Diniho ny Porofo
ALAO sary an-tsaina hoe any amin’ny nosy mitokana sy tsy misy olona ianao. Mandeha eny amoron-dranomasina ianao ary mahita vato misy soratra hoe “John 1800.” Hihevitra ve ianao hoe satria tsy misy mponina ilay nosy sady mitokana, dia tsy maintsy ho ny rivotra sy ny rano no nahatonga an’ilay soratra? Mazava ho azy fa tsy maintsy ho nisy olona nanao an’ilay soratra. Tsy ho nisoratra ho azy teo mantsy ireo litera sy tarehimarika milahatra tsara ireo, na dia amin’ny teny vahiny aza. Misy dikany koa ilay soratra ka tsy maintsy ho olona misaina no nanoratra azy.
Miseho amin’ny endriny maro ny fanazavana hitantsika isan’andro. Eo ohatra ny soratra Braille, litera amin’ny abidy, kisarisary, naotina mozika, teny, tenin’ny tanana, onjam-peo, ary ny programan’ordinatera ampiasana isa 0 sy 1. Maro ny fomba ampitana fanazavana, anisan’izany ny hazavana, onjam-peo, taratasy, ary ranomainty. Miaiky foana ny olona hoe avy amin’ny olona manan-tsaina ny fanazavana toy izany. Milaza anefa ny mpino ny evolisiona (fiovana miandalana) hoe tsy toy izany ny fanazavana ao amin’ny sela fa nisy ho azy, na ilay fanazavana ihany no manoratra ny fanazavana ao aminy. Marina ve izany? Diniho ny porofo.
Ilay fanazavana ihany ve no manoratra ny fanazavana ao aminy?
Misy fanazavana voatahiry tsara ao anatin’ny ivon’ny selan’ny ankamaroan’ny zavamananaina. Antsoina hoe ADN izy io ary molekiola lava be miendrika tohatra miolikolika no mitondra azy. Mirakitra toromarika mibaiko an’ireo sela an-tapitrisa tapitrisany ao amin’ny vatanao ny ADN ka mandidy ny fiforonan’izy ireo, ny fitomboany, ny fikojakojana azy, ary ny fizarazarany. Antsoina hoe nucléotide ny singa fototra ao amin’ny ADN. Antsoina hoe A, C, G, ary T izy ireo, arakaraka ny zavatra simika ao aminy.a Toy ny litera ao amin’ny abidy izy ireo, ka ahazoana “fehezanteny” na toromarika samihafa rehefa atambatra. Ireny toromarika ireny no mahatonga ny ADN hamokatra ADN mitovy aminy sy hibaiko ny zava-mitranga hafa ao anaty sela.
Antsoina hoe zenôma ny fitambaran’ny fanazavana ao amin’ny ADN. Mampiavaka anao ny fitambaran’ny litera sasany ao amin’ny ADN-nao satria ny ADN no mirakitra ny fanazavana momba ny fototarazonao, ohatra hoe ny lokon’ny masonao, ny volon-koditrao, na ny bikan’ny oronao. Toy ny boky be dia be ahitana fanazavana samihafa momba ny faritra tsirairay amin’ny vatanao ny zenôma, ka rehefa atambatra ireo fanazavana dia manome anao.
Manao ahoana ny haben’io “fitambaram-boky” io? Misy enina arivo tapitrisa eo ho eo ny “litera” hita ao. Raha soratana amin’ny taratasy izany, hoy ny fikambanana iray mpandinika ny zenôma, dia hahafeno boky 200 misy pejy 1 000 avy.
Mampahatsiahy antsika an’ity vavaka ao amin’ny Baiboly ity izany: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” (Salamo 139:16) Efa 3 000 taona lasa teo ho eo no nanoratana azy io. Marina fa tsy nieritreritra momba ny siansa ilay mpanoratra teo, nefa marina ny zavatra nolazainy ary mampiseho ny fahendren’Andriamanitra sy ny heriny. Tsotra ny fomba nilazany an’izany, fa tsy feno angano sy finoanoam-poana toa an’ireo asa soratra ara-pivavahana hafa fahiny.
Iza no nanakambana an’ilay “fitambaram-boky”?
Raha ilay hoe “John 1800” aza nila olona misaina mba hanoratra azy, mainka fa ny fanazavana be pitsiny sy misy heviny ao amin’ny ADN! Samy fanazavana foana ireo na dia tsy mitovy aza ny toerana ahitana azy sy ny fomba isehoany. Nilaza i Donald Johnson, manam-pahaizana momba ny ordinatera, fa tsy mahavita mamorona fanazavana be pitsiny ny lalàn’ny simia sy fizika sady tsy afaka manatanteraka an’izay voalazan’ny fanazavana iray. Ara-dalàna koa ny hoe arakaraka ny maha be pitsiny ny fanazavana iray, no vao mainka ilana olona misaina mba hanoratra azy. Afaka manoratra hoe “John 1800” ny ankizy. Saina mahery noho ny an’ny olombelona anefa vao ho afaka hanoratra ny fanazavana hita ao amin’ny ADN. Milaza koa ny gazety Natiora (anglisy) fa “toa vao mainka saro-takarina ny momba ny zavamananaina, arakaraka ny hahalalana ny momba azy.”
Tsy mitombina sady tsy azo porofoina ny hoe zavatra maromaro niovaova fotsiny fa tsy nisy nibaiko no nampisy ny fanazavana be pitsiny ao amin’ny ADN.b Sarotra be ny inoana zavatra toy izany.
Niezaka nanaporofo ny mpino ny evolisiona hoe tsy misy Andriamanitra. Matetika anefa no hita fa diso ny hevitra arosony. Diniho, ohatra, ilay hoe tsy misy ilana azy ny 98 isan-jaton’ny zenôma, izany hoe fanazavana an’arivony tapitrisa.
Tsy misy ilana azy tokoa ve?
Efa ela ny mpikaroka no nihevitra fa fanazavana momba ny fanamboarana proteinina fotsiny no raketin’ny ADN. Hita anefa tatỳ aoriana fa ny 2 isan-jato monja amin’ny zenôma no toy izany. Ary ny 98 isan-jato? Nilaza i John Mattick, mpampianatra momba ny molekiolan’ny zavamananaina, ao amin’ny Oniversiten’i Queensland any Aostralia fa “tonga dia nolazaina fa sisan-javatra tsy ilaina taorian’ny fiovana miandalana” ireny ADN tsy fantatra ireny.
Ilay mpahay siansa atao hoe Susumu Ohno, izay mino ny evolisiona, no namorona an’ilay teny hoe “ADN tsy misy ilana azy.” Izy no nanoratra an’ilay lahatsoratra hoe “Be Loatra ny ADN Tsy Misy Ilana Azy ao Amin’ny Zenômantsika”, ka nolazainy fa “sisan’ireo andrana tsy nahomby teo amin’ny natiora” ireo ambina ADN. Hoy izy: “Feno sisana biby sy zavamaniry lany tamingana ny tany, ka tokony ho gaga ve isika raha feno sisan’ny fototarazo lany tamingana koa ny zenômantsika?”
Nisy vokany teo amin’ny fikarohana momba ny fototarazo izany. Nilaza i Wojciech Makalowski, mpikaroka momba ny molekiolan’ny zavamananaina, fa “nahatonga ny mpikaroka tsy handalina intsony momba an’ireo ADN” tsy ilaina izany. Vitsivitsy sisa no nanohy ‘nikaroka na dia nisy naneso aza. Izy ireo no nanova ny fiheverana ny ADN tsy misy ilana azy, taoriana kelin’ny 1990.’ Milaza i Makalowski fa “zenôma sarobidy” izao no ilazan’ny mpikaroka an’ireo zenôma nolazaina fa tsy misy ilana azy.
Milaza i Mattick hoe asehon’iny fandinihana iny fa matetika ny mpahay siansa no “tsy mijery tsara ny zava-misy rehetra.” Raha “tsy miraharaha ny vokatr’izany” ny mpikaroka, hoy izy, dia “mety hanao ny fahadisoana lehibe indrindra hatramin’ny nianarana momba ny molekiolan’ny zavamananaina.” Mazava àry fa tsy izay hevitra be mpanaraka no marina fa izay voaporofon’ny zava-misy. Raha izany no izy, inona no asehon’ny zava-misy momba ny asan’ireo ADN lazaina fa tsy misy ilana azy?
Inona no asan’izy ireo?
Mampiasa milina ny orinasa mpamokatra fiara mba hanamboarana ny ampahany samihafa amin’ny fiara. Azo oharina amin’ireny ampahany ireny ny proteinina ao amin’ny sela. Mila fitaovana samihafa koa ilay orinasa mba hanakambanana tsikelikely an’ireo ampahany ireo sy handrindrana ny fanakambanana azy. Toy izany no mitranga ao anaty sela. Eo indrindra no tena miasa ireo ADN lazaina fa tsy misy ilana azy, hoy ny mpikaroka. Mirakitra fanazavana ho an’ny molekiola be pitsiny ny ankamaroan’izy ireo. Atao hoe ARN mpandrindra ireo molekiola ireo ary mandray anjara betsaka amin’ny fitomboan’ny sela sy ny fiasany.c Hoy i Joshua Plotkin, mpikaroka: ‘Na ny fisian’ireny mpandrindra mahavariana ireny fotsiny aza, dia efa mampiseho fa tena kely no fantatsika momba ny zavatra faran’izay tsotra.’
Mila fitaovam-pifandraisana mety tsara ny orinasa mba hiasany tsara. Toy izany koa ny sela. Hoy i Tony Pawson, mpikaroka momba ny selan’ny zavamananaina, ao amin’ny Oniversiten’i Toronto, any Ontario: “Tsy tsotsotra fotsiny ny fomba fampitana fanazavana ao anaty sela fa mifampidipiditra be sady voalamina tsara. Tena be pitsiny” tsy araka ny nieritreretana azy ilay izy. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny fototarazo, ao amin’ny Oniversiten’i Princeton: “Mbola betsaka no tsy fantatra amin’ny fomba fiasan’ny sela sy ny lalàna mibaiko ny fifandraisana eo amin’ireo sela sy ny ao anatin’ny sela tsirairay.”
Isaky ny misy zava-baovao hita momba ny sela, dia voaporofo hoe faran’izay milamina sy tena be kojakojany izy io. Nahoana àry no mbola maro ihany no mihevitra fa sendra nivoatra miandalana fotsiny ny zavamananaina sy ilay fanazavana be pitsiny indrindra fantatry ny olombelona?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ahitana ny iray amin’ireto ny nucléotide tsirairay: A (adénine), G (guanine), C (cytosine), ary T (thymine).
b Ny fiovan’ny fototarazo no lazaina fa nahatonga ny evolisiona. Hazavaina kely ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
c Hita avy amin’ny fikarohana vao haingana fa tena be pitsiny sy tena ilaina amin’ny fitomboan’ny sela ireo ARN ireo. Hitan’ny mpikaroka fa rehefa tsy miasa tsara ireo ARN ireo dia mahatonga aretina maro toy ny kansera, aretin-koditra, ary aretin’i Alzheimer mihitsy aza. Mety hanampy amin’ny famantarana sy fitsaboana aretina samihafa ireo noheverina fa tsy misy ilana azy ireo.
[Efajoro, pejy 5]
NY HALAVAN’NY ADN
Roa metatra eo ho eo ny halavan’ny ADN-n’ny sela iray ao amin’ny vatanao. Ary toy inona ny halavany raha ampifanohizina ny ADN-n’ireo sela an-tapitrisa tapitrisany ao amin’ny vatanao? Misy milaza fa toy ny dia mandroso sy miverina im-670 eo ho eo izany, raha avy eto an-tany mankeny amin’ny masoandro. Hila adiny 185 eo ho eo vao ho vita izany, raha mitovy amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana ny hafainganam-pandehanao.