Ny fialofany — Lainga fotsiny!
“Ny lainga no nataonay ho fiarovana [fialofana, MN], ary ny fitaka ho fierena”. — ISAIA 28:15.
1, 2. a) Fandaminana inona amin’izao andro izao no tokony handinika izay nitranga tamin’ny fanjakan’ny Joda fahiny? b) Fatokiana diso toerana inona no nananan’ny Joda?
MIHATRA amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao ve ireo teny ireo toy ny tamin’ny fanjakan’ny foko roa an’ny Joda fahiny? Azo antoka fa izany! Ary milaza loza ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny andro ankehitriny izany fifanandrifiana izany. Izany dia midika fa tsy ho ela dia hisy loza amin’antambo hanjo tampoka io fandaminana ara-pivavahana nivadika io.
2 Tany avaratry ny Joda no nisy ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely. Rehefa nivadika izy io, dia navelan’i Jehovah ho azon’ny Asyriana tamin’ny 740 am.fan.ir. Ilay fanjakana rahavaviny, ny Joda, dia nahita io fisehoan-javatra nampalahelo io, kanefa dia mazava fa nihevitra izy hoe tsy hitranga aminy mihitsy ny zavatra toy izany. ‘Tsy eto Jerosalema ve ny tempolin’i Jehovah?’ hoy ireo filohany nirehaka, ‘Tsy isika ve no vahoaka voafidin’Andriamanitra? Moa ve ireo mpisorona sy mpaminanintsika tsy miteny amin’ny anaran’i Jehovah?’ (Ampitahao amin’ny Jeremia 7:4, 8-11.) Natoky ireo filoha ara-pivavahana ireo fa tsy hiharan-doza izy ireo. Diso hevitra anefa izy ireo! Tsy nanam-pinoana sahala amin’ireo havany tany amin’ny tapany avaratra izy ireo. Koa izay nanjo an’i Samaria dia hanjo koa an’i Jerosalema.
3. Nahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no matoky ny amin’ny hoavy, kanefa moa ve misy antony tsara ho an’ny fatokiana ananany?
3 Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia mihambo ho manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny fivavahana lazaina fa kristiana. ‘Manana fiangonana an’aliny maro izahay, sy klerjy mahay, ary koa mpikambana an-jato tapitrisany maro’, hoy izy mirehaka. ‘Manana ny Baiboly koa izahay, ary mampiasa ny anaran’i Jesosy amin’ny fanompoam-pivavahanay. Azo antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra izahay!’ Mahaforona fampitandremana hentitra anefa izay nitranga tamin’i Jerosalema fahiny. Na dia teo aza ireo fisehoan-javatra ara-politika nahatalanjona vao haingana, dia fantatsika fa tsy ho ela i Jehovah dia hanao zavatra hentitra hamelezana ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny fivavahan-diso hafa rehetra.
“Fanekena tamin’ny fahafatesana”
4. Fanekena inona no noheverin’ny Joda fa nataony?
4 Tamin’ny andro fahiny, i Jerosalema nivadika dia nahazo fampitandremana maro tamin’ny alalan’ny tena mpaminanin’Andriamanitra, nefa tsy nino azy ireo izy. Nirehareha kosa izy fa ny fahafatesana dia tsy hampidina azy na oviana na oviana any amin’ny Sheola, izany hoe ny fasana, toy ny nampidinany ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra. Nahazo tsindrimandry mba hiteny toy izao tamin’ny Joda i Isaia mpaminany: “Koa mihainoa ny tenin’i Jehovah hianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity. Satria hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN], ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana [fialofana, MN], ary ny fitaka ho fierena”. — Isaia 28:14, 15.
5. a) Inona ilay nolazaina fa fanekena nataon’ny Joda tamin’ny fahafatesana? b) Fampitandremana inona nomena an’i Asa mpanjaka no hadinon’ny Joda?
5 Eny, nihevitra ireo filoha tao Jerosalema fa nanana taratasy fanekena tamin’ny fahafatesana sy ny Sheola izy, raha azo atao ny milaza izany, mba hitsimbinana ny tanànany. Moa ve anefa ilay lazaina fa fanekena nataon’i Jerosalema tamin’ny fahafatesana nidika fa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary izao dia natoky an’i Jehovah mba hamonjy azy? (Jeremia 8:6, 7). Tsy izany velively! Nitady fanampiana tany amin’ny mpanapaka ara-politika olombelona kosa izy. Fahadisoan-kevitra, lainga fotsiny, anefa ny fianteherany tamin’ireo mpiray dina taminy teo amin’izao tontolo izao. Tsy afaka namonjy azy ireo mpikarakara ny raharahan’izao tontolo izao nitokiany. Ary satria izy nahafoy an’i Jehovah, dia mba nahafoy an’i Jerosalema i Jehovah. Izany dia nitranga sahala amin’izay nampitandreman’i Azaria mpaminany an’i Asa mpanjaka hoe: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo izy.” — 2 Tantara 15:2.
6, 7. Dingana inona no nataon’ny Joda mba hiantohana ny tsy fananany ahiahy, kanefa inona no vokany tamin’ny farany?
6 Noho izy nitoky tamin’ireo fanekena ara-politika, ireo filoha tao Jerosalema dia natoky fa tsy hisy “loza manafotra”, avy amin’ny tafika mpanafika, ho avy hanatona azy mba hanakorontana ny fiadanany sy ny filaminany. Rehefa nandrahona azy ny fanekena nifanaovan’ny Isiraely sy Syria, dia nitady fanampiana tany amin’i Asyria ny Joda. (2 Mpanjaka 16:5-9). Tatỳ aoriana, rehefa norahonan’ny tafik’i Babylona izy, dia niangavy fanohanana tamin’i Egypta, ary nanaiky i Farao tamin’ny fandefasana tafika mba hanampy. — Jeremia 37:5-8; Ezekiela 17:11-15.
7 Nahery loatra anefa ny tafik’i Babylona ka voatery niala ireo andiana miaramilan’i Egypta. Hita ho fahadisoana ny fametrahan’i Jerosalema ny fitokiany tamin’i Egypta, ary tamin’ny 607 al.fan.ir., dia nafoin’i Jehovah ho amin’ny fandringanana efa nambarany mialoha izy. Koa diso hevitra àry ireo mpanapaka sy mpisoron’i Jerosalema! Ny fitokiany tamin’ireo fanekena teo amin’izao tontolo izao ho amin’ny fiadanana sy filaminana dia “lainga” izay nopaohin’ny loza manafotry ny tafik’i Babylona.
Fandavana ilay “vato voazaha toetra”
8. Ahoana no nitondran’ny fivavahana lazaina fa kristiana tena mitovy tanteraka amin’ny an’ny Joda fahiny?
8 Moa ve misy toe-javatra mifanitsy amin’izany amin’izao andro izao? Eny, misy tokoa. Mihevitra koa ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa tsy hisy loza hanampoka azy ireo. Raha ny marina dia niteny toy ny nambaran’i Isaia mialoha izy hoe: “Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN], ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana [fialofana, MN], ary ny fitaka ho fierena”. (Isaia 28:15). Sahala amin’i Jerosalema fahiny, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mitady tsy fananana ahiahy amin’ireo fifanekena amin’izao tontolo izao, ary ny klerjiny dia tsy mety manao an’i Jehovah ho fialofany. Tsy mampiasa akory ny anarany izy ireo, ary esoiny sy enjehiny ireo izay manome voninahitra izany anarana izany. Ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nitondra tena sahala amin’ireo lohan’ny mpisorona jiosy tamin’ny taonjato voalohany rehefa nanda an’i Kristy izy ireo. Raha ny marina dia niteny izy ireo hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” — Jaona 19:15.
9. a) Iza no mampitandrina ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao amin’ny fomba mitovy amin’ny nampitandreman’i Isaia ny Joda? b) Tokony hitodika any amin’iza ny fivavahana lazaina fa kristiana?
9 Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampitandrina fa hisy andian-tafika mpanatanteraka didim-pitsarana hamely tsy ho ela ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ambonin’izany, dia atoron’izy ireo ny toeram-pialofana marina amin’izany loza izany. Tononiny ny Isaia 28:16 izay milaza hoe: “Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.” Iza moa io “vato tsara izay fehizoro” io? Nanonona ireo teny ireo ny apostoly Petera ary nampihatra izany tamin’i Jesosy Kristy. (1 Petera 2:6). Raha nitady fihavanana tamin’i Jesosy Kristy, Mpanjaka voatendrin’i Jehovah, ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia ho nanalavitra ilay loza manafotra ho avy izy. — Ampitahao amin’ny Lioka 19:42-44.
10. Nampitombo fisakaizana inona ny fivavahana lazaina fa kristiana?
10 Tsy nanao izany anefa izy. Amin’ny fikarohany fiadanana sy filaminana kosa, dia ataony amim-pahakingana izay hahazoany sitraka amin’ireo filoha ara-politikan’ny firenena — na dia eo aza ny fampitandreman’ny Baiboly hoe fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao. (Jakoba 4:4). Ambonin’izany, tamin’ny 1919, dia notohanany mafy an-karihary ny Fikambanam-pirenena ho toy ny fanantenana fiadanana tsara indrindra ho an’ny olombelona. Hatramin’ny 1945 dia nametraka ny fanantenany tamin’ny Firenena Mikambana izy. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 17:3, 11.) Hatraiza ny halehiben’ny fisakaizany amin’io fandaminana io?
11. Solontena inona no ananan’ny fivavahana any amin’ny O.N.U?
11 Ny boky vao haingana iray dia mahatonga antsika hahazo an-tsaina ny amin’izany rehefa nilaza izy hoe: “Tsy latsaka ny efatra amby roapolo ny fandaminana katolika manana solontena ao amin’ny O.N.U. Nitsidika ilay fandaminana iraisam-pirenena ny maromaro tamin’ireo filoha ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao. Tsy hay hadinoina indrindra ny fitsidihan’ny Papa Ray Masina Paoly faha-VI nandritra ny Fivoriana Lehibe tamin’ny 1965 ary ny an’ny Papa Joany Paoly faha-II tamin’ny 1979. Antokom-pivavahana maro no manao fitalahoana, vavaka, hiram-pivavahana na fombafomba ara-pivavahana manokana ho an’ny Firenena Mikambana. Ny ohatra lehibe indrindra amin’izany dia ny an’ny finoana katolika, ny “unitariens-universalistes”, ny batista, ary ny Baha’i.”
Fanantenana fiadanana very maina foana
12, 13. Na dia eo aza ny fanantenana miely patrana fa manangasanga eny am-paravodilanitra ny fiadanana, nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no matoky fa marina ny fampitandreman’izy ireo?
12 Ny iray amin’ireo filoha ara-politika matanjaka indrindra eo amin’izao tontolo izao dia namerina nilaza ny fanantenan’ny maro rehefa niteny hoe: “Ity taranak’olombelona eto an-tany ity dia mety ho vavolombelon’ny fahatongavan’ny vanim-potoam-piadanana tsy azo ajanona eo amin’ny tantaran’ny sivilizasiôna.” Marina ve ny azy? Moa ve ireo zava-nitranga vao haingana midika fa ny fampitandremana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ampahibemaso mikasika ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ireo firenena dia tsy ho tanteraka? Diso hevitra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
13 Tsia, tsy diso hevitra akory izy ireo. Fantany fa milaza ny fahamarinana izy satria mametraka ny fitokiany amin’i Jehovah sy ny Baiboly, ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. Hoy ny Titosy 1:2 hoe: “Andriamanitra tsy mahay mandainga”. Koa matoky tanteraka izy ireo fa rehefa milaza ny faminaniana ao amin’ny Baiboly hoe misy zavatra sasany hitranga, dia hitranga tsy misy diso izany. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no milaza hoe: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
14, 15. a) Inona no nambaran’ireo filohan’ny Joda, fotoana fohy talohan’ny haharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 al.fan.ir.? b) Zavatra nambaran’i Paoly mialoha inona no hambara alohan’ny hahatongavan’ny fandringanana tampoka amin’ity tontolo ity? d) Inona no azontsika ampoizina rehefa mahatratra ny fara tampony ilay fanambarana voalaza mialoha ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3?
14 Tamin’ilay taona nialoha ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.fan.ir., dia nanao tatitra i Jeremia fa nihiaka toy izao ireo filoha: “Misy fiadanana! Misy fiadanana!” (Jeremia 8:11, MN). Lainga anefa izany. Rava i Jerosalema ho fahatanterahan’ny fampitandremana ara-tsindrimandry nataon’ireo tena mpaminanin’i Jehovah. Nampitandrina ny apostoly Paoly fa hisy zavatra mitovy amin’izany hitranga amin’izao androntsika izao. Nilaza izy fa hisy olona hihiaka hoe: “Miadana sy mandry fahizay”! Kanefa amin’izay, hoy izy, “dia hanjo azy tampoka ny fandringanana”. — 1 Tesaloniana 5:3.
15 Tamin’ny fotoana nidirantsika tao amin’ireo taona 1990, hatraiza hatraiza ny gazety sy ny revio dia nilaza fa vita ny Ady Mangatsiaka ary tsinjo ihany ny fiadanana maneran-tany rehefa ela ny ela. Kanefa tamin’izay, dia nipoaka tany Atsinanana Afovoany ny ady nisy fifampitifirana. Na dia izany aza, na ho ela na ho haingana, dia hitombo ny toe-javatra maneran-tany ka hahatratra ny fara tampony ny kiakiaka hoe “Miadana sy mandry fahizay” voalaza mialoha ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:2, 3. Noho ny fanantenantsika miorina mafy amin’ny tenin’Andriamanitra, dia fantatsika fa, arakaraka ny hahatratrarana io fara tampony io, ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia hotanterahina haingana ary amin’ny fomba tsy misy diso. Tsy misy fanambarana fiadanana sy filaminana sandoka tsy haharitra tokony hahatonga antsika hino fa tsy ho avy ny fandringanana nambaran’Andriamanitra mialoha. Voarakitra amin’ny fomba tsy miova ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, ireo didim-pitsaran’Andriamanitra. Horinganina ny fivavahana lazaina fa kristiana, miaraka amin’ny fivavahan-diso hafa rehetra. Ary avy eo, dia hampiharina amin’ny sisa amin’ny tontolon’i Satana ny didim-pitsarana fandringanana nataon’i Jehovah. (2 Tesaloniana 1:6-8; 2:8; Apokalypsy 18:21; 19:19-21). Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah matoky fa hanatanteraka ny teniny i Jehovah, dia manohy miambina izy ireo eo ambany fitarihan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina ary mandinika amim-pitandremana ny fomba izoran’ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao. (Matio 24:45-47). Azo antoka fa tsy hisy mihitsy ezaka fampihavanana ataon’olombelona tokony hahatonga antsika hihevitra fa nafoin’i Jehovah ny fikasany hitondra loza manafotra amin’ny fandringanana ny fivavahana lazaina fa kristiana mivesatra ota.
‘Andriamanitra no fialofantsika’
16, 17. Ahoana no avalin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy tafintohina amin’ny fahatsoran’ny hafatra entin’izy ireo?
16 Mety hisy ho tafintohina amin’ny fahatsoran’ny Vavolombelon’i Jehovah manambara izany. Kanefa, rehefa milaza izy ireo fa ireo mpanapaka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nitady fialofana tamin’ny fandaharana lainga iray, dia tsy manao afa-tsy ny mamerina izay lazain’ny Baiboly izy ireo. Rehefa milaza izy ireo fa mendrika fanasaziana ny fivavahana lazaina fa kristiana satria nanjary anisan’izao tontolo izao, dia tsy manao afa-tsy ny mitatitra izay lazain’ny tenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izy ireo. (Filipiana 3:18, 19). Ambonin’izany, satria ny fivavahana lazaina fa kristiana mametraka ny fitokiany amin’ireo volavolan-kevitra aroson’ity tontolo ity, dia tohanany, raha ny marina, ny andriamanitr’izao tontolo izao, Satana Devoly, izay rain’ny lainga, hoy i Jesosy. — Jaona 8:44; 2 Korintiana 4:4.
17 Noho izany, dia izao no ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah: Raha ny aminay, dia tsy mampirisika fanantenana sandoka ny amin’ny fiadanana maneran-tany noho ny fiovaovan’ny sehatra ara-politika izahay. Averinay kosa ny tenin’ny mpanao salamo hoe; “Andriamanitra no fialofana ho antsika (...) Ny zanak’olona amin’ny tany dia fofon’aina, ny zanak’olombelona dia lainga fotsiny. Rehefa apetraka eo amin’ny mizana izy rehetra dia maivana noho ny fofon’aina.” (Salamo 62:8, 9, NW). Ireo volavolan-kevitra nataon’olombelona mba hampandrosoana sy hitsimbinana ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny sisa amin’ity fandehan-javatra ity, dia fitaka, lainga fotsiny! Izy rehetra mitambatra dia tsy manan-kery kokoa hisakanana ny fikasan’i Jehovah noho ny rivotra mafana avy ao am-bava!
18. Fampitandreman’ny mpanao salamo inona no mifanentana amin’izao andro izao?
18 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manonona koa ny Salamo faha-33, andininy faha-17 ka hatramin’ny faha-19 izay milaza hoe: “Ny soavaly [ny an’i Egypta, mampiseho ady] tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ny heriny. Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindrampony, mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy, raha misy mosary.” Amin’izao andro izao, ny kristiana marina dia matoky an’i Jehovah sy ny Fanjakany any an-danitra, ilay hany fandaharana afaka mitondra fiadanana maharitra.
Ny fivavahana lazaina fa kristiana: ‘fanitsakitsaka’
19. Nahoana ny fianteherana amin’ny fandaminana ara-politika mba hitondra fiadanana maneran-tany no fahadisoan-kevitra?
19 Ny fitokiana amin’ny zavatra nataon’olombelona ho solon’ny Fanjakan’Andriamanitra dia mahatonga izany solony izany ho sary, ho zavatra ivavahana. (Apokalypsy 13:14, 15). Araka izany, ny fampirisihana fianteherana amin’ny fandaminana ara-politika toy ny Firenena Mikambana, mba hahazoana fiadanana sy filaminana dia fahadisoan-kevitra, lainga fotsiny. Niteny toy izao i Jeremia ny amin’ny zavatra mitondra fanantenana sandoka toy izany: “Fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’aina ao aminy. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.” (Jeremia 10:14, 15). Noho izany, ilay soavalin’adin’i Egypta nasehon’ny tandindona, izany hoe, ny hery ara-tafika sy ara-politika ananan’ireo firenena ankehitriny, dia tsy hiaro ny faritra ara-pivavahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny andro sarotra hodiaviny. Ny fanekena nifanaovan’ireo antokom-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’ity tontolo ity dia azo antoka fa tsy hahavonjy azy ireo.
20, 21. a) Inona no nitranga tamin’ny Fikambanam-pirenena, ary nahoana ny Firenena Mikambana no tsy hatao tsara fitondra kokoa? b) Ahoana no nanehoan’i Isaia fa tsy hamonjy azy ny fanekena nataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’izao tontolo izao?
20 Nanankina ny fanantenany tamin’ny Fikambanam-pirenena ny fivavahana lazaina fa kristiana, kanefa dia niongana izy io na dia mbola tsy tonga aza Haramagedona. Izao izy dia namindra ny fanohanany ho an’ny Firenena Mikambana. Kanefa tsy ho ela io dia tsy maintsy hiatrika “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ary tsy ho tafita velona amin’izany izy. (Apokalypsy 16:14). Na dia ny O.N.U. iray novelomina indray aza dia tsy afaka hitondra fiadanana sy filaminana na oviana na oviana. Asehon’ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra fa ny fandaminan’ny Firenena Mikambana miaraka amin’ireo firenena mpikambana aminy dia “hiady amin’ny Zanak’ondry [Kristy manana ny fahefan’ny Mpanjaka], ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy”. — Apokalypsy 17:14.
21 Milaza amim-patokiana ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy misy famonjena ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana ao amin’ny fanekena nifanaovany tamin’izao tontolo izaon’i Satana. Ary rehefa milaza izany izy, dia tsy manao afa-tsy ny mampahatsiaro fotsiny izay lazain’ny Baiboly. Nanisy fitenenana ny amin’i Jehovah ho niteny toy izao ny Isaia 28:17, 18: “Ny fitsarana [rariny, MN] no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; hopaohin’ny havandra ny lainga fiarovana [fialofana, MN], ary hindaosin’ny rano ny fierena. Hofoanana ny fanekenareo amin’ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fiainan-tsi-hita; raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany hianareo.”
22. Rehefa hampiharina amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny rariny tanteraka, dia inona no ho vokany?
22 Rehefa tanterahina ny didim-pitsaran’i Jehovah, izany dia hifanaraka amin’ny rariny tanteraka. Ary ny fototry ny fatokian’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny “fanekena tamin’ny fahafatesana” nataony, dia hopaohina tanteraka toy ny amin’ny loza manafotra iray. Nanohy niteny toy izao i Isaia: “Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.” (Isaia 28:19). Haharaiki-tahotra ireo mpitazana toy inona moa ny hanatri-maso ny herin’ny fitsaran’i Jehovah rehetra! Ho loza ny an’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ireo mpanaraka azy rehefa ho hitany, diso aoriana loatra, fa nitoky tamin’ny lainga izy!
“Tilikambo mafy” ny anaran’i Jehovah
23, 24. Tsy hitady tsy fananana ahiahy eo amin’izao tontolo izao ny Vavolombelon’i Jehovah, fa inona no hataony?
23 Ahoana kosa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Na dia eo anatrehan’ny fankahalana sy ny fanenjehana iraisam-pirenena aza izy ireo, dia mikiry mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao ihany. Tsy hadinon’izy ireo mihitsy izay nolazain’i Jesosy ny amin’ireo mpanara-dia azy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Tao anatin’izao andro farany izao, dia nametraka ny fitokiany tamin’ny Fanjakan’i Jehovah izy fa tsy tamin’ny volavolan-kevitr’olombelona. Noho izany, dia tsy haharaiki-tahotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny loza amin’antambo hanjo ny fivavahana lazaina fa kristiana, araka ny nambaran’i Isaia mialoha hoe: “Tsy mba ho taitra izay mino.” — Isaia 28:16.
24 Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Asaintsika àry ny olona toy ny ondry rehetra mba hitady fialofana ao amin’i Jehovah sy ao amin’ny Fanjakany amin’ny alalan’i Kristy. I Jehovah dia toeram-pierena tsy misy fitaka! Tsy lainga ny Fanjakany amin’ny alalan’i Kristy! Lainga fotsiny ny fialofan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fa ny fialofan’ny kristiana marina kosa dia fahamarinana.
Hainao hazavaina ve?
◻ Ahoana no nialofan’ny Joda fahiny tao amin’ny lainga?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’ny fivavahana lazaina fa kristiana niery tao amin’ny fitaka?
◻ Ahoana no nampitandreman’i Isaia ny Joda, ary ahoana no ilazan’ny Vavolombelon’i Jehovah fampitandremana mitovy amin’izany amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no hahafantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa diso toerana ny fitokiany?
◻ Mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, inona no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
[Efajoro, pejy 17]
FANANTENANA AMBONY DIA AMBONY NAMBARA MOMBA NY FIRENENA MIKAMBANA
“Vao voalohany hatramin’ny Ady Lehibe faha-II dia tafaray ny fitambaran’olona iraisam-pirenena. Ny fitantanana ny Firenena Mikambana, izay hevitra tonga lafatra nandrandraina fotsiny taloha, dia manamarina ny fahitan’ireo mpamorona azy izao. (...) Azon’izao tontolo izao hararaotina àry ny fahafahana hanatanteraka ilay fampanantenana hatramin’ny ela ny amin’ny fandaminan-javatra maneran-tany vaovao iray.” — George Bush, prezidàn’i Etazonia, tao amin’ny hafatra nataony ho an’io firenena io momba ny toe-piainan’ny Union, 29 Janoary 1991