Ampio ny Zanakao Hivelatra Tsara
RAHA ny momba ny fitaizan-janaka, dia ray aman-dreny maro no mitady vahaolana hatraiza hatraiza, vahaolana izay azony raisina mora foana ao an-tranony ihany, raha ny marina. Fianakaviana tsy tambo isaina no manana Baiboly nefa manangom-bovoka fotsiny eo amin’ny talantalam-boky izy io, fa tsy ampiasaina eo amin’ny fitaizan-janaka.
Marina aloha fa maro amin’izao andro izao no be fisalasalana momba ny fampiasana ny Baiboly ho mpitari-dalana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Manilika azy io ho boky efa nilaozan’ny toetr’andro, na henjana loatra, izy ireo. Ny fandinihana amim-pahatsorana anefa dia hampiharihary fa ny Baiboly dia boky azo ampiharina ho an’ny fianakaviana. Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana.
Ny rivo-piainana mety
Ny Baiboly dia milaza amin’ny ray mba hihevitra ny zanany ho toy ny “zanak’oliva manodidina ny [latabany]”. (Salamo 128:3, 4). Tsy hitombo ka ho lasa hazo manome voa ny zana-kazo malemy raha tsy misy fanolokoloana amim-pitandremana sy raha tsy omena zavatra mahavelona, nofon-tany ary hamandoana mety. Toy izany koa, ny fitaizan-janaka mahomby dia mitaky asa sy fikarakarana. Mila rivo-piainana mahasalama ny zanaka mba hitomboana ho amin’ny fahamatorana.
Ny taharo voalohany mampisy ny rivo-piainana toy izany dia ny fitiavana — eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. (Efesiana 5:33; Titosy 2:4). Mpianakavy maro no mifankatia, nefa tsy mahita ny ilana hampisehoana izany fitiavana izany. Hevero anefa izao: Ho afaka hilaza marina ve ianao fa nifandray tamin’ny namana iray raha nanoratra ho azy taratasy izay tsy nasianao adiresy sy hajia, na tsy nalefanao mihitsy? Mitovy amin’izany koa, ny Baiboly dia mampiseho fa ny tena fitiavana dia mihoatra lavitra noho ny fihetseham-po izay manafana ny fo; miseho amin’ny alalan’ny teny sy ny asa izy io. (Ampitahao amin’ny Jaona 14:15 sy ny 1 Jaona 5:3.) Nanome ohatra Andriamanitra tamin’ny nanehoany tamin’ny teny ny fitiavany ny Zanany: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” — Matio 3:17.
Teny fiderana
Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampiseho ny fitiavana toy izany amin’ny zanany? Ho fanombohana, dia tadiavo izay zavatra tsara. Mora ny manakiana ny zanaka. Ny tsy fahamatorany, ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra azony ary ny fitiavan-tenany dia hiharihary amin’ny fomba tsy tambo isaina, isan’andro isan’andro. (Ohabolana 22:15). Kanefa, hanao zavatra tsara betsaka izy ireo isan’andro. Amin’inona no hifantohanao? Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika Andriamanitra, fa mitadidy ny zavatra tsara ataontsika. (Salamo 130:3; Hebreo 6:10). Tokony hanao toy izany koa amin’ny zanatsika isika.
Nanao izao fanamarihana izao ny tovolahy iray: “Nandritra ny fiainako manontolo tao an-trano, dia tsy mahatsiaro teny fiderana na tamin’ny endriny inona na tamin’ny endriny inona mihitsy aho — na tamin’ny zava-bitako tao an-trano na tany am-pianarana.” Ry ray aman-dreny, aza odian-tsy hita io zava-dehibe indrindra ilain’ny zanakareo io! Ny ankizy rehetra dia tokony hanaovana teny fiderana tsy tapaka noho ny zavatra tsara ataony. Izany dia hampihena ny mety hitomboany ao anatin’ny ‘famoizam-po’, ka hiekeny fa tsy hahavita zavatra tsara mihitsy izy amin’izay rehetra ataony. — Kolosiana 3:21.
Fifampiresahana
Ny fomba tsara iray hafa hampisehoana fitiavana amin’ny zanakao dia ny manaraka ny torohevitra ao amin’ny Jakoba 1:19, manao hoe: ‘Aoka halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra’. Mampiresaka ny zanakao ve ianao, ary tena mihaino izay lazainy? Raha fantatry ny zanakao fa handevilevy azy ianao alohan’ny hahataperan’ny teniny, na ho tezitra ianao rehefa hahafantatra ny fomba fiheviny marina, amin’izay dia mety hihazona ny fihetseham-pony ho azy izy. Fa raha fantany kosa fa tena hihaino ianao, dia azo inoana be lavitra fa hisokatra aminao izy. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 20:5.
Ahoana anefa raha mampiharihary fihetseham-po izay fantatrao fa ratsy izy? Fotoana hanaovana fihetsika feno hatezerana, fandevilevena na fifehezana sasany ve izany? Marina fa ny fipoahan’ny fahatezeran-jaza indraindray dia afaka manasarotra ny “ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. Kanefa hevero indray ny ohatr’Andriamanitra tamin’ireo zanany. Moa ve izy mamorona rivo-piainana feno tahotra mampihorohoro, hany ka matahotra ny hilaza aminy izay tena fomba fiheviny ny zanany? Tsia! Milaza toy izao ny Salamo 62:8: “Matokia [an’Andriamanitra] mandrakariva hianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.”
Koa rehefa nanahy momba ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra handringana ny tanànan’i Sodoma sy i Gomora i Abrahama, dia tsy nisalasala izy nilaza tamin’ilay Rainy any an-danitra hoe: “Sanatria Anao raha hanao toy izany (...)! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Tsy niteny mafy an’i Abrahama i Jehovah; nihaino azy Izy ary nampitony ny fanahiany. (Genesisy 18:20-33). Manam-paharetana sy malemy fanahy amin’ny fomba miavaka Andriamanitra, na dia rehefa mamboraka fihetseham-po izay tsy azo hamarinina sy tsy araka ny antonona velively aza ny zanany. — Jona 3:10–4:11.
Toy izany koa, ny ray aman-dreny dia mila mamorona rivo-piainana izay hahatsapan’ny ankizy hoe tsy misy atahorany ny hampiharihary ny fihetseham-pony lalina indrindra, na dia mety hanahiran-tsaina toy inona aza izany. Koa raha manapoaka mafy ny fahatezerany ny zanakao, dia mihainoa. Aza mibedy azy, fa ekeo kosa ny fihetseham-pon’ilay zaza ary asaivo milaza ny antony izy. Ohatra, mety hilaza ianao hoe: ‘Toa tezitra amin-dRanona erỳ ianao izany. Tianao holazaina amiko ve izay nitranga?’
Fifehezana ny fahatezerana
Mazava ho azy fa tsy misy ray na reny manam-paharetana toa an’i Jehovah. Ary azo antoka fa ny ankizy dia afaka misedra ny faharetan’ny ray aman-dreniny hatramin’ny fetra farany. Raha tezitra amin’ny zanakao ianao indraindray, dia aza manahy hoe hahatonga anao ho ray na reny ratsy izany. Indraindray dia tena rariny raha tezitra ianao. Ny tenan’Andriamanitra dia tezitra ara-drariny tamin’ireo zanany, na dia maminy tokoa aza ny sasany tamin’ireo. (Eksodosy 4:14; Deoteronomia 34:10). Ny Teniny anefa dia mampianatra antsika hifehy ny fahatezerantsika. — Efesiana 4:26.
Amin’ny fomba ahoana? Indraindray dia manampy ny fakana fiatoana mandritra ny fotoana kely mba hahafahan’ny fahatezeranao hihatony. (Ohabolana 17:14). Ary tadidio izao: Zaza ange io e! Aza manantena fitondran-tenan’olon-dehibe na fomba fisainan’olona matotra. (1 Korintiana 13:11). Ny fahatakarana ny antony itondran’ny zanakao tena toy izao na izao dia mety hanalefaka ny fahatezeranao. (Ohabolana 19:11). Aza hadinoina velively ny tsy fitoviana goavana eo amin’ny fanaovana zavatra ratsy sy ny hoe ny tena mihitsy no ratsy. Ny fikiakiahana amin’ny zaza iray hoe ratsy izy dia mety hahatonga azy hanontany tena hoe: ‘Inona moa no antony iezahana ho tsara?’ Kanefa hanampy zaza iray hanao tsaratsara kokoa amin’ny manaraka ny fanitsiana azy amim-pitiavana.
Fihazonana filaminana sy fanajana
Ny fampianarana ny zanaka hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny filaminana sy ny fanajana dia iray amin’ireo zava-tsarotra indrindra atrehin’ny ray aman-dreny. Eo amin’izao tontolo izao milefitra loatra ankehitriny, dia olona maro no manontany tena raha mety akory aza ny hameperana ny zanany. Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15). Ny olona sasany dia tsy tia ilay teny hoe “tsorakazo”, amin’ny fieritreretana fa milaza tsy mivantana karazana fampijaliana ankizy izy io. Tsy izany anefa izy io. Ny teny hebreo adika hoe “tsorakazo” dia nanisy firesahana tehina, toy ny ampiasain’ny mpiandry ondry iray mba hitarihana — fa tsy hamelezana — ny ondriny.a Koa manondro fifehezana àry ny tsorakazo.
Ao amin’ny Baiboly, ny hoe mifehy dia midika voalohany indrindra hoe mampianatra. Noho izany antony izany no ilazan’ny bokin’ny Ohabolana inefatra eo ho eo hoe ‘mihainoa anatra’. (Ohabolana 1:8; 4:1; 8:33; 19:27). Ilain’ny ankizy ny mahafantatra fa ny fanaovana izay tsara dia mitondra valisoa ary ny fanaovana izay ratsy dia mitondra voka-dratsy. Ny sazy dia mety hanampy mba handentehana ao aminy hoe inona no tsy mety, tsy misy hafa amin’ny mety hanamafisan’ny valisoa — toy ny teny fiderana — ny hoe inona no tsara. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 11:26-28.) Maneho fahendrena ireo ray aman-dreny raha manahaka ny ohatr’Andriamanitra raha ny momba ny sazy, satria nilaza tamin’ny vahoakany izy fa hananatra azy ireo “araka ny antonony”. (Jeremia 46:28, izahay no manao sora-mandry.) Ny ankizy sasany dia tsy mila afa-tsy teny henjana vitsivitsy mba hampizotra azy mahitsy. Ny hafa dia mila fepetra hentitra kokoa. Ny fifehezana “araka ny antonony” anefa dia tsy mahafaoka velively zavatra na inona na inona mety hahatonga ratra ara-pihetseham-po na ara-batana amin’ny zanaka.
Tokony ho tafiditra ao amin’ny fifehezana voalanjalanja ny fampianarana ny ankizy momba ny fetra sy ny faritra tsy azo ihoarana. Maro amin’izy ireny no voafaritra mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampianatra fanajana ny fetra manodidina ny fananan’olona manokana ny Baiboly. (Deoteronomia 19:14). Mametraka fetra ara-batana izy, ka mahatonga ho ratsy ny fitiavana herisetra na ny finiavana handratra ny hafa. (Salamo 11:5; Matio 7:12). Manorina fetra eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy izy io, ka manameloka ny firaisana amin’olom-pady. (Levitikosy 18:6-18). Manaiky ny fetran’ny tena manokana sy ny fetra ara-pihetseham-po mihitsy aza izy, ka mandrara antsika tsy hiantso olona amin’ny anarana fanevatevana na hampiasa endriny hafa amin’ny fampijaliana amin’ny teny. (Matio 5:22). Ny fampianarana ny ankizy — amin’ny teny sy ny atao — momba ireo faritra tsy azo ihoarana sy fetra ireo dia tena ilaina mba hamoronana rivo-piainam-pianakaviana mahasalama.
Ny fanalahidy iray hafa mba hihazonana ny filaminana sy ny fanajana eo amin’ny fianakaviana dia eo amin’ny fahatakarana ny anjara asan’ny mpianakavy. Ao amin’ny fianakaviana maro amin’izao andro izao, dia manjavozavo na misafotofoto ny anjara asa toy izany. Ao amin’ny sasany, ny ray na ny reny dia hanankina zava-manahirana mavesatra eo amin’ny zaza iray, nefa tsy voaomana hiatrika izany ilay zaza. Ao amin’ny hafa, ny zanaka dia omena lalana ho tonga olona kely tsy refesi-mandidy, izay manao fanapahan-kevitra ho an’ny fianakaviana manontolo. Ratsy sy manimba izany. Tsy maintsy manome izay ilain’ireo zanany kely — na ara-nofo, na ara-panahy, na ara-pihetseham-po — ny ray aman-dreny, fa tsy ny mifamadika amin’izany. (2 Korintiana 12:14; 1 Timoty 5:8). Hevero ny ohatr’i Jakoba, izay nanitsy ny hafainganam-pandehan’ny fianakaviany manontolo sy ireo niaraka taminy mba tsy ho mafy loatra amin’ireo ankizy madinika. Takany ny fetran’izy ireo ary nanao zavatra nifanaraka tamin’izany izy. — Genesisy 33:13, 14.
Fikarakarana ny zavatra ilaina ara-panahy
Tsy misy zava-dehibe indrindra ho an’ny rivo-piainam-pianakaviana mahasalama mihoatra noho ny fahasalamana ara-panahy. (Matio 5:3, NW ). Manana fahafahana lehibe handray zavatra ara-panahy ireo ankizy. Manana fanontaniana maro be izy ireo: Nahoana no misy isika? Iza no nanao ny tany sy ny biby, ny hazo ary ny ranomasim-be eo aminy? Nahoana no maty ny olona? Inona no mitranga aorian’izany? Nahoana no misy zavatra ratsy mahazo ny olona tsara fanahy? Toa tsy misy farany ny lisitra. Matetika dia ireo ray aman-dreny no tia kokoa ny tsy hieritreritra momba ny zavatra toy izany.b
Ny Baiboly dia mampirisika mafy ny ray aman-dreny handany fotoana hanomezana fampiofanana ara-panahy ho an’ny zanany. Miresaka momba ny fampiofanana toy izany amin’ny teny feno firaiketam-po izy, ho toy ny fifampiresahana mitohy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Azon’ny ray aman-dreny atao ny mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra sy ny Teniny rehefa miara-mandeha an-tongotra izy ireo, miara-mipetraka ao an-trano, amin’ny fotoana fatoriana — na rahoviana na rahoviana azo anaovana izany. — Deoteronomia 6:6, 7; Efesiana 6:4.
Manao mihoatra noho ny fanoroana hevitra hanana fandaharana ara-panahy toy izany ny Baiboly. Manome izay zavatra hilainao koa izy. Raha ny marina, ahoana no havalinao ireo fanontanian’ny ankizy, voalaza etsy ambony? Mirakitra ireo valiny ny Baiboly. Mazava izy ireo, mambabo izy ireo, ary manome fanantenana betsaka eto amin’itỳ tontolo tsy manana fanantenana itỳ. Mbola tsara kokoa aza, ny fahatakarana ny fahendrena ao amin’ny Baiboly dia afaka manome ho an’ny zanakao ny vatofantsika mafy indrindra sy ny tari-dalana azo antoka indrindra amin’izao andro misafotofoto izao. Omeo azy izany, dia tena hitombo tsara izy — ankehitriny sy amin’ny hoavy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Septambra 1992, pejy faha-26-27.
b Ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana dia novolavolaina mba hanaovana fianaram-pianakaviana ary mirakitra tari-dalana azo ampiharina be dia be avy ao amin’ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka. Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania izy io.
[Teny notsongaina, pejy 11]
Mitadiava fomba hanomezana tsy tapaka teny fiderana voafaritra ho an’ny zanakao
[Efajoro, pejy 9]
Ny Fomba Fanampiana Zanaka Hivelatra Tsara
• Omeo rivo-piainana milamina izy hahatsapany hoe tiana sy ilaina izy
• Anaovy teny fiderana tsy tapaka izy. Milazà zavatra voafaritra tsara
• Aoka ianao ho mpihaino tsara
• Makà fiatoana rehefa tezitra mafy
• Mametraha fetra sy faritra tsy azo ihoarana, mazava sy tsy miovaova
• Ampifanaraho amin’ny zavatra ilain’ny ankizy tsirairay ny fifehezana
• Aza manantena zavatra mihoatra ny antonona avy amin’ny zanakao
• Karakarao ny zavatra ilaina ara-panahy amin’ny alalan’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka
[Efajoro, pejy 10]
Lasa Alohan’ny Fotoany
IREO fitsipika ao amin’ny Baiboly dia nanampy ny vahoakan’ny Isiraely fahiny mba hanana fari-pitsipika momba ny fiainam-pianakaviana, fari-pitsipika ambony lavitra noho ny an’ireo firenena nanodidina. Nanazava toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Alfred Edersheim: “Mila ho tsy hety ny miteny hoe nisy fiainam-pianakaviana, na fianakaviana mihitsy aza, araka ny fahazoantsika ny hevitr’ireo teny ireo, tany ivelan’ny faritry ny Isiraely.” Ohatra, teo amin’ireo Romana fahiny dia nomen’ny lalàna fahefana feno ny ray tao amin’ilay fianakaviana. Afaka nivarotra ny zanany ho andevo izy, nampanao asa mafy azy, na namono azy mihitsy aza — nefa tsy voasazy.
Nihevitra ny Romana sasany fa hafahafa ireo Jiosy satria nitondra ny zanany tamin-katsaram-panahy. Raha ny marina, dia nanoratra andalan-teny feno fankahalana ny Jiosy i Tacite, mpahay tantara romana tamin’ny taonjato voalohany, ka nilaza fa “sady ratsy no maharikoriko” ny fomba amam-panaon’izy ireo. Kanefa, niaiky toy izao izy: “Heloka ny mamono izay mety ho zaza menavava, eo amin’izy ireo.”
Nanome fari-pitsipika mendri-kaja ny Baiboly. Nampianatra an’ireo Jiosy izy io fa sarobidy ny zanaka — tokony hoheverina ho lova avy amin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy, raha ny marina — ary tokony hoentina amin’ny fomba mifanaraka amin’izany. (Salamo 127:3). Niharihary fa maro no niaina nifanaraka tamin’ny fanarahana torohevitra toy izany. Nampahafanta-javatra tamin’io lafiny io na dia ny fiteniny aza. Nomarihin’i Edersheim fa ankoatra ny teny hoe zanakalahy sy zanakavavy, dia nanana teny sivy ny Hebreo fahiny hanondroana ny zanaka, ka nampiasaina tamin’ny ambaratonga samy hafa teo amin’ny fiainana ny teny tsirairay avy. Ohatra, nisy teny iray nanondroana ny zaza mbola minono ary nisy iray hafa nanondroana ny zaza efa nosarahi-nono. Ho an’ny ankizy zokiny kely kokoa, dia nisy teny iray nilaza tsy nivantana fa nanjary mafy sy matanjaka izy. Ary ho an’ireo tanora zokiny kokoa, dia nisy teny iray izay nidika ara-bakiteny hoe ‘mikofokofoka manao izay hahafahana’. Manazava toy izao i Edersheim: “Azo antoka fa ireo izay nanara-maso tamim-pahalianana lalina aoka izany ny fiainan’ny ankizy mba hanomezana anarana mampiavaka mahalaza tsara ny ambaratongam-pitomboana tsirairay teo amin’ny fiainany dia tsy maintsy niraiki-po tamim-pitiavana tamin’ny zanany.”