Mialofa Amin’i Jehovah
“Jehovah ô, Hianao no ialofako”. — SALAMO 31:1.
1. Ahoana no ampisehoan’ny Sl 31 Salamo faha-31 fatokiana ny amin’ny fahafahan’i Jehovah hanome fialofana?
MISY feo mahafinaritra iray mihira ny amin’ny lehilahy iray izay trotraka ara-tsaina sy ara-batana ka miantsampy any amin’i Jehovah. Mandresy ny finoana, hoy ny tonon’izany hira masina izany. Eo an-tsandrin’ny Tsitoha efa miandry no ahitan’izany lehilahy izany fialofana amin’ireo mpanenjika nihaza azy. “Jehovah ô, Hianao no ialofako”, hoy ilay salamony. “Aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.” — Salamo 31:1.
2. a) Miorina amin’ny andry roa inona avy no ahafahantsika mitoky amin’i Jehovah ho toy ny fiarovana mafy ho antsika? b) Karazana Andriamanitra manao ahoana moa i Jehovah?
2 Ilay mpanao salamo dia nanana fialofana tokana — ny tsara indrindra! Aoka ireo zavatra hafa hampisalasala, fa izao zava-misy izao no mitoetra: i Jehovah no fiarovana mafy ho azy, bateriny. Miankina amin’ny andry roa azo antoka ny fatokiany. Ny voalohany dia ny finoany izay tsy hampahamenarin’i Jehovah, ary faharoa, dia ny fahamarinan’i Jehovah, izay midika hoe tsy handao tanteraka ny mpanompony mihitsy Izy. Tsy Andriamanitra mampahamenatra ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah; tsy mpivadika amin’ny fampanantenany izy. Andriamanitry ny fahamarinana kosa izy sady mpamaly soa an’izay mitoky aminy amim-pahatsorana. Amin’ny farany, dia hovalian-tsoa ny finoana! Ho avy ny fanafahana! — Salamo 31:5, 6.
3. Ahoana no ankalazan’ny mpanao salamo an’i Jehovah?
3 Nahazo tanjaka anaty ilay mpanao salamo tamin’ny famoronana ny mozikany hisy feo iva manambara alahelo sy feo avo manambara fatokiana. Nankalaza an’i Jehovah noho ny fitiavany tsy mivadika izy. “Isaorana anie Jehovah”, hoy ny hirany, “fa nataony mahagaga ny famindrampony [“hatsaram-panahiny miharo fitiavana”, NW ] tamiko tao an-tanàna mimànda.” — Salamo 31:21.
Mpanao rodobe maherin’ireo mpitory ilay Fanjakana
4, 5. a) Mpanao rodobe mahery inona no midera an’i Jehovah amin’izao andro izao, ary ahoana no nanaovan’izy ireo izany tamin’ny taom-piasana lasa teo? (Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-12-15.) b) Amin’ny ahoana ny isan’ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana no mampiseho fa misy olona betsaka kokoa vonona ny hiaraka amin’ilay mpanao rodoben’ny mpitory ilay Fanjakana? (Jereo ny tabilao.) d) Antokon’olona iza ao amin’ny kongregasiona misy anao no ho afaka hiaraka amin’ireo mpanao rodobe?
4 Amin’izao andro izao, dia nanjary nahazo heviny fanampiny ny teny ao amin’io salamo io. Ireo hira fiderana an’i Jehovah dia tsy azon’izay mety ho mpanohitra ratsy fanahy, na loza araka ny natiora, na loza ara-toe-karena, ampanginina; marina tokoa fa nanjary nahatalanjona tamin’ny vahoakany ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana. Noho izany, tamin’ny taom-piasana lasa, maneran-tany, dia nisy mpanao rodobe mahery, nahatratra tampon’isa 4 709 889 tany amin’ny tany 231, nihira ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra. Fialofana izay tsy handiso fanantenana azy ireo ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra entin’i Kristy Jesosy. Tamin’ny taon-dasa, ireny mpitory ilay Fanjakana avy tamin’ny kongregasiona 73 070 ireny dia nandany, tamin’ny fitambarany, 1 057 341 972 ora teo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Izany dia nahatonga olona 296 004 hanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa amin’ny rano. Ary zavatra tsy nampoizina mahatalanjona toy inona moa no nifalian’ireo mpanatrika rehetra tamin’ilay Fivoriambe Niraisam-pirenena hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” natao tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny Aogositra lasa teo. Nahita fisehoan-javatra faran’izay lehibe teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, nanatri-maso ilay fanaovana batisa Kristiana marina betsaka indrindra voatana an-tsoratra! Araka ny voalaza ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 54:2, 3, dia mitombo isa, mbola tsy nisy toy izany ny vahoakan’Andriamanitra.
5 Misy anefa olona fanampiny, vonona ny ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, miandry ny anjarany mba hiarahana amin’ireo mpanao rodobe. Tamin’ny taon-dasa, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy dia natrehin’olona nitontaly tamin’ny fomba nampitolagaga ho 11 865 765. Antenaina fa maro amin’ireo no hahafeno fepetra mba hihira ny hiran’ilay Fanjakana isam-baravarana mandritra itỳ taom-piasana itỳ. Tsy maintsy maharomotra an’i Satana, ilay fahavalon’ny fahamarinana, toy inona moa izany fahatsinjovan-javatra izany! — Apokalypsy 12:12, 17.
6, 7. Hazavao ny fomba nandresen’ny lehilahy liana iray ny fampijalijalian’ny demonia noho ny fanampian’i Jehovah.
6 Hanandrana hisakana ny hafa tsy hiray feo amin’io mpanao rodobe mahery io i Satana. Hitan’ireo mpitory tany Thaïlande, ohatra, fa nitombo isa ireo olona ampijalijalin’ny demonia. Olona tso-po maro anefa no afaka noho ny fanampian’i Jehovah. Rehefa avy nitsidika mpimasy noho ny fitiavana ta hahafanta-javatra ny lehilahy iray, dia nanjary teo ambanin’ny herin’ireo demonia nandritra ny folo taona. Niezaka nanafa-tena tamin’ny herin’izy ireo izy tamin’ny fanampian’ny mpitondra fivavahana iray, kanefa dia tsy nahita tena fihatsarana. Nanomboka fampianarana ny Baiboly tamin’ilay lehilahy ny Vavolombelon’i Jehovah iray minisitra manontolo andro. Nampianariny azy avy tao amin’ny Baiboly ny hany fomba anafahan-tena amin’ny herin’ny demonia — ny fandraisana fahalalana ny fahamarinana araka ny marina sy ny finoana an’i Jehovah Andriamanitra, ary ny fitalahoana aminy amin’ny vavaka. — 1 Korintiana 2:5; Efesiana 4:6, 7; 1 Timoty 2:3, 4.
7 Ny alina nanaraka an’io dinidinika io dia nanonofy ny rainy efa maty ilay rangahy. Tao amin’ilay nofy dia nandrahona azy io rainy io raha tsy niverina nilalao ody izy. Nanomboka nijaly ny fianakaviany. Tsy nanaiky ny ho voataona ilay rangahy fa nanohy ny fianarany ny Baiboly ary nanomboka nanatrika fivoriana. Nandritra ny iray tamin’izany fianarana izany, dia nanazava ilay mpisava lalana fa indraindray ireo zavatra nampiasaina tamin’ireo fombafomba misy spiritisma dia afaka manome lalana an’ireo demonia hampijalijaly olona izay miezaka manafa-tena amin’ny herin’izy ireo. Tsaroan’ilay rangahy fa nanana menaka izay nampiasainy ho toy ny ody izy. Takany izao fa tsy maintsy manary izany izy. Hatramin’ny nanariany azy io, dia tsy nohelingelenin’ireo fanahy ratsy intsony izy. (Ampitahao amin’ny Efesiana 6:13; Jakoba 4:7, 8.) Mandroso tsara izao izy sy ny vadiny eo amin’ny fianarany ary manatrika tsy tapaka ireo fivoriana izy ireo mba hahazoana torolalana avy ao amin’ny Baiboly.
8, 9. Vato misakana hafa inona avy no tsy maintsy noresen’ny mpitory ilay Fanjakana sasany?
8 Misy fanakanana hafa mety hamono ny feon’ny vaovao tsara. Noho ny toe-piainana ara-toe-karena tena mampijaly any Ghana, dia mpiasa maro no nahato kely tamin’ny asany. Nidangana ny vidim-piainana, hany ka nanjary tena zava-manahirana ny fahazoana ireo zavatra faran’izay kely tena ilaina eo amin’ny fiainana. Ahoana no iatrehan’ny vahoakan’i Jehovah izany amim-pahombiazana? Amin’ny fitokiana amin’i Jehovah, fa tsy amin’ny tenany ihany. Indray andro, ohatra, dia nisy lehilahy iray nametraka valopy nihidy teo amin’ny birao fandraisam-bahiny tao amin’ny biraon’ny sampana. Nisy 3 600 000 FMG, na karama farany ambany nandritra ny telo volana tao anatin’ilay valopy. Avy tamin’ny mpanome tsy nitonona anarana ilay valopy, fa teo amin’ny fonony dia nisy izao soratra izao: “Namoy ny asako aho, kanefa dia nomen’i Jehovah asa hafa iray. Velom-pisaorana azy sy i Kristy Jesosy Zanany aho. Mba hanampiana amin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana alohan’ny hahatongavan’ny farany, dia indro misy fandraisana anjara kely ampiarahiko amin’ny taratasiko.” — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:11.
9 Ny fanatrehana fivoriana dia manampy mba hampiofanana ireo izay miaraka amin’ilay mpanao rodobe mahery eo amin’ny fiderana an’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Salamo 22:22.) Araka izany, any amin’ny tapany atsimon’i Honduras, dia misy kongregasiona iray antsoina hoe El Jordán. Inona no manokana amin’io antokon’olom-bitsy io? Izany dia ny fanatrehan’izy ireo amim-pahatokiana ny fivoriana. Amin’ireo mpitory 19, dia tsy maintsy miampita renirano lehibe iray ny 12 mba hanatrehana ireo fivoriana isan-kerinandro. Tsy zava-manahirana lehibe izany amin’ny fotoan’ny main-tany, satria afaka mita ilay renirano izy ireo amin’ny fiampitampitana eny amin’ireo vato. Mandritra ny fahavaratra anefa, dia miova ny toe-javatra. Ilay velaran-drano tsy dia manao ahoana teo iny dia manjary riaka iray mipaoka ny zava-drehetra lalovany. Mba hihoarana izany vato misakana izany, dia tsy maintsy nahay nilomano tsara ireo rahalahy sy anabavy. Alohan’ny hiampitana, dia ataon’izy ireo ao anatina tina (daba vy) ny akanjo fitondrany mivory, ary avy eo izy io dia saronany harona plastika. Ilay mpilomano matanjaka indrindra dia mampiasa ilay tina ho toy ny fitaovana hitsinkafonana ary mitarika ilay antokon’olona hiampita izy. Rehefa tonga soa aman-tsara erỳ amin’ny andaniny ilany izy ireo dia manamaina ny tenany sy miakanjo ary tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana falifaly sy madio mangiloilo! — Salamo 40:9.
Batery fiarovana izay azontsika itoerana
10. Nahoana isika no afaka mitodika any amin’i Jehovah mandritra ny fotoam-pihenjanana?
10 Na eo ambanin’ny famelezan’ny demonia mivantana ianao, na mahatsapa fihenjanana avy amin’ny loharano hafa, dia afaka ny ho fiarovana mafy ho anao i Jehovah. Miantsoa azy amin’ny vavaka. Henoiny amim-pitandremana na dia ny fitarainana amin’ny feo faran’izay iva ataon’ny olony aza. Hitan’ilay mpanao salamo fa marina izany ka izao no nosoratany: “Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy. Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.” — Salamo 31:2-4.
11. Hazavao ny antony tsy maha-toerana vonjimaika ny batery fiarovan’i Jehovah.
11 Tsy fialofana vonjimaika fotsiny no omen’i Jehovah, fa batery fiarovana tsy hay tafihina kosa, izay azontsika itoerana tsy amin’ahiahy. Tsy nandiso fanantenana ny vahoakany ny fitondrany sy ny fitarihany. Ny hery araka an’Andriamanitra dia hahatsinontsinona ny asa feno hafetsen-dratsy rehetra ataon’i Satana sy ny antokony. (Efesiana 6:10, 11). Raha mbola matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo isika, dia hisintona antsika hiala amin’ireo fandrik’i Satana izy. (2 Petera 2:9). Nandritra ireo efa-taona lasa, dia nisokatra ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany 35 teo ho eo. Any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao koa, ny toe-piainana ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-politika dia misakana ny fitoriana ny vaovao tsara. Nisy olona sasany toy ny ondry tany amin’ireny faritra ireny nifindra tany amin’izay toerana azo anatratrarana azy ireo amin-kalalahana kokoa. Toerana iray toy izany i Japana.
12. Ahoana no nanaovan’ny mpisava lalana iray any Japana an’i Jehovah ho ny fiarovany mafy?
12 Tany Japana, dia nisy fahatongavan’ny mpiasa vahiny maro avy any andafin-dranomasina, ary kongregasiona miteny vahiny maro no naorina. Ny fanandraman-javatra hitan’ny rahalahy iray tao amin’ny kongregasiona japoney dia manazava ny habetsahan’ny vokatra ao amin’io faritany miteny vahiny io. Naniry handeha hanompo tany amin’izay nilana mpitory bebe kokoa izy. Efa nitarika fampianarana ny Baiboly folo anefa izy tao amin’izay nisy azy. Nilaza taminy tamim-bazivazy toy izao ny namany iray: “Raha mankany amin’izay ilana mpitory bebe kokoa ianao, dia tsy maintsy hitarika fampianarana ny Baiboly 20 any!” Nahazo fanendrena izy ka nankany Hiroshima. Rehefa afaka efa-bolana anefa, dia fampianarana ny Baiboly iray monja no azony. Indray andro izy dia nitsidika lehilahy iray avy any Brezila izay tsy nahay afa-tsy fiteny portioge. Koa satria tsy afaka nifampiresaka tamin’ilay rangahy ilay rahalahy, dia nividy boky fianarana fiteny portioge izy. Rehefa avy nianatra fomba firesahana tsotsotra sasany ilay rahalahy, dia nitsidika indray an’ilay rangahy. Rehefa niarahaba azy tamin’ny fiteny portioge ilay rahalahy, dia gaga ilay rangahy, ary tamin-tsiky be, dia nanokatra ny varavarana hidanadana izy ary nanasa azy handroso. Natomboka ny fianarana ny Baiboly iray. Tsy ela ilay rahalahy dia nitarika fampianarana ny Baiboly nitontaly 22, ka ny 14 tamin’ny fiteny portioge, ny 6 tamin’ny fiteny espaniola ary ny 2 tamin’ny fiteny japoney!
Fitoriana amin-toky
13. Nahoana no tsy tokony hisy olona hanery antsika hanompo an’i Jehovah noho ny hena-maso?
13 Mihira ny hiran’ilay Fanjakana amin-toky ny vahoakan’i Jehovah, amim-pinoana tanteraka fa i Jehovah no fialofan’izy ireo. (Salamo 31:14). Tsy ho menatra izy ireo — tsy hampahamenatra azy ireo i Jehovah, satria hanatanteraka ny teniny izy. (Salamo 31:17). Ho menatra ny Devoly sy ireo demonia tariny. Koa satria nirahina hitory hafatra tsy mahamenatra ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy teren’olon-kafa hitory noho ny hena-maso izy ireo. Tsy izany no fomba hanomezan’i Jehovah na ny Zanany, fandrisihana ny olony hanompo Azy. Rehefa feno finoana ny fon’ny olona sy feno fankasitrahana noho ny hatsaram-po sy ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana, dia ny toe-po tsara ananan’izy ireo no manosika ny vavany hiteny. (Lioka 6:45). Noho izany, dia tsara sy tsy mahamenatra izay fotoana lanintsika eo amin’ny fanompoana isam-bolana na toy inona izany na toy inona, indrindra fa raha mampiseho ny tsara indrindra azontsika natao io fotoana io. Moa ve ny farantsa kely nomen’ilay mpitondratena tsy nankasitrahan’i Jesosy sy ny Rainy tamin’ny fomba feno? — Lioka 21:1-4.
14. Fanazavana inona avy no azonao atao mikasika ny asan’ny mpisava lalana? (Jereo koa ny tabilao.)
14 Ho an’ny mpitory mitombo isa hatrany, ny fanompoam-pivavahana amin’ny fanahy manontolo dia mahatafiditra ny fanompoana amin’ny maha-mpisava lalana maharitra — 890 231 no tampon’isa tamin’ny taon-dasa! Raha tanana ilay fandrosoana tamin’ny taona teo aloha, io isa io dia azo inoana fa hihoatra ny 1 000 000. Asehon’itỳ fitantarana manaraka itỳ ny fomba nidiran’ny anabavy iray any Nizeria tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana. Nanoratra toy izao izy: “Rehefa nadiva hamita ny fianarako tany amin’ny lise aho, dia nandeha nanampy tamin’ny fahandroan-tsakafo ho an’ireo izay nanatrika ny sekolin’ny mpisava lalana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihaona tamina rahavavy roa antitra kokoa noho ny renibeko, aho tany. Rehefa hitako fa mpisava lalana nanatrika ilay sekoly izy ireo, dia niteny anakampo aho hoe: ‘Raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana izy mirahavavy ireo, nahoana aho no tsy ho afaka?’ Koa taorian’ny fahavitan’ny fianarako, dia tonga mpisava lalana maharitra koa aho.”
15. Amin’ny fomba ahoana ny fitoriana tsy ara-potoana no afaka manome fahafahana ho an’ny hafa hialoka amin’i Jehovah?
15 Tsy ny rehetra akory no afaka manao ny asan’ny mpisava lalana, kanefa ny rehetra dia afaka manao fanambarana. Tany Belzika, dia nandeha nividy hena ny anabavy iray 82 taona. Nahamarika izy fa nanahy tanteraka ny amin’ireo fikorontanana ara-politika vao haingana ny vadin’ilay mpivaro-kena. Koa rehefa nandoa vola ilay anabavy, dia nasisiny niaraka tamin’ny vola taratasy ilay taratasy mivalona hoe Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Rehefa niverina tao amin’ilay mpivarotra ilay anabavy, dia tsy nihambahamba nanontany izay lazain’ny Baiboly mikasika ny mety hisian’ny ady lehibe fahatelo ny vadin’ilay mpivaro-kena. Nitondra tany aminy ilay boky hoe: La paix et la sécurité véritables: comment est-ce possible? izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, raha tonga tao amin’ilay fivarotan-kena ilay anabavy be taona, dia nanana fanontaniana bebe kokoa natao taminy ny vadin’ilay mpivaro-kena. Nangoraka an’io vehivavy io ilay anabavy; voatery tsotra izao nanolotra azy fampianarana ny Baiboly izy, ary dia neken’ilay ramatoa izany. Izao ny vadin’ilay mpivaro-kena dia maniry ny hatao batisa. Ahoana ny amin’ilay mpivaro-kena? Namaky ilay taratasy mivalona izy, ary mianatra ny Baiboly koa izy izao.
‘Rakitra feno zava-tsoa’
16. Ahoana no nanokanan’i Jehovah rakitra feno zava-tsoa ho an’ny vahoakany?
16 Mandritra izao andro farany mahatonga fihenjanana izao, moa ve i Jehovah tsy ‘nanao ho mahagaga ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana’ tamin’ireo izay nialoka taminy? Toy ny ray be fitiavana sy mpanome fiarovana, i Jehovah dia nanokana rakitra feno zava-tsoa ho an’ny zanany eto an-tany. Manome azy ireo fahasambarana tondraka eo anatrehan’ny mpitazana rehetra izy, toy ny voalazan’ny mpanao salamo hoe: “Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao! Dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona ho an’izay mialoka aminao!” — Salamo 31:19, 21.
17-19. Tany Ghana, soa inona no nentin’ny fanaovan’ny lahy antitra iray izay haha-ara-dalàna ny fanambadiany?
17 Noho izany, ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia manjary manatri-maso ny fanaovan’ny manompo an’i Jehovah ny marina, ary talanjona izy ireo. Tany Ghana, ohatra, dia nankany amin’ny birao fisoratam-panambadiana ny lehilahy iray 96 taona, ary nangataka ny hanoratana ilay tokantranomaso nataony hatramin’ny 70 taona izao. Taitra mafy ilay manam-pahefana mikarakara ny fanambadiana, ka nanontany hoe: “Azonao antoka ve fa izany no tianao hatao? Amin’izao taonanao izao?”
18 Nanazava toy izao ilay lehilahy: “Maniry ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho ka handray anjara amin’ilay asa faran’izay lehibe alohan’ny faran’izao tontolo izao — dia ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay io asa io. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankato ny lalàna sivily, anisan’izany ny lalàna momba ny fisoratam-panambadiana. Koa mba ataovy re ilay fisoratako e.” Kepoka ilay manam-pahefana. Nanomboka nanao ilay fisoratana izy, ary dia lasa nandeha ilay lehilahy be taona, faly fa ara-dalàna izao ny fanambadiany. — Ampitahao amin’ny Romana 12:2.
19 Taorian’izay, dia nisaintsaina ny amin’ireo zavatra vao reny ilay mpanora-panambadiana. “Vavolombelon’i Jehovah (...) ilay asa faran’izay lehibe (...) faran’izao tontolo izao (...) Fanjakan’Andriamanitra (...) fiainana mandrakizay.” Niasa loha ny amin’izay dikan’izany rehetra izany teo amin’ny fiainan’ny lahy antitra iray 96 taona izy ka nanapa-kevitra ny hitady ny Vavolombelona mba hanadihady bebe kokoa ny amin’ilay raharaha. Nanaiky fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano izy ary nandroso haingana. Amin’izao andro izao io mpanora-panambadiana io dia Vavolombelona vita batisa. Araka izany, rehefa mankato an’i Jehovah na dia eo amin’izay mety hoheverin’ny hafa ho raharaha madinika aza isika, izany dia mety hitondra soa tsy hay lazaina ho antsika sy ho an’ireo manatri-maso ny fitondran-tenantsika. — Ampitahao amin’ny 1 Petera 2:12.
20. Tany Myanmar, tamin’ny ahoana ny fanaovan’ny anabavy tanora iray ny fahamarinana no nitarika ho amin’ny fanaovana fanambarana tsara?
20 Ireo be taona izay namela ny fahamarinana hamolavola azy ho tonga olo-marina dia mamela ohatra tsara ho an’ireo tanora eo amin’itỳ tontolo manao ny tsy marina itỳ. Misy anabavy tanora toy izany mipetraka any Myanmar. Avy amin’ny fianakaviana mahantra sy tsotra iray misy zaza folo izy. Ny rainy, izay mandray pension, dia mpisava lalana maharitra. Indray andro tany an-tsekoly, dia nahita peratra nisy diamondra ilay anabavy. Nentiny avy hatrany tany amin’ny mpampianatra azy ilay izy. Rehefa teo daholo ny iray kilasy ny ampitson’iny, dia nilaza tamin’izy ireo ny fomba nahitana ilay peratra sy ny namerenana izany tamin’ny tompony ilay mpampianatra. Avy eo izy dia nangataka an’ilay anabavy tanora mba hitsangana teo anoloan’ny kilasy iray manontolo sy hanazava ny antony nanaovany izany, tamin’ny fahafantarana fa ny ankizy hafa dia nety ho nifidy ny hitana izany. Nanazava ilay anabavy fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary tsy tian’ilay Andriamaniny ny fangalarana na izay mety ho karazana fanaovana ny tsy marina. Nandre izany ny sekoly iray manontolo, ka izany dia nanome an’ilay anabavintsika tanora fahafahana tsara hanao fanambarana tamin’ireo mpampianatra sy ny mpianatra koa.
21. Rehefa mitoky amin’i Jehovah ny tanora, amin’ny ahoana ny fitondran-tenan’izy ireo no manome voninahitra azy?
21 Tany Belzika ny mpampianatra iray dia nanao fanamarihana nahaliana tao an-dakilasy mikasika ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandinika ny fitondran-tenan’ny iray tamin’ireo mpianany izy, izay anabavy tanora iray koa, ary nilaza hoe: “Manana fomba fiheverana hafa momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho izao. Ny fitsarana an-tendrony dia nitarika ahy hieritreritra fa olona tsy milefitra indrindra amin’ny hafa izy ireo. Hita fa olona faran’izay milefitra amin’ny hafa izy ireo, na dia tsy mampilefitra ny fotopoto-pitsipiny aza izy.” Isan-taona dia misy loka omen’ny mpampianatra an’ireo mpianany mahay indrindra. Tao anatin’izany dia misy ny loka ho an’ny fianarana mikasika ny hatsaran-toetra. Nandritra ny telo taona nisesy, ny loka ho an’ireo kilasy ambony telo dia nomen’io mpampianatra io an’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Mitranga matetika izany amin’ireo izay manana fitokiana tsy mivadika amin’i Jehovah. — Salamo 31:23.
22. Inona ilay famaranan-tenim-pandresena ao amin’ny Sl 31 Salamo faha-31, ary ahoana no anampian’izany antsika mandritra ireo andro farany ho an’izao fandehan-javatra izao?
22 Manambara ny fifaranany amin’ny famaranan-tenim-pandresena toy izao ny Sl 31 Salamo faha-31: “Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah.” (Salamo 31:24). Noho izany, dia tsy handao antsika velively i Jehovah eo am-piatrehantsika ireo andro farany ho an’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Hanatona akaiky dia akaiky antsika kosa aza izy ary hametraka ny heriny manokana ao anatintsika. Mahatoky i Jehovah ary tsy mba diso amin’izay ataony izy. Izy no fialofantsika; izy no tilikambontsika. — Ohabolana 18:10.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana isika no afaka manao an’i Jehovah ho fialofantsika amim-patokiana?
◻ Inona no porofo fa misy mpanao rodobe mahery iray mihira fiderana ho an’ilay Fanjakana amin-kerim-po?
◻ Nahoana isika no matoky fa tsy hahafandrika ny vahoakan’i Jehovah ny haraton’i Satana?
◻ Rakitra inona no natokan’i Jehovah ho an’ireo izay mialoka aminy?
[Tabilao, pejy 12-15]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1993
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 16, 17]
Ireo izay mialoka amin’i Jehovah dia mahaforona mpanao rodobe maherin’ireo mpitory ilay Fanjakana — 4 709 889 matanjaka!
1. Sénégal
2. Brezila
3. Chili
4. Bolivia