“Iza no Tahaka An’i Jehovah Andriamanitsika?”
“Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo”? — SALAMO 113:5.
1, 2. a) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah an’Andriamanitra sy ny Baiboly? b) Fanontaniana inona avy no mendrika hodinihina?
SAMBATRA marina tokoa ireo mpidera an’i Jehovah. Tombontsoa toy inona moa ny ho ao anatin’io vahoaka sesehena io! Amin’ny maha-Vavolombelony antsika, dia ekentsika ny torohevitra, ny lalàna, ny fampianarana, ny fampanantenana, ary ireo faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Faly isika mianatra avy amin’ny Soratra Masina sy “ampianarin’i Jehovah”. — Jaona 6:45, NW.
2 Noho ny fanajany lalina an’Andriamanitra, dia afaka manontany toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika?” (Salamo 113:5). Milaza finoana ireo tenin’ny mpanao salamo ireo. Nahoana anefa ireo Vavolombelona no manana finoana an’Andriamanitra toy izany? Ary antony hiderana an’i Jehovah inona avy no ananan’izy ireo?
Finoana sy fiderana mifanentana
3. Inona moa ireo Salamo Hallel, ary nahoana izy ireo no nomena anarana toy izany?
3 Azo antoka ny finoana an’i Jehovah satria izy no ilay Andriamanitra tsy manan-tsahala. Antitranterina izany ao amin’ny Sl 113 Salamo faha-113, Sl 114 faha-114, ary Sl 115 faha-115, izay tapany amin’ireo Salamo Hallel enina. Araka ny sekolin’ny raby momba ny Hillel, ny Sl 113 Salamo faha-113 sy Sl 114 faha-114 dia niraina nandritra ny sakafon’ny Paska jiosy, rehefa avy naidina ny kapoakan-divay faharoa ary nohazavaina ny dikan’ilay fankalazana. Ny Sl 115-118 Salamo faha-115 ka hatrany amin’ny faha-118 dia niraina taorian’ilay kapoakan-divay fahefatra. (Ampitahao amin’ny Matio 26:30.) Nantsoina hoe “Salamo Hallel” izy ireo satria mampiasa miverimberina ilay hiaka hoe Haleloia! — “Derao i Jah!”
4. Inona no dikan’ilay teny hoe “Haleloia”, ary impiry izy io no hita ao amin’ny Baiboly?
4 Ny hoe “Haleloia!” dia fandikana ao amin’ny abidiantsika ilay teny hebreo miseho in-24 ao amin’ny Salamo. Any an-toeran-kafa ao amin’ny Baiboly, ny endriny grika amin’izy io dia miseho inefatra mifandray amin’ny fifaliana azo noho ny fandravana an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, sy ny fifaliana miaraka amin’ny fanombohan’i Jehovah Andriamanitra manapaka amin’ny maha-Mpanjaka. (Apokalypsy 19:1-6). Izao, eo am-pandinihantsika ny telo amin’ireo Salamo Hallel, dia azontsika atao tsara ny maka sary an-tsaina ny tenantsika eo am-pihirana ireo hira ireo ho fiderana an’i Jehovah.
Derao i Jah!
5. Mamaly fanontaniana inona ny Sl 113 Salamo faha-113, ary mihatra amin’iza indrindra moa ilay didy ao amin’ny Salamo 113:1, 2?
5 Ny Sl 113 Salamo faha-113 dia mamaly ilay fanontaniana hoe: Nahoana no midera an’i Jehovah? Manomboka amin’izao baiko izao izy io: “Haleloia. Miderà, hianareo mpanompon’i Jehovah, miderà ny anaran’i Jehovah. Isaorana anie ny anaran’i Jehovah hatramin’izao ka ho mandrakizay.” (Salamo 113:1, 2). “Haleloia!” Eny, “Derao i Jah!” Mihatra indrindra amin’ny olon’Andriamanitra amin’izao “andro farany” izao io baiko io. (Daniela 12:4). Hatramin’izao sy ho mandrakizay, dia hankalazaina maneran-tany ny anaran’i Jehovah. Izao ireo Vavolombelony dia manambara fa i Jehovah no Andriamanitra, fa Mpanjaka i Kristy, ary efa miorina any an-danitra ilay Fanjakana. Tsy afaka manakana io fiderana an’i Jehovah io i Satana Devoly sy ny fandaminany.
6. Ahoana no iderana an’i Jehovah “hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany”?
6 Hiely ilay hira fiderana mandra-panaon’i Jehovah izay hamenoan’izany ny tany. “Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah.” (Salamo 113:3). Midika zavatra bebe kokoa noho ny fanompoam-pivavahana isan’andro ataon’ny zavaboary sasany eto an-tany izany. Miposaka avy any atsinanana ny masoandro ary milentika any andrefana, mandrakotra ny tany manontolo. Any amin’izay rehetra amirapiratan’ny masoandro, tsy ho ela ny anaran’i Jehovah dia hoderain’ny olona rehetra afaka amin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso sy ny fandaminan’i Satana. Raha ny marina, io hira tsy hanam-pahataperany io izao dia efa hirain’ny Vavolombelona voahosotr’i Jehovah sy ireo ho zanaka eto an-tanin’ilay Mpanjaka voatendriny, dia i Jesosy Kristy. Tombontsoa toy inona moa no ananan’izy ireo amin’ny maha-mpihira fiderana an’i Jehovah azy!
Tapitra ohatra i Jehovah
7. Lafiny roa inona avy amin’ny fara fahambonian’i Jehovah no voamarika ao amin’ny Salamo 113:4?
7 Nanampy teny toy izao ny mpanao salamo: “Avo ambonin’ny jentilisa [“firenena”, NW ] Jehovah; ambonin’ny lanitra ny voninahiny.” (Salamo 113:4). Izany dia manisy fiheverana ny amin’ny lafiny roa amin’ny fara fahambonian’Andriamanitra: 1) Amin’i Jehovah, Ilay Avo Indrindra, dia toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny, sy toy ny vovoka eo ambony mizana fotsiny ireo firenena (Isaia 40:15; Daniela 7:18); 2) Ny voninahiny dia lehibe lavitra noho ny an’ny lanitra ara-bakiteny, satria ireo anjely dia manao ny sitrapony ambony indrindra. — Salamo 19:1, 2; 103:20, 21.
8. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana i Jehovah no manetry tena mba handinihana izay mitranga any an-danitra sy etỳ an-tany?
8 Natosiky ny fahambonian’Andriamanitra ilay mpanao salamo ka nanao hoe: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika [“manetry tena”, NW ] mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?” (Salamo 113:5, 6). Ankalazaina aoka izany Andriamanitra hany ka tsy maintsy manetry tena izy mba handinihana izay mitranga any an-danitra sy etỳ an-tany. Na dia tsy ambany kokoa na eo ambany fahefan’iza na iza aza i Jehovah, dia maneho fanetren-tena izy amin’ny fanehoana famindram-po sy fiantrana an’ireo mpanota ambany. Ny fanomezana an’i Jesosy Kristy Zanany, ho “sorona fampitonena” ho an’ny Kristiana voahosotra sy ho an’izao tontolo izaon’olombelona, dia fisehoan’ny fanetren-tenan’i Jehovah. — 1 Jaona 2:1, 2, NW.
Miantra i Jehovah
9, 10. Amin’ny ahoana Andriamanitra no ‘manandratra ny mahantra mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka’?
9 Rehefa nanantitrantitra ny amin’ny fiantran’i Jehovah ilay mpanao salamo, dia nanampy teny fa “manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka amin’ny zezika, mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka ny olony. Mampitoetra tsara ny momba Izy, fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.” (Salamo 113:7-9). Mino ny olon’i Jehovah fa afaka mamonjy ireo tsy ampy fivelomana manao ny mahitsy Izy, afaka manova ny toe-piainany, ary manome izay ilainy sy iriny manokana. ‘Ny Iray avo sy manerinerina dia hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy ny fon’ny torotoro fo’. — Isaia 57:15.
10 Ahoana no ‘anandratan’i Jehovah ny mahantra mba hametrahana azy ho naman’ny mpanapaka’? Rehefa sitrapon’Andriamanitra izany, dia apetrany eo amin’ny toeram-boninahitra mitovy amin’ny an’ny mpanapaka ny mpanompony. Nanao izany izy tamin’i Josefa, izay tonga mpitantana ny sakafo tany Egypta. (Genesisy 41:37-49). Teo amin’ny Isiraely, ny fipetrahana niaraka tamin’ireo mpanapaka, na lehilahy nanam-pahefana teo amin’ny olon’i Jehovah, dia tombontsoa nolalaina fatratra. Sahala amin’ireo loholona kristiana amin’izao andro izao, ny lehilahy toy izany dia nahazo ny fanampian’Andriamanitra sy ny fitahiany.
11. Nahoana no azo lazaina fa ny Salamo 113:7-9 dia mihatra indrindra amin’ny olon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao?
11 Ahoana ny amin’ny ‘fanaovana izay hahatonga ny momba ho renin-jaza falifaly’? Andriamanitra dia nanome an’i Hana, izay momba, zanaka lahy — i Samoela izay natolony tanteraka ho amin’ny fanompoana Azy. (1 Samoela 1:20-28). Mbola zava-dehibe kokoa fa, nanomboka tamin’i Jesosy sy ny nilatsahan’ny fanahy masina teo amin’ireo mpianany tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nanomboka niteraka zanaka ara-panahy ny vadin’Andriamanitra ara-panoharana, dia i Ziona any an-danitra. (Isaia 54:1-10, 13; Asan’ny Apostoly 2:1-4). Ary toy ny namerenan’Andriamanitra ny Jiosy tany amin’ny taniny taorian’ny fahababoana tany Babylona, dia nafahany tamin’ny fahababoana babyloniana ireo sisa voahosotra amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny 1919, ary be dia be aoka izany ny fitahiany azy ireo ara-panahy ka mihatra aminy ireo teny ao amin’ny Salamo 113:7-9. (Galatiana 6:16). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika azy ireo, ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy sy ireo mpiara-miasa aminy manana fanantenana ny ho eto an-tany dia mamaly amin’ny fony rehetra ilay teny farany ao amin’ny Sl 113 Salamo faha-113 hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo olona!”, NW ]”.
Porofo fa tsy manan-tsahala i Jehovah
12. Ahoana no ampisehoan’ny Sl 114 Salamo faha-114 ny maha-tsy manan-tsahala an’i Jehovah?
12 Asehon’ny Sl 114 Salamo faha-114 fa tsy manan-tsahala i Jehovah amin’ny fanononana fisehoan-javatra manokana nahakasika ny Isiraelita. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, dia ny taranak’i Jakoba avy tany amin’ny firenena hafa fiteny, Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.” (Salamo 114:1, 2). Nanavotra ny Isiraely Andriamanitra tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana izay nanana fiteny hafahafa tamin’ny sofin’izy ireo. Ny fanavotana ny olon’i Jehovah, antsoina hoe Joda sy Isiraely ao amin’ny fanoharana miendrika tonon-kira, dia mampiseho fa afaka manavotra ny mpanompony rehetra amin’izao andro izao Andriamanitra.
13. Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 114:3-6 ny fara fahambonian’i Jehovah, ary ahoana no iharany amin’ireo fanandraman-javatra hitan’ny Isiraely fahiny?
13 Miharihary amin’ireto teny ireto ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’ny zavaboary rehetra: “Ny ranomasina nahita ka nandositra; ary niorika Jordana. Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry. Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra hianao? Ary hianao, ry Jordana, no miorika hianao? Ary hianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; ary hianareo havoana, tahaka ny zanak’ondry?” (Salamo 114:3-6). “Nandositra” ny Ranomasina Mena rehefa nanokatra lalana namakivaky azy io ho an’ny olony Andriamanitra. Hitan’ny Isiraely tamin’izay ny tanana maherin’i Jehovah namely ny Egyptiana izay maty tao anatin’ny rano niverina tamin’ny laoniny. (Eksodosy 14:21-31). Tao amin’ny fampisehoana ny herin’Andriamanitra nitovy tamin’izany, dia nanomboka “niorika” ny onin’ny Jordana, ka namela ny Isiraelita hiampita nankany Kanana. (Josoa 3:14-16). ‘Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy’ toy ny namoahan’ny Tendrombohitra Sinay setroka sy ny nihorohoroany fony naorina ny faneken’ny Lalàna. (Eksodosy 19:7-18). Rehefa nanakaiky ny fara tampony ny hirany, dia nilaza zavatra tamin’ny endriky ny fanontaniana ilay mpanao salamo, angamba te hilaza izy fa ny zavatra tsy manan’aina toy ny ranomasina sy ny ony, ny tendrombohitra ary ny havoana dia raiki-tahotra noho ireny fampisehoan-kery nataon’i Jehovah ireny.
14. Inona no nataon’ny herin’i Jehovah tao Meriba sy tao Kadesy, ary amin’ny ahoana izany no tokony hisy akony eo amin’ireo mpanompony amin’izao andro maoderina izao?
14 Mbola nanisy fitenenana tsy nivantana ny amin’ny herin’i Jehovah ihany ilay mpanao salamo ka nihira hoe: “Mihorohoroa eo anatrehan’ny Tompo, ry tany, dia eo anatrehan’Andriamanitr’i Jakoba, izay mampody ny vatolampy ho rano monina ary ny afovato ho loharano.” (Salamo 114:7-8). Ara-panoharana, dia asehon’ilay mpanao salamo amin’izany fa ny taranak’olombelona dia tokony hatahotra hatrany an’i Jehovah, ilay Tompo sy Mpanapaka izao rehetra izao eo amin’ny tany manontolo. “Andriamanitr’i Jakoba” na Isiraely Izy, ary Andriamanitry ny Isiraelita ara-panahy sy ny namany eto an-tany koa. Teo Meriba sy Kadesy, tany an’efitra, dia nampiseho ny heriny i Jehovah tamin’ny fanomezana tamin’ny fomba nahagaga rano ho an’ny Isiraely, ka ‘nampody ny vatolampy ho rano monina ary ny afovato ho loharano’. (Eksodosy 17:1-7; Nomery 20:1-11). Ny fampahatsiahivana toy izany ny amin’ny herin’i Jehovah mahatahotra sy ny fikarakarany feno fitiavana dia manome ho an’ny Vavolombelony antony mafy orina mba hananana finoana tsy misy fisalasalana azy.
Tsy mitovy amin’ireo andriamanitra sampy
15. Ahoana no nety ho nihirana ny Sl 115 Salamo faha-115?
15 Mampirisika antsika hidera sy hatoky an’i Jehovah ny Sl 115 Salamo faha-115. Lazainy fa avy aminy ny fitahiana sy ny fanampiana, ary asehony marimarina fa tsy misy ilana azy ny sampy. Nety ho niraina nifamaly io salamo io, izany hoe, ny feo iray dia angamba ho nihira hoe: “Hianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah”. Ary angamba ho namaly ny kongregasiona hoe: “Heriny sy ampingany Izy”. — Salamo 115:11.
16. Fifanoheran-javatra inona no azo tsoahina eo amin’i Jehovah sy ny sampin’ireo firenena?
16 Tsy tokony hiantefa amintsika ny voninahitra fa amin’ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miharo fitiavana, na fitiavana tsy mivadika, sy ny fahamarinana. (Salamo 115:1, NW ). Mety hanontany amim-panarabiana toy izao ny fahavalo: “Aiza izay Andriamaniny?” Afaka mamaly toy izao anefa ny olon’i Jehovah: ‘Any an-danitra ny Andriamanitray ary manao izay sitrapony rehetra Izy’. (Sl 115:2, 3 Andininy faha-2, 3). Tsy afaka manao na inona na inona anefa ny sampin’ireo firenena, satria izy ireny dia sary vongana nataon’olona tamin’ny volafotsy sy volamena. Na dia manana vava sy maso ary sofina aza izy ireny, dia tsy miteny sy jamba ary marenina. Manana orona izy ireny fa tsy manimbolo, manan-tongotra fa tsy mandeha, ary manan-tenda fa tsy mahaloa-peo. Ireo izay manamboatra sampy tsy manan-kery ary koa ireo izay matoky azy dia hanjary tsy manan’aina mitovy aminy. — Sl 115:4-8 Andininy faha-4-8.
17. Koa satria ny maty tsy afaka midera an’i Jehovah, inona no tokony hataontsika, ary amin’ny fanantenana inona?
17 Avy eo dia omena ny fampirisihana mba hitoky amin’i Jehovah amin’ny maha-Hery sy ampinga fiarovana azy ho an’ny Isiraely, ho an’ny taranak’i Arona, ary ho an’izay rehetra matahotra an’Andriamanitra. (Salamo 115:9-11). Toy ireo matahotra an’i Jehovah ireo, isika dia manana fanajana lalina an’Andriamanitra sy tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy. Mino koa isika fa ilay “Mpanao ny lanitra sy ny tany” dia mitahy ny mpivavaka aminy tsy mivadika. (Sl 115:12-15 Andininy faha-12-15). Toeran’ny seza fiandrianany ny lanitra, fa nanao ny tany ho fonenana mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona tsy mivadika sy mankatò kosa Andriamanitra. Koa satria tsy afaka midera an’i Jehovah ny maty tsy mahatsiaro tena sy mangina, dia isika velona no tokony hanao izany amin’ny fanoloran-tena sy tsy fivadihana tanteraka. (Mpitoriteny 9:5). Ireo izay midera an’i Jehovah ihany no hifaly amin’ny fiainana mandrakizay sy ho afaka “hisaotra” an’i Jah mandrakizay, hilaza zavatra tsara momba azy “mandrakizay”. Aoka àry isika hiaraka amim-pahatokiana amin’ireo izay manaraka ilay fampirisihana hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo olona!”, NW ]”. — Salamo 115:16-18.
Ireo toetra mahatalanjon’i Jehovah
18, 19. Amin’ny fomba ahoana avy ireo toetran’i Jehovah no mampiavaka azy amin’ireo andriamanitra sandoka?
18 Tsy mitovy amin’ireo sampy tsy manan’aina i Jehovah fa izy no ilay Andriamanitra velona izay mampiseho toetra mahatalanjona. Izy no sary velona mampiseho ny fitiavana, ary “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po [“hatsaram-panahy miharo fitiavana”, NW ]”. (Eksodosy 34:6; 1 Jaona 4:8). Endrey ny tsy fitoviany amin’ilay andriamanitra kananita tsy mifaditrovana atao hoe Moloka izay nanaovana sorona ankizy! Toa nanana tanan’olona sy lohan’omby io sarin’andriamanitra io. Nolazaina fa nafanaina nivaivay ilay sampy, ary natsipy tao amin’ny sandriny nitsotra ny ankizy ka nilatsaka tao anatin’ilay fatana nidedadeda teo ambany. Be fitiavana sy mamindra fo aoka izany anefa i Jehovah, hany ka na dia ny hevitra momba ny sorona olombelona toy izany aza dia tsy tonga ‘tao an-tsainy’ akory. — Jeremia 7:31.
19 Anisan’ny toetra lehibe ananan’i Jehovah koa ny rariny tanteraka, ny fahendrena tsy manam-petra, ary ny hery tsy toha. (Deoteronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26). Ahoana ny amin’ireo andriamanitra voalazan’ny angano? Tsy nanao ny rariny ireo andriamanitra sy andriamani-bavy babyloniana fa namaly faty. Ireo andriamanitra egyptiana dia tsy fanaperana teo amin’ny fahendrena fa nolazalazaina ho nanana fahalemen’olombelona. Tsy mahagaga izany satria ireo andriamanitra sy andriamani-bavy sandoka dia nataon’olombelona “tsy misy saina” izay mihambo ho hendry. (Romana 1:21-23, NW ). Ireo andriamanitra grika dia nolazaina fa samy nanao tetika hifamelezana teo amin’izy samy izy. Araka ny angano, i Zeus, ohatra, dia nanampatra ny fahefany tamin’ny fanonganana an’i Cronus rainy, izay nanaisotra an’i Uranus rainy koa teo amin’ny seza fiandrianana. Fitahiana toy inona moa ny manompo sy midera an’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona sady marina izay maneho fitiavana sy rariny ary fahendrena sy hery tanteraka!
Mendrika fiderana mandrakizay i Jehovah
20. Antony iderana ny anaran’i Jehovah inona avy no nomen’i Davida?
20 Araka ny asehon’ireo Salamo Hallel, dia mendrika fiderana mandrakizay i Jehovah. Toy izany koa, rehefa nanao fanomezana ho an’ny fanorenana ny tempoly i Davida sy ireo Isiraelita namany, dia hoy izy teo anatrehan’ny kongregasiona: “Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” — 1 Tantara 29:10-13.
21. Manome porofo inona ny amin’ny fideran’ny vahoaka sesehena any an-danitra an’i Jehovah moa ny Apokalypsy 19:1-6?
21 Hisaorana sy hoderaina mandrakizay any an-danitra koa i Jehovah. Nandre “vahoaka betsaka tany an-danitra” ny apostoly Jaona nanao hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo olona”, NW ]! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe [Babylona Lehibe] Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” Dia nilaza indray izy ireo hoe: “Haleloia!” Nanao izany koa ireo “loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan-aina efatra”. Hoy ny feo iray nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianana: “Miderà an’Andriamanitsika hianareo mpanompony rehetra, dia hianareo izay matahotra Azy, na kely na lehibe”. Nanampy teny toy izao i Jaona avy eo: “Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.” — Apokalypsy 19:1-6.
22. Ahoana no hiderana an’i Jehovah ao amin’ilay tontolony vaovao nampanantenaina?
22 Mety tokoa ny hideran’izany vahoaka sesehena any an-danitra izany an’i Jehovah! Ao amin’ilay tontolony vaovao efa akaiky izao, ireo hatsangana amin’ny maty tsy mivadika dia hiaraka amin’ireo ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity mba hidera an’i Jah. Hanandratra ny lohany amin-kira fiderana ho an’Andriamanitra ireo tendrombohitra mijoalajoala. Hihira fiderana azy ny havoana maitso mavana sy ireo hazo be voa. Eny, ny zavaboary rehetra izay velona sy manam-pofon’aina dia hidera ny anaran’i Jehovah amin’ny fanaovana rodobe lehibe hoe Haleloia! (Salamo 148). Ho re ao anatin’izany vahoaka sesehena falifaly izany ve ny feonao? Izany no ho izy raha manompo amim-pahatokiana an’i Jah miaraka amin’ny olony ianao. Izany no tokony ho zava-kendrenao eo amin’ny fiainana, satria iza moa no sahala amin’i Jehovah Andriamanitsika?
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no midera an’i Jehovah Andriamanitra?
◻ Amin’ny lafiny inona avy i Jehovah no tapitr’ohatra?
◻ Inona no porofo fa miantra i Jehovah?
◻ Amin’ny ahoana i Jehovah no tsy mitovy amin’ireo sampy tsy manan’aina sy ireo andriamanitra sandoka?
◻ Nahoana isika no afaka milaza fa hahazo fiderana mandrakizay any an-danitra sy etỳ an-tany i Jehovah?
[Sary, pejy 9]
Niraina nandritra ny sakafon’ny Paska ireo Salamo Hallel