Ny Fahatezerako sa ny Fahasalamako?
IZA no tsy mety tezitra? Mitranga amintsika rehetra izany. Indraindray dia azo hamarinina ny fahatezerana sasany. Kanefa, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra, moa ve tsy marina fa tsy azo hamarinina ny fahatezerantsika (na ny hamafiny) matetika?
Milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany.” (Salamo 37:8). Amin’ny fomba ahoana no mampiseho fahendrena io torohevitra io? Moa ve izany mety hisy heriny eo amin’ny fahasalamanao maharitra?
Manao izao fanamarihana izao ny The New York Times ao amin’ny fizarany hoe “Fahasalamana”:
“Ny olona izay manapoaka fahatezerana mafy amin-kerisetra sy tampoka matetika na izay misafoaka isaky ny misy zavatra tsy dia manao ahoana tsikariny, dia mety hanao mihoatra noho ny fanaovana ny tenany ho tsy mahafinaritra. Mety hamono ny tenany izy ireny.
“Ireo mpanao fikarohana dia nahangona filazalazana maro be vao haingana izay mampahatsiaro fa ny fahatezerana raiki-tampisaka dia manimba aoka izany ny vatana, hany ka milahatra miaraka amin’ny fifohana sigara sy ny hatavezana ary ny fihinanana zavatra matavy be loatra izy io, na mihoatra noho izany aza, amin’ny maha-antony mitera-doza lehibe ho amin’ny fahafatesana aloha.
“ ‘Mampiseho ireo fandinihana nataonay fa ny fahatezerana feno fankahalana sy fiahiahiana dia mitovy tantana amin’ny loza ara-pahasalamana hafa rehetra mety hipoitra fantatray’, hoy ny nambaran’ny Dr. Redford Williams, mpanao fikarohana ao amin’ny fitsaboana momba ny fitondran-tenan’ny olombelona any amin’ny Foibe Ara-pitsaboan’ny Oniversite Duke.”
Ireo fandinihana dia mampiseho fa ireo izay manao zavatra amin’ny fomba tafahoatra eo anoloan’ny zava-manahirana fahita eo amin’ny fiainana andavanandro dia mamoaka hormonina miteraka fihenjanana betsaka kokoa. Ireo fipoahan’ny fahatezeran’izy ireo mateti-piseho dia mety hahatonga tsy fifandanjan’ny karazana cholestérol mpiaro sy ny mampidi-doza, ka mety ho voan’ny aretim-po izy ireny.
Ny sasany dia mety hamaly hoe: ‘Nefa izany indrindra no manjo ahy’ na hoe: ‘Nihalehibe tamin’izany fomba izany aho.’ Kanefa izany akory tsy midika fa tsy afaka ny hiova ianao, amin’ny fiezahana amim-pahatsorana hampihatra ny torohevitra omen’Andriamanitra. Ao amin’ny Baibolinao manokana, dia jereo ireo torohevitra omeny mikasika ny fahatezerana sy ny fisafoahana, voarakitra ao amin’ny Ohabolana 14:29, 30; 22:24, 25; Efesiana 4:26; Jakoba 1:19, 20.
Ny fampiharana izany fahendrena avy amin’Andriamanitra izany dia mety hanatsara ny fahasalamanao sady hanalava ny androm-piainanao. Manao izao fanamarihana izao ny Times: “Mpanao fikarohana maro no nilaza fa ireo olona mora tezitra dia afaka mampihena ny loza miteraka fahafatesana aloha amin’ny fanovana ireo famaliana mandeha ho azy sy feno fankahalana.”