TADY
Teny hebreo sy grika maromaro no ilazan’ny Soratra Masina ny kofehy sy tady isan-karazany. Ny teny hebreo hoe hevel anefa no tena ilazana ny tady ara-bakiteny na an’ohatra. (2Sa 17:13; Mpto 12:6; Ho 11:4) Mety hidika hoe “tady” fandrefesana (2Sa 8:2) izy io, ka indraindray ilazana “anjara” lova voarefy na “zaran-tany” (Js 17:5, 14; 19:9), na ‘faritra.’—De 3:4, 13, 14.
Ny teny grika hoe skôiniôn no adika hoe tady ao amin’ny Soratra Masina, ary azo ilazana tady vita amin’ny bararata na harefo izy io. Tezitra i Jesosy Kristy ka “nanamboatra karavasy tady”, ary “noroahiny hiala tao amin’ny tempoly izay rehetra niaraka tamin’ny ondry sy omby.” Tsy ny olona anefa no nokaravasiny fa ny biby.—Jn 2:13-17.
Vita tamin’ny fibra avy amin’ny rongony, karazana rovy, ary antrendry ny tady sasany fahiny. Nahitana tady mahazaka vita tamin’ny hoditry ny hazo palmie, tany Eziona-gebera. Nanaovana tady koa ny harefo sy bararata isan-karazany. Nanaovan’ny Ejipsianina tady mafy, ohatra, ny hoditra lavalava narandrana. Nahavitana tady mahazaka nilaina tamin’ny harato koa ny fibra avy amin’ny karazana rovy (Boehmeria nivea) any Azia.
Natao haingo koa ny tady indraindray. Toa nasian’i Joda ‘tadiny’ (heb.: patil [Ge 38:18, 25]), ohatra, ny peratra fanombohan-kaseny. “Rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony” no natsofoka teo amin’ny mason-drojo roa teo amin’ny zoron’ny saron-tratran’ny mpisoronaben’ny Israely. (Ek 39:15-18) Nisy “lamba rongony sy lamba landihazo malefaka ary lamba manga, nofatorana tamin’ny kofehy [na tady] vita tamin’ny lamba tena tsara” tao an-dapan’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa.—Es 1:6.
Nisy koa ny “tady fanenjanan-day” (heb.: mehtar [Is 54:2; Ek 39:40]), “tadin-tsarety” (heb.: ʽavôt [Is 5:18]), ary “tadin-tsipìka.” (heb.: yetarim [Jb 30:11; Sl 11:2]) Namatorana babo ny tady (Mpts 15:13-15; Ezk 3:25), ary nihazonana lay sy andrin-tsambo. (Is 33:23) Nasaina namatotra “tady [avy amin’ny teny heb. hoe tikvah] mena midorehitra” teo am-baravarankeliny i Rahaba, mba ho voatsimbina izy mianakavy rehefa horavana i Jeriko.—Js 2:18-21.
Heviny an’ohatra. Hoy ny mpamory vahoaka: “Ny tady randran-telo tsy mora tapahina.” (Mpto 4:12) Ho mora tapahina ny randrana tsirairay, raha vahana ireo randrana telo. Tsy ho mora tapahina kosa izy telo rehefa narandrana. Toy izany koa fa matanjaka kokoa ny finoan’ny mpanompon’Andriamanitra ka ho afaka hiatrika fanoherana izy ireo, raha miray saina sy mitovy tanjona. Ampirisihina koa ny tanora hahatsiaro ny Mpamorona azy, “dieny mbola tsy tapaka ny tady volafotsy” (Mpto 12:1, 6), izay mety ho ny tsokan-damosina. Ho faty mantsy ny olona iray raha voa mafy izy io.
Saika hisy hamono i Davida indray mandeha, ary toa efa niandry azy ny Fasana. Hoy izy: “Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana ... Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana.” Toa tsapany ho toy ny nofatorana tady ny tenany ka notarihina ho any amin’ny fahafatesana sy Fasana.—Sl 18:4, 5.
Hoy i Isaia: “Lozan’ireo mitaritarika fahadisoana amin’ny tadin’ny tsy fahamarinana, sy mitaritarika fahotana toy ny amin’ny tadin-tsarety.” Toa te hilaza izy fa toy ny mifatotra amin’izy ireo ny fahadisoany sy fahotany, hoatran’ny biby mifatotra amin’ny tady amin’ny sarety tarihiny.—Is 5:18.
“Nisikina lamba gony” ireo Syrianina resy, “ary nanisy tady teo ambony lohany, dia nankao amin’ny mpanjakan’ny Israely”, ho mariky ny fanekena sy fietrena, mba hiangavy an’i Ahaba hamindra fo amin’i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria. Mety ho samy nanisy tady nanodidina ny lohany na ny tendany ireo Syrianina.—1Mp 20:31-34.
Nivondrona hanohitra an’Andriamanitra sy ny voahosony ny mpitondra sy firenena mpanompo sampy fahiny tsy te hofehezin’ny Israelita. Hivondrona “hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony” koa ny mpanjakan’ny tany sy manam-pahefana, ‘ka hilaza hoe: “Andao hotapahintsika ny fatotra nataony, ary hariantsika any lavitra any ny tady namatorany antsika!”’ Tsy hanaiky hofehezin’i Jehovah sy ny Voahosony ireo mpitondra sy firenena, ka hiezaka hanapaka sy hanary ny tady namatorany azy nefa tsy hahomby.—Sl 2:1-9.
Tsy azo anenjanan-day intsony ny tady raha tapaka. Tanàna lao àry no dikan’ny hoe tapaka ny tady fanenjanana ny tranolay. (Je 10:20) Ny mifanohitra amin’izany kosa no resahin’ny Isaia 33:20 hoe: “Jereo i Ziona, ilay tanàna fanaovantsika fety! Ho hitan’ny masonao i Jerosalema, izay fonenana tsy misy manelingelina, sady tranolay tsy hisy hangorona. Tsy hotsoahana mihitsy ny fantsika be fanenjanan-day eo aminy, ary tsy hisy hotapahina ny tadiny.” Haverina amin’ny laoniny sy hahazo sitraka amin’i Jehovah indray àry i Ziona.