Ny Anaran’Andriamanitra
“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy”. Izany no vakin’io soratra amin’ny teny latina io. Ireo teny ireo dia mifototra amin’ny Salamo 127:1 ao amin’ny Baiboly, ary izy ireo dia mirakitra fahamarinana lalina iray hoe: Ny fiezahana mafy rehetra izay tsy mahazo ny fitahian’i Jehovah dia ho foana amin’ny farany.
Hita eo amin’ny trano lehibe iray any Colombo, Sri Lanka, ilay soratra izay natao tamin’ny 1780, ary mendrika ny homarihina izy io satria mirakitra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Jereo ny sary.) Nampiasaina ombieny ombieny ilay anarana tamin’ireo taonjato voalohandohany. Matetika izany no nosoratana teo amin’ireo trano lehibe tsy ara-pivavahana sy fiangonana ary teo amin’ireo vola mihitsy aza. Nampiasa ny anaran’Andriamanitra ireo misionera rehefa nitondra ny Baiboly tany an-tany lavitra izy ireo, ka izany dia tsy isalasalana fa manazava ny anton’io soratra any Sri Lanka io.
Endre fa samy hafa amin’izany ny zavatra ankehitriny! Vitsy ireo mihambo ho Kristiana no mihevitra ny anaran’Andriamanitra. Ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly sasany aza dia manakiana ireo Vavolombelon’i Jehovah noho ny fanantitranterany ny amin’izy io. Fa nahoana? Araka ny lazain’ny sasany, dia satria tsy fantatra mazava tsara ny fanononana azy io amin’ny teny hebreo. Nefa firy no mahafantatra ny fanononana amin’ny teny hebreo tany am-boalohany ny anaran’i Jesosy? Ampiasaina sy hajaina hatraiza hatraiza anefa ny anarany.
Tamin’i Jesosy, dia zava-dehibe aoka izany ny anaran’Andriamanitra. Nampianatra antsika hivavaka toy izao izy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Ary talohan’ny hahafatesany indrindra, dia nilaza tamin’Andriamanitra izy hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao”. (Jaona 17:6). Ireo Kristiana marina dia mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy tokony ‘hampiseho ny anaran’Andriamanitra’ koa ve izy ireo? Manao izany ireo Vavolombelon’i Jehovah, ary mitahy amin’ny fomba feno ny ‘tranony’ i Jehovah. Ho azy ireo, dia marina ilay salamo manao hoe: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15.