe ʽôhlam sy ʽad ao amin’ny Salamo 45:6, ary azo adika hoe “mandrakizay doria” (Prot.), “mandrakizay mandrakizay” (and. 7, DIEM), ary “fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay” (TV). Voalazan’ny Salamo 104:5 fa “tsy ho voahozongozona mandrakizay doria” ny tany.
Ilazana fotoana maharitra mandrakizay koa ny hoe netsah (heb.). Nadika izy io hoe “mandrakizay” (Jb 4:20; 14:20), “foana mandrakizay” (Is 57:16) ary “foana” (Sl 9:18). Miaraka ny hoe netsah sy ʽôhlam indraindray (Sl 49:8, 9), ary ilazana zavatra iray ihany. Nampiarahina koa ny hoe netsah sy ʽad. (Am 1:11) Nampiarahin’ny Salamo 9:5, 6 kosa izy telo ireo. Hoy izy io: ‘Nanarinao mafy ny firenena. Ny anarany koa nofoananao mandritra ny fotoana tsy voafetra [leʽôhlam], eny, mandrakizay [vaʽed]. Ry fahavalo ô, mandrakizay [lanetsah] ny fandringanana anareo.’
Ny teny grika hoe “aiôn.” Ilazana fotoana tsy voafetra sy fotoana ela be fahiny nefa misy farany ny hoe aiôn, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nadika hoe “fahagola”, “fahiny” na “andro tany aloha” (Lk 1:70; As 3:21; Prot., TV, Kat.), ohatra, izy io.
Matetika anefa no ilazana vanim-potoana voafaritra na tsia ny hoe aiôn (mr.: aiônes). Midika hoe “fotoana voafaritra tsara, vanim-potoana, andro” ary “androm-piainana, fiainana” na “vanim-potoana, taranaka” io teny io, hoy ny mpanao diksionera grika. Mety hisy fiandohany sy fiafarany ny vanim-potoana iray, nefa koa mety hitohy mandrakizay. Mety ho vanim-potoana tsy misy fiafarany nefa misy fiandohany àry ny hoe aiôn.
Matetika koa anefa izy io no ilazana fotoana tsy voafetra izay tsy manam-piafarana, arakaraka ny teny manodidina. (Lk 1:55; Jn 6:50, 51; 12:34; 1Jn 2:17) Aiôn (“mandrakizay”; a.b.t.: mandritra ny vanim-potoana) àry no teny nampiasaina momba ilay aviavy tsy namoa. (Mt 21:19) Nilaza ny anjely iray fa “ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay [a.b.t.: mandritra an’ireo vanim-potoana]” i Jesosy. (Lk 1:33) Mety hidika hoe “mandrakizay” (Mt 18:8; 19:16, 29) koa indraindray ny mpamari-toetra hoe aiôniôs (avy amin’ny hoe aiôn), na dia mety hidika hoe “hatry ny ela be” (Ro 16:25; 2Ti 1:9; Tit 1:2) aza. Nilaza i Jesosy fa meloka noho ny “ota mandrakizay [vanim-potoana lava be, tsy misy fetrany]” ireo manevateva ny fanahy masina, izany hoe tsy ho voafafa mihitsy ny fahotany. (Mr 3:29) Midika hoe “mandrakizay” ny mpamari-toetra grika hafa hoe aidiôs.—Ro 1:20; Jd 6, TV, Prot., Kat.
Azo ilazana toe-javatra tsy miovaova, na toe-piainana na lafin-javatra mampiavaka fe-potoana na vanim-potoana iray koa anefa ny hoe aiôn. Hoy i R. Trench: ‘Ilazana an’izay rehetra misy eto amin’ity tontolo ity mandritra ny fotoana iray voafaritra àry izy io. Ny toe-piainana eto amin’ity tontolo ity kosa no heviny faharoa.’—Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1961, p. 203; jereo IZAO TONTOLO IZAO; RAFITR’ITY TONTOLO ITY.