-
FanahyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Namerina ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 31:5 i Jesosy, ka nilaza toy izao rehefa ho faty: “Apetrako eo am-pelatananao ny aiko [pneoma].” (Lk 23:46) Te hilaza izy hoe nankininy tamin’Andriamanitra ny hery namelona azy. (Ampit. As 7:59.) Tsy mila miala eto an-tany sy miakatra any amin’Andriamanitra any an-danitra akory ilay hery mamelona. Voalaza, ohatra, fa ‘nandre ny hanitry’ ny sorona biby Andriamanitra. (Ge 8:20, 21) Azo antoka anefa fa tsy niakatra tany an-danitra ilay hanitra fa nijanona tetỳ an-tany ihany. Amin’ny heviny an’ohatra koa àry ilay hoe ‘alain’Andriamanitra’ ho any aminy ny hery mamelona na ny aina apetraka eo am-pelatanany. (Jb 34:14; Lk 23:46) Apetrak’ilay olona eo am-pelatanan’Andriamanitra ny ainy na ny hery mamelona azy, amin’ny heviny hoe manantena izy fa hatsangan’Andriamanitra ka homeny hery mamelona indray amin’ny hoavy.—Ampit. No 16:22; 27:16; Jb 12:10; Sl 104:29, 30.
-
-
FahamarinanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana. “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Sl 31:5) Mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony. Azo antoka ny fampanantenany satria tsy mahay mandainga izy. (No 23:19; 1Sa 15:29; Sl 89:35; Tit 1:2; He 6:17, 18) Mitsara araka ny marina izy, izany hoe mifanaraka amin’ny tena zava-misy, fa tsy mitsara ivelany. (Ro 2:2; ampit. Jn 7:24.) Madio sy tsy misy tsiny izay rehetra avy aminy. Marina ny didim-pitsarany, ny lalàny, ny didiny, ary ny teniny. (Ne 9:13; Sl 19:9; 119:142, 151, 160) Ara-drariny foana izy ireny, ary mifanohitra amin’ny hoe tsy marina sy diso.
-