EMBOKA MANITRA
Ditin-kazo manitra sy balsama mifangaro, izay mamerovero rehefa dorana. Avy amin’ny fototeny hoe katar (“manolotra setroka ho sorona”) ny teny hebreo hoe ketôret sy ketôhrah. Tymiama ny teny grika mifanitsy amin’ireo.
Avy tamin’ny zava-tsarobidy nomen’ny fiangonana no nanaovana ny emboka manitra masina ho an’ny tranolay masina tany an-tany efitra. (Ek 25:1, 2, 6; 35:4, 5, 8, 27-29) Zavatra efatra no nafangaro, ka hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Makà an’ireto zava-manitra ireto: Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony. Tokony hitovy daholo ny fatran’ireo. Dia amboary ho emboka manitra izany, ho zava-manitra mifangaro toy izay ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana, eny, zava-manitra misy sira sy madio, ary ho zava-masina. Ary makà amin’ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia makà amin’ilay vovony, ka ataovy eo anoloan’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona izay ao amin’ny tranolay fihaonana, eo amin’izay hisehoako aminao. Tokony ho masina indrindra izany aminareo.” Tsy azo alain-tahaka izy io ary masina, satria hoy koa izy: “Izay manamboatra emboka manitra mitovy amin’izany mba hankafizana ny fofony, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.”—Ek 30:34-38; 37:29.
Nilaza i Josèphe fa lasa 13 ireo zava-manitra nanaovana ny emboka manitra ho an’ny tempoly (Ny Adin’ny Jiosy, V, 218 [v, 5]), satria nampian’ny raby jiosy zavatra hafa. Anisan’izany, hoy i Maimonide, filozofa jiosy, ny ditin-kazo ambre, kasia, kanelina, miora, safrona, ary narda.
Teo andrefana tao amin’ny Masina, teo akaikin’ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra, ny “alitaran’ny emboka manitra.” (Ek 30:1; 37:25; 40:5, 26, 27) Nisy alitara toy izany koa tao amin’ny tempolin’i Solomona. (1Ta 28:18; 2Ta 2:4) Nodorana teo isaky ny maraina sy ny takariva ny emboka manitra masina. (Ek 30:7, 8; 2Ta 13:11) Fitondrana afo nasiana vainafo avy teo amin’ilay alitara sy emboka manitra eran-tanan-droa no nentina tao amin’ny Masina Indrindra, isan-taona isaky ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nodorana mba hidona-tsetroka teo anoloan’ny saron’ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona ilay emboka manitra.—Le 16:12, 13.
I Arona Mpisoronabe no voalohany nandoro emboka manitra teo ambonin’ilay alitara. (Ek 30:7) I Eleazara zanany anefa no niandraikitra ny emboka manitra sy ireo fitaovan’ny tranolay masina. (No 4:16) Toa nahazo nandoro emboka manitra ny mpisorona lefitra, toa an’i Zakaria (rain’i Jaona Mpanao Batisa), afa-tsy tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Lk 1:8-11) Novonoin’i Jehovah i Nadaba sy Abiho zanak’i Arona fa nanolotra emboka manitra sy “afo tsy ara-dalàna”, raha vao natomboka ny fanompoana tao amin’ny tranolay masina. (Le 10:1, 2; ampit. Ek 30:9; jereo ABIHO.) Nikomy tamin’i Arona sy ny mpisorona i Kora sy ny 250 lahy, izay samy Levita tsy mpisorona. Nasain’i Mosesy nitondra fitondrana afo sy nandoro emboka manitra teo anoloan’ny tranolay masina àry izy ireo, mba hahitana raha neken’i Jehovah ho mpisorona na tsia. Ringana anefa izy ireo raha mbola teny an-tanany ny fitondrana afony. (No 16:6, 7, 16-18, 35-40) Lasa boka koa i Ozia Mpanjaka rehefa sahisahy ratsy ka saika handoro emboka manitra tao an-tempoly.—2Ta 26:16-21.
Tsy niraharaha ny fanompoana an’i Jehovah intsony ny firenen’Israely tatỳ aoriana. Nakatony ny tempoly ary teo ambonin’ny alitara hafa izy ireo no nandoro emboka manitra. (2Ta 29:7; 30:14) Nisy aza nodorany teo anoloan’ny andriamani-kafa notompoiny. Nozimbazimbainy tamin’ny fomba hafa koa ny emboka manitra masina. Naharikoriko an’i Jehovah daholo izany.—Ezk 8:10, 11; 16:17, 18; 23:36, 41; Is 1:13.
Heviny an’ohatra. Aloky ny zavatra tsara ho avy ny fifaneken’ny Lalàna. (He 10:1) Toa mifanitsy amin’ny fandoroana emboka manitra koa ny vavaky ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Hoy ny Salamo 141:2: “Enga anie ny vavaka ataoko ka ho voaomana tsara toy ny emboka manitra eo anatrehanao [Jehovah].” Resahin’ny Apokalypsy (izay feno sary an’ohatra) koa fa manana “vilia volamena feno emboka manitra” ireo manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra. “Tsy inona ilay emboka manitra fa ny vavaky ny olona masina.” “Nomena emboka manitra be dia be [ny anjely iray] mba hatolony teo ambonin’ilay alitara volamena teo anoloan’ny seza fiandrianana, tamin’ny fotoana nandrenesana ny vavaky ny olona masina.” (Ap 5:8; 8:3, 4) Azo lazaina hoe mifanitsy amin’ny fandoroana emboka manitra àry ny vavaky ny olona masina ‘ateriny’ (He 5:7, Prot., f.a.p.) andro aman’alina (1Te 3:10), ary mahafinaritra an’i Jehovah.—Oh 15:8.
Tsy hoe heken’Andriamanitra ny vavaky ny mpanompo sampy raha manolotra emboka manitra izy. (Oh 28:9; Mr 12:40) Misy heriny kosa ny vavaky ny olo-marina. (Jk 5:16) Rehefa nisy loza avy tamin’Andriamanitra àry, dia ‘nasian’i Arona emboka manitra [haingana] teo amin’ny fitondrana afo. Dia nandrakotra ny fahotan’ny vahoaka izy.’—No 16:46-48.
Tsy mandoro emboka manitra ny Kristianina. Mandoro emboka manitra ny Bodista sy ny olona sasany milaza ho Kristianina rehefa mivavaka. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tokony hanao izany ny Kristianina. Tsy nanana fitaovana fandoroana emboka manitra ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny fahefatra. Efa tamin’ny andron’i Grégoire Lehibe (Papa Grégoire I, faramparan’ny taonjato faha-6) vao nandoro emboka manitra ny fiangonana. Efa nofantsihan’i Kristy tamin’ny hazo fijaliana mantsy ny fifaneken’ny Lalàna sy ireo didy (Kl 2:14), ary rava ny tempoly sady foana ny asan’ny mpisorona taranak’i Arona. Tsy nomena alalana handoro emboka manitra koa ny fiangonana kristianina voalohany. Tsy nisy Kristianina nandoro izany àry rehefa nivavaka, hoatran’ny Jiosy ihany.
Tsy nety nandoro emboka manitra ho fanomezam-boninahitra mpanjaka ny Kristianina voalohany, na dia ho faty aza. Hoy i Daniel Mannix: “Nasiana alitara nisy afo natokana ho an’ny Kristianina tao amin’ilay kianja, nefa vitsy kely izy ireo no nanda ny finoany. Raha nanipy emboka manitra iray tsongo tao anatin’ilay afo fotsiny anefa ilay voafonja, dia ho nomena Taratasy Fanamarinana ho Nanao Sorona, ka nafahana. Nohazavaina tsara taminy koa fa tsy nivavaka tamin’ny mpanjaka akory izy raha nanao izany, fa nanaiky fotsiny hoe andriamanitra ilay mpanjaka romanina. Zara raha nisy Kristianina nety nanao izany anefa.”—Ireo Efa ho Faty, 1958, p. 137.
Tsy nety nivarotra emboka manitra mihitsy aza ny Kristianina, hoy i Tertullien (taonjato faha-2 sy faha-3). (Momba ny Fanompoan-tsampy, toko XI) Tsy mba toy izany kosa ireo nivarotra entana tamin’i Babylona Lehibe.—Ap 18:11, 13.