Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Hankahala ny Lehilahy Miray Amin’ny Lehilahy na ny Vehivavy Miray Amin’ny Vehivavy ve ny Kristiana?
TAMIN’NY 1969, dia nisy teny anglisy iray noforonina, nentina hilazalazana ny tahotra na ny rikoriko tsy azon’ny saina ekena, tsapa eo anoloan’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy.a Ilay teny dia hoe “homophobia”. Fiteny maro no tsy manana teny voafaritra tsara toy izany, kanefa, nandritra ny an’arivony taona maro, dia nampiseho an-karihary tsy fitiavana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, ny olona any amin’ny firenena maro samy hafa fiteny.
Tato ho ato anefa, dia natao izay hampanekena ny daholobe fa firaisana amin’ny endriny hafa fotsiny, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Vao haingana izay, i Jerry Z. Muller, mpahay tantara, dia nanoratra ny amin’ny “fitomboan’ny fitakiana ny hanekena sy ny hanajan’ny besinimaro ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, amin’ny maha-izany azy”. Nohazavainy fa “nihanivondrona [ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy] mba hanambarana fa mendri-piderana ny fanaony, sy mba hitakiana ny hanambaran’ny hafa toy izany koa”. Hita izany, indrindra fa any amin’ireo tany tandrefana. Kanefa, any amin’ny ankamaroan’ireo faritra eo amin’izao tontolo izao, na dia any amin’ireo tany lazaina fa malala-tsaina aza, dia maro ny olona mbola manameloka sy manamavo ihany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.
Matetika no avahana mba hatao lasibatry ny fanamarihana amim-panamavoana sy ny fanorisorena ary ny herisetra, ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, na ny olona ahiahina ho toy izany. Nisy mihitsy aza filoha ara-pivavahana nampiseho fankahalana toy izany. Ny sasany nanomboka nanao izay mety ho toa adiny manokana amin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Raiso, ohatra, ny filazan’ny eveka iray ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny heviny, nalefa vao haingana tao amin’ny radiom-pirenena grika. Hoy izy: “Handoro mandrakizay ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ao amin’ny afobe mirehitra, Andriamanitra. Hanakoako mandrakizay doria ny kiakiakan’ny vavany maloto. Hiaritra fijalijaliana tsy tanty ny vatany vetaveta.” Tena marina tokoa ve izany? Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny lehilahy miray amin’ny lehilahy?
Ny fiheveran’Andriamanitra
Ny Baiboly dia tsy manintona ny saina ho amin’ny hoe antokon’olona tokony hailika na hankahalain’ny Kristiana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Fanampin’izany, dia tsy ampianariny ny hoe Andriamanitra dia hanafay ny lehilahy miray amin’ny lehilahy — na ny zavaboariny na iza na iza — amin’ny fandoroana azy mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. — Ampitahao amin’ny Romana 6:23.
Kanefa, tena milaza ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena nosoritan’ny Mpamorona antsika ny Soratra Masina, dia fari-pitsipika izay matetika no mifanohitra amin’ny fihetsika ara-pitondran-tena amin’izao andro maoderina izao. Helohina ao amin’ny Baiboly avokoa ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy sy ny firaisan’ny olona tsy mpivady ary ny firaisana amin’ny biby. (Eksodosy 22:18; Efesiana 5:3-5). Nandrava an’i Sodoma sy i Gomora noho ireo fanao eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ireo, Andriamanitra. — Genesisy 13:13; 18:20; 19:4, 5, 24, 25.
Milaza mivantana tsara toy izao ny Tenin’Andriamanitra, mikasika ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy: “Zavatra fankahala izany.” (Levitikosy 18:22, The New Jerusalem Bible). Nanoritra toy izao ny Lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely: “Raha misy lehilahy mandry amin’ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy”. (Levitikosy 20:13). Nitovy tamin’izany koa ny sazy voasoritra ho an’ireo niray tamin’ny biby, niray tamin’olom-pady, sy nanitsakitsa-bady. — Levitikosy 20:10-12, 14-17.
Nahazo tsindrimandry ny apostoly Paoly mba hilazalaza fa fisehoan’ny “filan-dratsy mahavoafady” sady ‘tsy fanao,’ ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Izao no nosoratany: “Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao”. — Romana 1:26-28.
Tsy manolotra fanalan-tsiny na fanekena lembenana na hevitra mampisalasala, na dia kely aza, ny Soratra Masina; zava-maharikoriko eo imason’Andriamanitra avokoa ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny fijangajangana. Mifanaraka amin’izany, ny Kristiana marina dia tsy manalefaka ny fiheveran’ny Baiboly momba ny “filan-dratsy mahavoafady”, mba hanjary ho mamy hoditra kokoa na heken’ny kolontsaina maoderina kokoa fotsiny. Izy ireo koa dia tsy miombon-kevitra amin’izay rehetra mety ho fihetsiketsehana natao hampanekena ny olona fa fomba fiaina ara-dalàna ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.
“Mankahalà ny ratsy”
Hoy ny fananaran’ny Baiboly: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. (Salamo 97:10). Noho izany, dia antenaina ny hankahalan’ny Kristiana ny fanao rehetra mandika ny lalàn’i Jehovah. Misy olona mety hahatsapa rikoriko mafy kokoa mihitsy aza, amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy noho ny amin’ny karazana fahalotoam-pitondran-tena hafa, satria firaisana vetaveta tsy araka ny natiora no fiheverany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Kanefa, tokony hankahala izay olona manao zavatra toy izany ve ny Kristiana?
Ahazoana fanazavana momba io raharaha iadian-kevitra io ny tenin’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 139:21, 22, manao hoe: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” Tokony hiteraka ao amintsika tsy fitiavana tanteraka an’ireo izay minia mikomy amin’i Jehovah sy mijoro ho fahavalon’Andriamanitra, ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah sy ny foto-pitsipiny. Anisan’izay mikiry ho fahavalon’Andriamanitra toy izany i Satana sy ireo demonia. Azo inoana fa ao anatin’izany sokajy izany koa ny olona sasany. Kanefa, mety ho tena sarotra ny hamantaran’ny Kristiana ny olona toy izany avy amin’ny fisehoany ivelany. Tsy afaka mamantatra ny ao am-po mantsy isika. (Jeremia 17:9, 10). Tsy mety ny manombantombana hoe fahavalon’Andriamanitra tsy laitra anarina intsony ny olona iray, satria manao ny ratsy izy. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy mahafantatra fotsiny ny fari-pitsipik’Andriamanitra ireo mpanao ratsy.
Noho izany, amin’ny ankapobeny, dia tsy mailaka hankahala olon-kafa ny Kristiana. Na dia mahatsapa rikoriko mafy amin’ny fomba fiaina sasany aza izy ireo, dia tsy mitady hanisy ratsy ny hafa, na mitahiry lolompo na manao fo lentika amin’ireny olona ireny. Manoro hevitra ny Kristiana kosa ny Baiboly mba ‘hanao izay hihavanana amin’ny olona rehetra’. — Romana 12:9, 17-19.
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”
Hanome famelan-keloka ho an’ny olona tena mibebaka tokoa i Jehovah, na inona na inona fahalotoam-pitondran-tena nety ho nataon’io olona io. Tsy misy porofo ny hoe mihevitra ny fahalotoam-pitondran-tena amin’ny endriny iray ho ratsy kokoa noho ny amin’ny endriny iray hafa, i Jehovah. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Diniho, ohatra, ny kongregasiona tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho azy ireo: “Ny mpijangajanga sy ny mpanompo samy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [“lehilahy miray amin’ny lehilahy”, NW ] sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Avy eo i Paoly dia niaiky fa nisy olona sasany izay mpijangajanga, mpaka vadin’olona, lehilahy niray tamin’ny lehilahy, sy mpangalatra taloha, nekena ho anisan’ny kongregasiona kristiana tany Korinto. Hoy ny nohazavainy: “Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — 1 Korintiana 6:9-11.
Mazava ho azy fa tsy milefitra amin’izay rehetra mety ho fandikana tsy an-kijanona ny fari-pitsipiny ara-pitondran-tena lavorary, i Jehovah. Tena mankahala tanteraka ny tsy firaharahana amin-kiry ny foto-pitsipiny izy. Kanefa, avelany hisokatra hatrany ny varavaran’ny fihavanana aminy. (Salamo 86:5; Isaia 55:7). Mifanaraka amin’izany, ny Kristiana dia tsy manao ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, na ny olon-kafa na iza na iza, ho lasibatry ny fankahalana, ny fanesoana, na ny fanorisorena. Mihevitra ny olon-kafa ho olona mety ho lasa mpianatr’i Kristy ny Kristiana marina, ka mitondra azy ireny amim-panajana sy amim-pahamendrehana. Hoy ny Baiboly: “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny [karazan’olona, NW ] rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” — 1 Timoty 2:3, 4.
Mandray an-tanan-droa izay mibebaka ny Kristiana
Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa mamela heloka Andriamanitra. Milazalaza azy ho “Andriamanitry ny famelan-keloka (...) ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo”, ny Baiboly. (Nehemia 9:17; Ezekiela 33:11; 2 Petera 3:9). Ny Baiboly koa dia mampitovy azy amin’ilay ray ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka mpandanilany foana, izay nandanilany ny lovany tamin’ny fanaranam-po tamin’ny filan-dratsy tany an-tany lavitra. Vonona ny handray indray an-tanan-droa an’ilay zanany lahy ny rainy, rehefa nody ny sain’ilay zanany tamin’ny farany, ka nibebaka sy niverina nody izy. — Lioka 15:11-24.
Eny, azon’ny mpanao ratsy atao ny miova. Manaiky izany ny Soratra Masina amin’ny fampirisihany ny olona hanaisotra ny toetra taloha ka hitafy ny toetra vaovao sy ‘mba hohavaozina amin’ny fanahin’ny saina’. (Efesiana 4:22-24). Afaka miova tanteraka ireo zatra manao ny ratsy, anisan’izany ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, raha ny amin’ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany, ary maro tokoa no nahomby tamin’ny fanaovana izany fiovana izany.b Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nitory tamin’ny olona toy ireny, ary nanjary azony nekena izy ireny, rehefa naneho fibebahana. — Matio 21:31, 32.
Mandray an-tanan-droa ny olona mibebaka, avy amin’ny saranga samy hafa, ny Kristiana. Rehefa avy niala tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena, na inona izany na inona, ny olona na iza na iza, dia afaka mandray soa feno avy amin’ny famelan’Andriamanitra heloka, satria “tsara fo amin’ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony”. — Salamo 145:9, Fandikan-teny Katolika.
Vonona ny hanolotra ny fanohanana ara-panahy ilaina ny Kristiana, na dia amin’ireo mbola eo am-piadiana mafy amin’ny fironana hiray amin’ny lahy na vavy tahaka azy aza. Izany dia mifanaraka amin’ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra, satria hoy ny Baiboly: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” — Romana 5:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny sisa amin’itỳ lahatsoratra itỳ, dia tsorina hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy ny hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Comment rejeter ces désirs?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Martsa 1995.
[Teny notsongaina, pejy 22]
Tsy manalefaka ny fiheveran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny Kristiana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Punch