Manantenà an’i Jehovah
“Miandrasa [manantenà, MN ] an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany izy. Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” — SALAMO 37:34.
1, 2. Tarehin-javatra manao ahoana no misy ny olombelona, ary manao ahoana ny endriky ny Firenena mikambana?
TEO amin’ny lafiny ara-pahaizana dia nahatratra ny ambaratonga fivelarany ambony indrindra ny fianakavian’olombelona. Noho ireo fiezahana nataony dia tonga hatramin’ny fotoan’ny ataoma izy tamin’ny farany. Ny hery fonosin’ny ataoma dia toa afaka hamokatra angôvo be dia be, ka izany dia ahafahana maminavina hanatanterahana asa goavana maneran-tany. Mampalahelo anefa fa nanomana loza lehibe ho an’ny taranak’olombelona koa ireny fandrosoana ireny.
2 Inona no nanakana ny fianakavian’olombelona tsy handringan-tena tao anatin’ny ady noklehera iray hatramin’izao? Mety hisy hihevitra izany ho ny Firenena mikambana, izay mirehareha tokoa manana tany 159 ho mpikambana ao anatiny. Kanefa, ireny firenena ireny, tarihin’ny endri-pitondram-panjakana samihafa dia tsy mifanaraka satria ny tsirairay avy aminy mihevitra fa nahita ny fitondrana ara-politika tsara indrindra. Noho izany dia manjaka eo anivon’ny O.N.U. mihitsy ny fisaratsarahana, ary ny mpikambana ao aminy dia hetsehin’ny firehareham-pirenena sy ny faniriana fahaleovantena. Ankoatr’izany, dia nanda an’Andriamanitra ny firenena sasany: tonga tsy mino ny fisian’Andriamanitra izy ireny.
3. Fahasamihafana inona no misy eo amin’ny fomba fahitan’ny fivavahana lazaina fa kristiana an’Andriamanitra sy ny fomba ilazan’Andriamanitra ny amin’ny tenany mihitsy?
3 Na eo aza izany fironana izany dia mbola misy ny fivavahana lazaina fa kristiana. Voaforon’ny firenena izay tsy maniry ny hiheverana azy ho tsy mpino an’Andriamanitra izy ka milaza ny finoany an’i Jesosy Kristy izay ampiraisiny amin’ “Andriamanitra Ray” sy ny “fanahy masina” iray lazaina fa persona ao anatin’ny trinite iray, izay ny mahaforona azy dia mitovy fahefana. Kanefa ny Rain’i Jesosy dia nandidy an’i Isaia mpaminany mba hanoratra ireto teny ireto, izay mamaritra ny maha-izy azy: “Izaho no Jehovah, izany no anarako; ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8). Nandritra ny Tantara, Jehovah, na Yahve (Baibolin’i Jerosalema), dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny fomba tsy manam-paharoa.
4. Mampiala ny olombelona amin’inona moa ny Firenena mikambana?
4 Ny Firenena mikambana dia tsy nanaiky na nanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra, araka izay tokony ho nataony; ary izany fihetsika izany dia tsy manome voninahitra azy ireny. Tsy mamporisika ny olombelona izay tsy mbola tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy izy, hanantena an’ilay mitondra an’io anarana io. Kanefa izy io dia mendrika ny hantsoina tokoa hoe “Andriamanitry ny fanantenana”; izy tokoa no nametraka ny fototry ny hany fanantenana mafy orina azon’ny mpiara-belona amintsika velomina (Romana 15:13, Baibolin’i Jerosalema). Izany fanantenana izany dia nanatanjaka sy nanohana olona maro hatramin’izao andro izao.
Hatrany am-boalohany: fanantenana iray!
5. Oviana no napetraka ny fototra iorenan’ny fanantenana?
5 Ny fototr’io fanantenana io dia napetraka raha vao teo am-piandohan’ny tantaran’olombelona; izany dia nitranga taloha kelin’ny nandroahana an’ireo ray aman-drenintsika voalohany avy tao amin’ny fonenany, dia zaridaina iray tao Edena, tany Atsinanana-Afovoany. Ny fitantarana, nosoratana tamin’ny fiteny hebreo, milazalaza momba an’io zaridaina na paradisa io, dia tsy angano na arira noforonin’olombelona izay ho niodina tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny Mpamorona azy. — Genesisy 2:7 ka hatramin’ny 3:24.
6. Nahoana moa no nilain’ny olombelona ny fanantenana iray?
6 Maherin’ny 4 000 taona tatỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra toy izao: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Ankoatr’izany dia notondroiny hoe iza io olona io: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” (1 Korintiana 15:22). Ao amin’ny toko fahatelo amin’ny Filazantsarany, Lioka mpitsabo dia nampiandoha ny firazanan’i Jesosy hatrany amin’i Adama; talohan’ny nandroahana azy avy tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia nandre an’i Jehovah niresaka ny amin’ny fanantenana iray Adama. — Lioka 3:23-38.
7. Fampaherezana inona moa no nomen’Andriamanitra fony fahavelon’i Adama?
7 Ara-dalàna ny hanirianao hahafantatra ny ambangovangon’izany fanantenana izany, nefa alohan’izany dia mariho fa loharanom-panantenana efa hatramin’ny ela be Jehovah. Tany am-piandohana dia zanak’Andriamanitra teto an-tany i Adama, ka namela azy hanana taranaka Andriamanitra. Raha manahy fahasahiranana hitranga ianao dia azo inoana fa haniry hampahery ny taranakao, hanome azy fanantenana; izany no nataon’Andriamanitra tamin’ny lafiny sasany: ren’i Adama, taorian’ny fanamelohana natao taminy, ny teny mifono fanantenana natao ho an’ny taranany.
8. Fototra inona ho an’ny fanantenana moa no fonosin’ilay fanambarana ao amin’ny Genesisy 3:15?
8 Fanantenana inona àry no nampitain’Andriamanitra? Nilaza izao tamin’ilay “menarana” izay nanana andraikitra tamin’ny fahotan’i Adama izy: “Dia ampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany. Izy hanorotoro ny lohanao ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:14, 15). Mety hisy hanontany tena hoe nahitana taratry ny fanantenana inona ireo teny ireo. Voalohany, izany dia mampiseho fa ny “menarana” dia tokony hotorotoroina amin’ny lohany.
9. Iza moa ilay “menarana” resahina ao amin’ny Genesisy 3:14, 15?
9 Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 12:9: “Ary nazera ilay dragona, ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Tsy iza tokoa ny menarana tao amin’ny saha Edena fa ilay zavaboary ara-panahy ratsy antsoina hoe Satana Devoly. Io menarana ara-panoharana io dia manana eo ambany fahefany tsy anjely any an-danitra fotsiny fa ‘taranaka’ iray eto an-tany koa, izay hofongorina miaraka aminy amin’ny fotoana voatendry.
10. Ahoana no nanamafisan’i Jesosy ny maha-izy an’ilay “menarana”?
10 Nanamafy ny maha-Satana an’ilay “menarana”, izay nahatonga ny fahalavoan’ireo ray aman-drenintsika voalohany Jesosy Kristy rehefa nilaza izao tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina (...) Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Nantsoin’i Jesosy koa hoe “taranaky ny menarana” ireny mpanohitra ara-pivavahana ireny. — Matio 12:34; 23:33.
Fanantenana velona
11. Antony fanampiny ahazoana fanantenana inona moa no omen’ny Genesisy 3:15?
11 Ny fampanantenan’Andriamanitra izay nilaza fa hotorotoroina amin’ny lohany ilay menarana ara-panoharana dia nampiseho tokoa fanantenana mampionona ho an’ny fianakavian’olombelona manontolo, izay mbola ho avy tamin’izay. Azontsika ny antony amin’ny fandinihana endriny hafa amin’ilay fanambarana voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15. Nifono zava-miafina nandritra ny fotoana ela ny maha-izy an’ilay ‘taranaky’ ny vehivavy resahina ao amin’io andinin-teny io. Na dia izany aza anefa dia nazava fa hampisy fifandrafiana Jehovah Andriamanitra eo amin’io ‘taranaka’ tsy fantatra io sy ny menarana ara-panoharana ary koa ny ‘taranany’ mpanohitra an’Andriamanitra. Nampanantenaina ny fandresena, nambara fa azo antoka tamin’ilay ‘taranaky’ ny “vehivavy”, ary izany fandresena izany dia napetraka ho toy ny fanantenana teo anoloan’ny olombelona. Nanana antony tokony hiandrasana ny fahatongavan’ny ‘taranaky’ ny “vehivavy” àry ny mpianakavin’ny olombelona.
12. Rehefa nandeha ny fotoana, zavatra hafa inona momba ilay ‘taranaky’ ny “vehivavy” moa no nampahafantarina?
12 Rehefa nandeha ny fotoana dia nampahafantarin’Andriamanitra fa io ‘taranaka’ io dia ny Zanany lahitokana, nirahina teto an-tany mba ho tonga ny Mesia ka hanolotra ny ainy ho sorom-panavotana (Genesisy 22:17, 18; Galatiana 3:16; 1 Jaona 2:2; Apokalypsy 5:9, 10). Izany no antony ametrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanantenany, tsy amin’ny Firenena mikambana, fa amin’ilay Mpitondra tenin’i Jehovah Andriamanitra lehibe indrindra, dia Jesosy Kristy izay velona tokoa. Azontsika antoka fa velona Kristy, satria natsangana tamin’ny maty ary nipetraka teo ankavanan’i Jehovah tany an-danitra. Araka ny nilazan’i Paoly azy, “raha amin’izao fiainana izao ihany [izay nitatra hatramin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao] no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry”. (1 Korintiana 15:19, 20.) Araka ny nasehon’ny Ny Tilikambo Fiambenana matetika tamin’ny alalan’ny Soratra masina, dia efa nandray fiandrianana tany an-danitra izao i Jesosy Kristy Mpanjaka. — Apokalypsy 11:15.
13, 14. Amin’iza moa no ametrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanantenany, ary manosika azy hanao inona moa izany?
13 Marina fa tsy nisolo an’i Jehovah izay nitoetra ho fanantenan’ny olombelona foana akory Jesosy. Mitahiry ny hasarobidiny rehetra ny Salamo 37:34: “Miandrasa (manantenà, MN ] an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany izy. Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Ilaintsika àry ny manohy miandry an’i Jehovah sady mamporisika ny olona avy amin’ny firenena rehetra tsy hametraka ny fanantenany intsony amin’ireo fandaminana naorin’olombelona.
14 Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana amim-paharisihana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any amin’ny tany 208. Tsy misy afaka manakana azy amin’izany. Ireo fandaminana ara-politika, ampiana sady amporisihin’ireo fandaminana ara-pivavahana, dia tsy nahazo lalana avy amin’Andriamanitra hanakana izany. Azontsika atao ny manohy ho Vavolombelon’i Jehovah sady manantena azy, toy ny nataon’i Davida avy any Betlehema, izay nanoratra hoe:
15. Fanantenana inona moa no nananan’i Davida mpanjaka tamin’i Jehovah?
15 “Jehovah no Mpiandry ahy; tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko: ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” — Salamo 23.
16. Nahoana no azo lazaina fa nanana fanantenana mitovy amin’ny an’i Davida i Jesosy?
16 Davida mpanjaka dia mpiandry ara-panahy izay notendren’i Jehovah hiandry ireo fokon’ny Isiraely fahiny ka nanao izay hahatongavan’i Jerosalema ho ny renivohi-pirenena izy, renivohitra izay nanjakan’i Solomona zanany nandritra ny 40 taona. Ara-drariny tokoa raha nantsoina hoe ny “zanak’i Davida” Jesosy Kristy. (Lioka 1:31; 18:39; 20:41.) Raha nanantena an’i Jehovah Andriamanitra i Davida, dia azo heverina fa hanao toy izany koa ny taranany teto an-tany, Jesosy Kristy, araka ny fifandrindran-kevitra; ary izany no nitranga.
17. Porofo inona no manamarina fa nanantena an’i Jehovah i Jesosy?
17 Ny porofo fa nanaraka an’io torohevitra ao amin’ny Salamo 37:34 io ny taranak’i Davida nalaza indrindra, Jesosy Kristy, dia omen’ireo teny notononiny teo ambonin’ny hazo fijaliana talohan’ny nahafatesany: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.” (Lioka 23:46). Teo izy dia nanonona sy nanatanteraka ny teny nataon’i Davida tamin’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 31:5 manao hoe: “Eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko.” Tahaka ny an’i Davida mpanjaka dia tsy diso ny fanantenan’i Jesosy: natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo izy; efapolo andro tatỳ aoriana dia niverina tany amin’ny Rainy tany an-danitra izy; ary tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914, Jehovah dia nanandratra azy tamin’ny fanaovana azy ho Mpanjakan’ny tany.
Fanantenana ho an’izao androntsika izao
18. Nahoana no mety tsara raha manana fanantenana ny olombelona ankehitriny?
18 Ankehitriny, raha hanomboka ny taona 6014 araka an’izao tontolo izao, fanantenana inona moa no azon’ny fianakavian’olombelona velomina? Koa satria eo amin’ny taonjato 19 atỳ aorian’ny andron’ny Baiboly no misy antsika ary satria efa hatramin’ny ela tokoa no nanoratan’i Davida ny andinin-teny ao amin’ny Salamo 37:34, dia mety tanteraka io fanontaniana io.
19. Inona no nataon’i Jehovah ho an’i Jesosy, ary fanantenana inona no omen’izany ho antsika?
19 Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty dia nanomana ny Zanany lahy ho amin’ny anjara asa mbola lehibe lavitra noho izay mety hoheverin’ny olona fohy fijery. Nanangana ny Zanany lahitokana tamin’ny maty izy ary nanandratra azy tamin’ny fametrahana azy teo ankavanany tany an-danitra, ka izany dia manome antsika antony fanampiny hijerena ao amin’i Jehovah fanantenana azo antoka, ny hany fanantenantsika, izay manolotra ny fahafahana hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana. Araka ny nanoratan’i Paoly azy teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia “ny fanantenana no namonjena antsika”. — Romana 8:24.
20. Nahoana isika no afaka milaza fa “Andriamanitry ny fanantenana” foana i Jehovah?
20 Nanohy toy izao ilay apostoly: “Nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.” (Romana 8:24, 25). Mbola velona foana àry io fanantenana tany am-boalohany io ary ho tanteraka tsy ho ela amim-pandresena eo amin’ny taranak’olombelona (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:4, 5). Koa satria atolotra ho an’ny olombelona rehetra io fanantenana io, dia ara-dalana raha ampandrenesina ny rehetra izany; izany no hevitr’ilay “Andriamanitry ny fanantenana”.
21, 22. Inona moa no hataon’ny firenena amin’ny ho avy tsy ho ela?
21 Miaina amin’ny fotoana izay nofidin’Andriamanitra, ankoatra ny rehetra, mba hanatanterahana ny heviny, isika. Tonga hatramin’ny fifehezana ny ataoma izao ny firenena sasany anisan’ny O.N.U. Kanefa ny mpitondra azy ireny dia tsy mahita ny ilàna ianteherana amin’ny saina ambony iray mba handaminana ireo zava-manahirana maneran-tany. — Jereo Genesisy 11:6.
22 Ny fivavahana nentin-drazana dia tsy mbola nanana fihetsika miaro tena toy izao mihitsy; izany dia satria ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra izy ankehitriny. Ny toe-tsaina tia fisaratsarahana omeny izao tontolo izao dia tokony hitsahatra. Mampiseho ny Baiboly fa ireo mpitondra ara-politika dia hanamarina ny fahamboniany eo amin’ny fivavahana ka handa azy. Tsy tokony hahagaga antsika izany satria nandritra ny taonjato maro, ireny fivavahana mpitsetsitra rehetra ireny dia nanandrana nanararaotra faran’izay betsaka an’izao fandehan-javatra izao. Io famelezana hoentina hanoherana ny fivavahana io dia tsy hitondra fahavoazana ho an’ireo firenena, ka izany dia hahatonga azy ireny hihevitra fa tsy misy Andriamanitra mendrika hivavahana sy hotompoina. Ny faminaniana dia manondro fa hiodina hamely ny vavolombelon’Andriamanitra izay ho eo foana izy amin’izay. Ireo firenena dia hanantena hamarana ny ady ataony hanoherana an’Andriamanitra amin’ny fahazoana mora foana fandresena eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. — Apokalypsy 17:12-17; Ezekiela 38:10-23.
23, 24. Inona moa no hataon’i Jehovah rehefa hamely ny vahoakany ny firenena?
23 Kanefa ireo firenena dia hahita faharesena mampietry mendrika ireo izay sahy miady amin’i Jehovah Tompon’ny maro izay tsy mbola resy mihitsy. Dia toy izany no hanaporofoana fa niasa ho an’ny tombontsoan’ilay mpanohitra lehibe an’Andriamanitra tokana sady marina izy ireny; antsoin’ny Baiboly hoe ny “menarana”, Satana, “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, izy io. — 2 Korintiana 4:4, MN.
24 Fietrena toy inona moa izany ho an’ireny firenena ireny! Ny fihamboany dia hiharihary ho fahasahisahiana tafahoatra ka hitarika ny fahatezerana ara-drariny avy amin’ny tanan’ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany mihitsy. Moa ve Jehovah tsy nilaza toy izao tamin’ny olombelona, izay bitika tokoa eo anatrehany: “Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra, ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako. Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:8-11.
25. Nahoana isika no manana antony tsara hijerena an’i Jehovah ho toy ny “Andriamanitry ny fanantenana”?
25 Tahaka ny olombelona izay noforoniny araka ny endriny, Jehovah dia manana fangoraham-po mahery tokoa. “Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.” (Zakaria 2:12). Tokony hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra àry ny Vavolombelon’i Jehovah; ary izy dia tsy handiso fanantenana azy ireo satria hampiseho amin’ny fomba mahatalanjona ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao izy. Hanaporofo mandrakizay tokoa izy fa ny tenany no Andriamanitra Avo Indrindra, Tsitoha Mandrakizay, ary ireo fanantenana feno fahamendrehana ananan’ny zavaboariny eto an-tany sy any an-danitra dia tsy ho foana. Haleloia! — Salamo 150:6.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no mamitaka ny fanantenana omen’ireo firenena?
◻ Momba ny fanantenana inona moa no nametrahan’Andriamanitra fototra ao amin’ny Genesisy 3:15?
◻ Ahoana moa no niheveran’i Jesosy ny torohevitra ao amin’ny Salamo 37:34?
◻ Antony inona avy no ananantsika ankehitriny mba hanantenana?
[Sary, pejy 10]
Toy ny anarahan’ny ondry ny mpiandry azy, dia toy izany koa no nanantenan’i Davida an’i Jehovah.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.